Nitsangan-kovelona ny Tompo! Aleloia! Paka!

Hafaliana ho anay ny manolotra ny Firariantsoa
ho anao mamangy ny takelaky ny Katolika.org
amin'ny anaran'ny mpiara-misalahy rehetra ato,
sady hifampirariantsika rehetra koa ny soa sy ny mamy.
Arahaba nanatratra ny Paka!
Mirary fety sambatra!

Tsy azo odian-tsy hita manko ny zavatra hiainana, ary tsy hoe pessimiste aho akory sanatria, fa hitako ihany ny zava-misy... Paka tokoa manko ny andro raha toa ka afaka mandia tany maina eo afovoan'ny ranomasina mena ny Kristianina.. izany hoe afaka miaina ny maha-kristianina azy ao anatin'ny fisamboaravoaran'ny fanatontoloana sy ny vokany eo amin'ny fiaraha-monina.
Rehefa nilaza momba ny fiara-maty miaraka amin'i Kristy ao amin'ny Batemy i Paoly (jereo ohatra Kol 2, 12 // Rom 6, 4 ) dia tsy azo adinoina fa ireo natao batemy tamin'izany dia ireo olona resy lahatra ny amin'ny finoany, ka na noterena aza tsy nanaiky hivadika amin'izany finoana izany, naleony maty toy izay hanota. Ireo no antsoin'ny fiangonana hoe Martiora.
Ankehitriny, ireo milaza ho mpino an'i Kristy nitsangan-ko velona, aleony miala any am-piangonana ka mitady fiangonana hafa toy izay teriterena hanao ny tsara na hanao izay sarotra tanterahina...
terena hanao ny tsara indray vao tsy manao...
Ny vokatr'izany dia mazàna odian-tsy hita eo amin'ny fiainana : mandritra ny karemy dia lalàn'ny fiangonana katolika ny mifady hanina, tsy hoe hampijaly tena loatra fa mba hanomezana hanina ny mahantra. Dia manao tokoa ny ankamaroany, eny fa na dia hisehoana ho tia ny mahantra eo imason'ny hafa ihany aza. FA mba diniho moa e, diniho amin'ny fo tsy miangatra, raha kristianina ianao, voaantso hitia sy hitsinjo ny mahantra, ampitahao sao sanatria mihoatra ny voahangona sy ny foinao ho an'ny mahantra ny nolanianao ho an'ny fahafinaretana nandritra ny Lundi de Paques.
Dia avy eo lanjalanjao raha tena paka marina tokoa ho anao ity Paka ity.
Dia izay ny mahatonga an'i Paoly milaza fa "raha tsy nitsangana ny Tompo, dia foana ny finoantsika..." (1 Kor 15, 17 )
Raha tsy hita taratra eo amin'ny fiainantsika ny herin'io Fitsanganana io dia tsy misy finoana azo heverina akory...
Raha sanatria mitovy amiko ianao mahatsapa fa tsy mbola manam-pinoana tokoa, dia miaraha amiko mangataka amin'ny Tompo satria Fanomezana avy aminy ny Finoana. Tsy ny rehetra anefa no tolorana fanomezana... fa izay mila izany ihany.
Raha hilaza ianao hoe : izaho mila nefa tsy nomeny... diniho tsara sao efa mba nomeny io fanomezana io ianao fa ianao mihitsy no nandà tsy handray azy....
Tsy tara fa angataho aminy indray koa...
Ity tononkalon'ny Diakra tamin'ny taona 2005 ity no hanohizako ny fifampizarana aminao, mba tsy ho nofinofy intsony ny Paka
Tsy ho nofinofy akory ny Paka e!


Nofonofiko hono, io maraina io,
Tsio-drivotra malefaka, sady tony no madio
Nanafoana ranomaso, nampitony fijaliana
Ka tsy hisy intsony ankaso, fa ho dibo-kafaliana !
Nofinofiko hono, ka lazaiko anareo,
Tsy nisy intsony ny tomany, foana hatreo ny toreo,
Fa ny maty tao am-pasana, tsy tamana ka nifoha,
Tonga manko ilay nandrasana, ny fahaveloman’i Jesoa !

Nofinofiko hono, toa paradisa an-tany
Fa hora-pety lavareny ka tsy hisy fiafarany,
Fa foana teo ny valifaty, tsy tsaroana koa ny lasana
Fa nifoha indray ny maty, ka dia foana teo ny fasana.

Dia nofinofiko ihany ve ka noforonin’ny fisainako ?
Sa mba tena zava-misy ka hampiova ny fiainako ?
Asa lahy raha mahadiso, ny manonofy fihatsarana
Ka tsy hanao ampitso ampitso,.ny tononandrom-piovana.

Ny karemy nanomanana tsy ho nofinofy lahy,
Fa efapolo andro be izao no nanomanako fanahy,
Dia tampon-doha efa ho sola, no nohosorana lavenona
Ary lohalika efa kola nandohalika nanenina.

Dia nandalo fitsapana sy fisedrana maroloha
Tsy kivikivy sanatria fa nialoha lalana i Jesoa
Ny fibebahana hono lahy no hanomanana ny Paka!
Ka ny fiainana am-panahy no tokony hahazo laka.
Dia nihafy sy nitsitsy ho fanampiana ireo sahirana
Nahafoy am-po tokoa sy amy tava miramirana.
Eh ! Ho foana hatreo rafahoriana, ho an’ireo ory tsy havan’ny manana
Fa hifankatia sy hiray hina, hatambatry ny fihavanana.

Fa omaly alina izay, raha namaky ny evanjely
Dia ts’omby tratra ny hafaliako ka tsy hay lazaina velively
Tsy nofinofy sanatria tsy anganongano na arira
Velona i Kristy ! Amen Aleloia ! no noredonina amin-kira !

Dia tsarovy ihany koa ho antsika izay malemy
Nefa efa nohatanjahiny tamin’ny ranon’ny batemy
Fa any andro, any volana, asa, rahoviana izany
Tsy hisy intsony ny olanolana, ka ho foana ny tomany.
Dia hiara-paly isika ka atsaharo ny alahelo
Fa nitsangana ny Tompo tamin’ny andro fahatelo

Dia aoka izay ny adilahy, foano hatreo ny disadisa
Mifankatiava re ry lahy fa izay no paradisa
Amen, Aleloia !

 

Njara Pascal

(Fianarantsoa 27 martsa 2005 Paka)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099