ASCENSION

I Jesoa niakatra any an-danitra


Omany ny hiverenan’ny Tompo

I Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray, tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra” (Asa 1,1-11). Fitokisana sy fanantenana no fonosin’ny fiakaran’i Kristy any an-danitra. Izy izay nampanantena ilay Mpanafaka alahelo ho an’ireo mpianatra, ka ny fanirahana history ny Vaovao Mahafaly amin’ny voaary rehetra, dia mainkina amin’izany fanomezam-pahasoavana izany (Mk 16, 15-20).

Izay mino ka atao batemy no ho voavonjy! Dia mazàna lasa adihevitra ny batemin-jaza! Angamba tsy etoana no hanazavantsika ny antony hanaovana batemy ny zaza sy ny fampianaran’ny Fiangonana momba izany, fa ny andehanan’ny saiko fotsiny dia hoe : mino avokoa ve izay vita batemy? Ireo famantarana homba izay mino lazain’ny Evanjely toa tsy hita taratra firy intsony eo anivon’ny fiaraha-monina! Angamba mahalaza zavatra betsaka ny voalazan’i Md Marka momba an’i Jesoa tao an-tanindrazany! (Mk 6, 5-6)

Mampametraka fanontaniana antsika izany ny amin’ny hevitry ny finoana marina sy ny fomba hivelomantsika ny finoana. Isan-kalahady isika manavao ny fiekem-pinoana, rindran-teny mirakitra ny fotopototry ny finoana : Andriamanitra tokana olona telo sy ny Fiangonana fiombonan’ny olomasina…  saingy manao ahoana kosa ny fampiarantsika izany amin’ny fiainana.

Ny fanandratana an’i Kristy ho eo an-kavanan’ny Ray dia loharanon-kafaliana ho an’ny mpino satria mamelona ny fanantenana fa hanaraka ny loha sy filoha ny Fiangonana tena sy ratsambatana. Mampametra-panontaniana ihany izany, tahaka ny fifampizarana tamin’ny herin-taona hoe : Misy ve ny lanitra? Ary raha hinoantsika tokoa, maniry ny ho any ve isika?

Ny faniriana ny ho any an-danitra kosa dia mampiova ny fiainana manontolo. Indraindray anefa hadinontsika fa ny fifamelan-keloka no fanalahidy hihainana ny hasambaran’ny lanitra. Ataontsika ahoana tokoa moa, raha tsy mahavita hamela ny heloky ny olona nanao ratsy antsika isika, no hiara-tsambatra aminy any an-danitra? Sa hivavahantsika ho very any amin’ny afobe avokoa izay tsy lanilanin’ny vavonintsika?

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ka raisintsika olombelona sy ampamokarintsika amin’ny fiainana ny finoana. Tsy mampihena ny andraikitsika olombelona tsy akory ny fahasoavan’Andriamanitra, ary tsy afa-mirehareha ho mahavita azy isika satria raha tsy Izy, tsy mahavita na inona na inona isika (Jn 15, 1-8).

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0336