Alahady fankalazana ny Trinite Masina


Antsoin’Andriamanitra
hiray fianakaviana aminy isika

trinit.jpg

Azonao jerena eto ny Biographie Frera Rafaely Loì Rafiringa sy ny hafatry ny EVEKA mifandraika amin'izany

Ho anao ny dera, ho anao ny voninahitra, ho anao ny Fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina! Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitry ny Hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra! (jereo eto ny sapilen’ny Trinite Masina).

Mistery fototry ny finoantsika ny misterin’Andriamanitra tokana olona telo. Amin’ny maha-foto-pinoana azy izany dia foto-piainana ihany koa. Efa nifampizarantsika teto ny fiantraikan’izany finoana ny maha-Trinite an’Andriamanitra izany… Tsy finoanoam-poana sanatria na finoana Andriamanitra maro fa finoana an’Andriamanitra tokana (jereo eto).[1] Indraindray anefa toa tsy mampiraika antsika avy ny fandalinana iznay Mistery iznay, ary vokatr’izany dia mampiozongozona ny finoantsika ny fanambarana tsara lahatra ataon’ny antokom-pinoana sasany, mitsara antsika ho minomino foana satria manompo Andriamanitra maro…

Ny Evanjely ankalazain’ny Fiangonana amin’ity Fetin’ny Trinite Masina ity dia manambara mazava ny iraka (missio) nomen’i Jesoa ny Mpianany : “Mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28, 16-20). Vokatr’izany fiekena ny batemy izany ny fitandremana ny didim-pitiavana ary raha mpandova miaraka amin’i Kristy isika, hoy i Md Paoly (Rm 8,14-17) dia aoka ho mpandova marina! mba tsy ho zanak’Andriamanitra anarany fotsiny. Mba rariny kosa ve moa, raha te handova ny Fanjakan’Andriamanitra isika nefa tsy te hisikim-ponitra hanitatra izany fanjakany izany, amin’ny toe-piainantsika?

Ny Fahatsapantsika ny maha-zanak’Andriamanitra antsika dia manova, ary tokony hanova ny fomba fiainantsika. Tsy ho amin’ny tahotra intsony, sanatria, hoy i Md Paoly, fa am-pitiavana. Ny maha-zanaka dia manambara fitovizana, tsy amin’ny toetra ihany fa ara-boajanahary. Tsy hisy kisoa hanatody ka hahafoy akoho kely, fa raha sanatria misy izany dia lazaintsika hoe sampona! Na ny olona aza! Tsy afaka hanangana apondra ho mpandova azy fa raha sanatria misy iznay, lazaintsika ho misy fahavoazana! Fa nahoana Andriamanitra no manaiky hanangana antsika ho zanany? Nefa isika izay olombelona marefo kely ity?

Ny Fitiavana no itovizantsika amin’Andriamanitra! Fitiavana Izy, hoy i Md Joany (1 Jn 4, 16) ka izay mitoetra ao amin’ny fitiavana no itoeran’Andriamanitra! Indraindray anefa tsy tsapantsika izany fitiavan’Andriamanitra izany! Ao anatin’ny mangidy sy ny fahoriana dia midradradradra isika hoe : niangatra Andriamanitra! Dia adinontsika fa i Kristy no lalana hitondra antsika amin’ny fitiavana marina.[2] Dia aleontsika mampitaha ny fiainana amin’izay iainan’ny hafa! Dia misosoka mangina ny fitiavan-tena! hany ka tsy afaka hifaly amin’ny fahasoavana tsy miantefa amintsika isika! Nahoana no “izy” fa tsy izaho!!!

Ampahatsiahivin’ny vakiteny I anefa, fa ny famisavisana ny fahasoavana noraisintsika, dia miatomboka amin’ny famisavisàna ny andro fahagola! Hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona (Det 4, 32-40) ka hahafahantsika mifaly amin’ny fanomezany, tsy ho antsika ihany fa ho an’ny olombelona rehetra mihitsy!Anisan'ny mampisaotra antsika manokana ohatrany nahazoantsika ny olontsambatra Raphael Louis Rafiringa ho modely halaintsika tahaka.

Ny Fetin’ny Trinite Masina araka izany dia mampitodika antsika bebe kokoa amin’ny Misterin’ny Fitiavana, ka hampisokatra ny fo amam-panahintsika hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra satria ao ao Aminy amin’ny alalany sy amin’ny anarany no hivelomantsika sy hivondronantsika rehetra ho fianakaviana iray, tsy isika samy isika ihany, fa Fianakavian'Andriamanitra!

Ny Fitiavanao anie ry Tompo! ho aminay matoky Anao! (salamo 32)

--------------------------------------------

Vavaka manokana fiderana ny Trinite Masina (jereo eto ny sapilen’ny Trinite Masina).


[1] Azo jerena koa ny fandalinana tsotsotra ny Trinite Masina noraiketin’i Roublev an-tsary (jereo ity sy ny blaogy manaraka azy)

[2] Azonao halalinina (amin’ny teny italiana, mbola am-pandikana amin’ny teny malagasy izahay izao) ny taratasy ho an’ireo mpikaroka an’Andriamanitra nosoratan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka any Italia, momba ny hevitry ny fijaliana mianjady amin’ny tena. Quale felicità? Pejy faha-6. Jereo eto

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095