FO MASIN'I JESOA

Alahady fankalazana ny Vatana aman-dRan'i Kristy : jereo eto
Azonao jerena eto ny Biographie Frera Rafaely Loì Rafiringa
sy ny hafatry ny EVEKA mifandraika amin'izany
Fo Masin'i Jesoa o! Matoky anao izahay
Ry Fo Masin'i Jesoa o!
Matoky Anao izahay.

Ankatroky ny hasivian'andro fanomanana ny fetin'ny Fo Masin'i Jesoa isika, sady eo am-piomanana ny fetin'ny Sakramenta Masina, ka tsara ihany ny mitanisa ireo soa sesehena narotsak'ilay Fo Masina ho antsika sy ny Fitiavana nasehony ho famonjena antsika olombelona mpanota. Heveriko fa anisan'ny tsara indrindra amin'ny fanomanana izany ny fiventesana ny litanian'ny Fo Masin'i Jesoa sy ny vavaka fampodian-kaja ny Fo Masin'i Jesoa

Litanian’ny Fo Masin’i Jesoa

 

Tompo ô,
mamindrà fo aminay,

Kristy ô,
mamindrà fo aminay,

Tompo ô,
henoy izahay,

 

Kristy ô,
ekeo ny fangatahanay,

 

Andiamanitra Ray any an-danitra,
mamindrà fo aminay,

Andriamanitra Zanaka mpanavotra ny olona,
mamindrà fo aminay,

Andriamanitra Fanahy Masina,
mamindrà fo aminay,

Andriamanitra tokana olona telo,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, Zanaky ny Ray mandrakazay ô,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’ny Reny Virjiny,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay miray tena amin’ny Tenin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, be fahandrianana indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, Tempoly masin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay itoeran’ny Avo indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, Tranon’Andriamanitra sy varavaran’ny lanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mirehi-pitiavana,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, henika fahamarinana sy fitiavana an’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, feno fahazavam-po sy fitiavana anay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay endrehin’ny hatsaram-panahy rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mendrika ankalazaina indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mpanjaka sy mpitarika ny fo rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, fitoeran’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahaizana rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay isian’ny fomban’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay nankasitrahan’ny Ray indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay iavian’ny soa rehetra ho anay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay nirian’ny Patriarka sy Mpaminany,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, be fandeferana sy famindram-po,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mpanome be izay miantso Anao,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, loharanon’ny fiainana sy ny fahamasinana,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, onitry ny fahotanay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, tototry ny fanevatevana,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, torotoro noho ny helokay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, nanaiky ambara-pahafaty,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, notrebonin’ny lefona,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, loharanon’ny fanalana alahelo rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay nampiaina anay sy nanangana anay ho velona,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay mampiadana anay sy mampihavana anay amin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, sorona ho an’ny mpanota,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, vonjin’izay miankina aminao,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, fanantenan’izay miala aina ao aminao,

Ry Fon’i Jesoa, hafalian’ny Olomasina rehetra,
mamindrà fo aminay,

 

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
hadinoy ny fahotanay, ry Tompo.

 

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
Mamindrà fo aminay, ry Tompo.

 

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
Mamindrà fo aminay, ry Tompo.

 

Mp. / Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po.

 

Val. / Ataovy manahaka ny Fonao ny fonay.

 

Aoka isika hivavaka

 

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, mba tsinjovy ny Fon’ny Zanakao malalanao sy ny fiderana ary ny fanonerana atolony Anao ho anay mpanota.

 

Aoka hampionona ny hatezeranao iznay ary avelao ny helok’izay mangataka ny famindram-ponao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanakao. Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105