KAREMY : Alarobia fanosorana lavenona

Ny fonareo no rovidrovito!

Manomboka “fomba kristianina handresena ny ratsy” isika anio (1). Famaritana tsotra nefa mahafono ny hevi-dalina fonosin’ny Karemy henontsika amin’ny vavaka fanombohana izany. Inona tokoa moa no antony hanaovana asa fiantrana, vavaka ary fifadiankanina araka ny norenesintsika tamin’ny Evanjely (Mt 1-6.16-18) raha tsy izany! Na dia miverina isan-taona aza ny karemy, dia hamafisin’ny Fiangonana amintsika mandrakariva ny fihavaozam-panahy takin’ny maha-kristianina antsika, amin'ny "fanaovana ny tsara ho fandresena ny ratsy" (Rm 12, 21 ).

Tamin’ny taon-dasa dia nisarika ny saintsika ny Papa handinika manokana ny hevitry ny fifadiankanina sy ny toe-po enti-manatanteraka izany (2). Nahoana isika no mifady zavatra izay ilaintsika ho amin’ny fivelomana sy ho amin’ny fahasalamana? Tsy fitia te hijaly tsy akory, na haitraitra mba hahatsara bika sy hitsitsiana hampahametimety ny toe-karena, fa kosa hanampy antsika handresy ny fahotana sy izay mety mitarika amin’ny ratsy. Misarika ny saintsika ny Papa handinika izay fanamarihana nolazain’i Md Basile, fa voajanahary ho antsika ny fifadian-kanina, ka ny tsy fifehezan-tena hitandrina azy no mitondra amin’ny fahafatesana sy mahatonga ny olona ho andevon’ny ota (Jen 2, 16-17).

Izany famolahan-tena izany no hahazoantsika mahazo ny tena fahamarinana, tian'ny papa halalinina manokana amin'ny hafany tamin'ity taona ity... tsy fahamarianana hanomezana ny anjara sahaza ny hafa ihany, fa fahamarinana, hahafoizana ny an'ny tena mba hampanjaka ny fitiavana....

Ny tena fifadian-kanina ary dia fizorana ho amin’ny fiainana izay nentin’i Kristy ho antsika (Jn 10,10), mba hahazoana valisoa avy amin’ilay Ray mahita ny ao amin’ny mangingina! (Mt 6). Ny fanekena no lalana ho amin’izany, hany ka ny “manao ny sitrapon’ny Ray” no zary sakafo ivelomana (Jn 4, 34). Raha fintinintsika ireo vokatry ny fifadian-kanina ambaran’ny prefasin’ny Karemy amintsika dia mampahatsiaro antsika fa fiomanana amin’ny Paka ny Karemy, izany hoe fizorana ho amin’ny hafaliana (3) ka hanesotra ny faniriana diso tafahoatra mba tsy hiraiketana amin’ny zava-mandalo, (4) hampilefitra ny avonavona sy hampahazo hanina ny mahantra,(5) “hanaketraka ny haratsiana ka hanondrotra ny fanahy ho mendrika ny valisoa mandrakizay” (6).

Tsy sasatra ny Papa mamerina ny tenin’i Md Pierre Chrysologue hoe : "Ny fifadiankanina no fanahin’ny fivavahana, ny famindrampo no ain’ny fifadiankanina. Noho izany, izay mivavaka dia tokony hifady hanina, izay mifady hanina dia tokony hamindra fo ; tokony hihaino ny mpangataka izay te-hohenoina amin’ny fangatahany izy, dia hihaino azy koa Andriamanitra izay tsy malaina hihaino izay mitalaho aminy" (Sermo 43. PL 52, 320.332)

Alao hery ary. Tahaka an’i Md Paoly manentanan ny Korintiana koa izahay (2 Kor 5, 20 – 6,2) no miteny aminareo : ndeha hihavana amin’Andriamanitra ary hiezaka ho tonga fampihavanana (fahamarinana) amin’Andriamanitra, ka ny handrina ekena hosorana lavenona, fa ny fo kosa, torotoro sy manenina amin'ny fahotana vita, feno zotom-po hanatontosa ny fomba masina amin'ny Karemy, ka hanavao ny fiainana hitovy endrika amin’i Kristy tafatsangan-ko velona (7).

-------------------------------------------------------------------------------------------------------

(1) Karemy Taona 2008

(2) Azo jerena eto ny hafatra amin'ny teny malagasy na amin'ny teny frantsay,

(3) Prefasy Karemy I

(4)Prefasy Karemy II

(5)Prefasy Karemy III

(6)Prefasy Karemy IV

(7) Vavaka fanamasinana ny lavenona hahosotra ny handrina (vavaka faharoa)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102