ALAHADY FAHATELO AMIN'NY KAREMY TAONA B

TSY MAMELA HIPETRA-POANA
NY FITIAVANA AN'ANDRIAMANITRA

 

Mizotra ho amin'ny Hafalian'ny Paka isika, mitozo amin'ny Fifadian-kanina sy ny vavaka ary ny asa fiantrana izay fanafody amin'ny fahotana (vavaka fangatahana). Tsy azo adinoina araka izany ny lalana efa nizorana : Manoloana ny fakam-panahy mahazo antsika dia voaantso ho amin'ny fibebahana lalandava isika (alahady I). Ireo sakramenta nisalorantsika ny akanjo fotsy manjelatselatra no anisan'ny fomba namaliantsika izany antso izany (alahady II). Tsy hafinaretana araka ny nofisin'i Md Piera anefa izany, ka hanorina lay eo fa fisikinam-ponitra hitandrina ny Didy izay mamintina ny adidy aman'andraikitra miandry antsika amin'ny tokony hitiavana an'Andriamanitra sy ny namana, (Eks 20, 1-17) izay noporofoin'i Kristy sy nambarany antsika amin'ny Misterin'ny Hazofijaliana izay fanafintohinana sy fahadalana raha tsy eo ny finoana (Vakiteny II I Kor 1,22-25).

Misy ny fotoana hilazantsika ny fahalavorarian'ny lalan'ny Tompo... hametsoventsointsika fa mamy ny mitandrina ny Teniny, irìna noho ny volamena mihavosa...(salamo 18). Saingy mampitandrina antsika i Jesoa mba tsy ho zary fanararaotana ho amin'ny tombontsoa manokana ny maha-mpiangona : "Aza ataonareo trano fivarotana ny tranon'ny Raiko" (Evanjely Jo 2, 13-25).

Zavatra roa no tiako hozaraina amintsika. Mila diovina mandrakariva ny toe-po sy ny antony mahatonga antsika ho any am-piangonana. Mazàna ny Mpanao politika no hampangaintsika ho mampiasa ny fiangonana handrombaham-pahefana na hifikirana amin'ny Fitondrana (Ny mampalahelo aza dia toa andranitana ady ara-potopinoana ny fitadiavana ny maharimaritra iraisana hiadanan'ny vahoaka!) Saingy isika tsirairsay avy no mila manontany tena hoe : fa nahoana tokoa moa aho no mankany am-piangoanana? (Ary raha tsy mazoto ho any koa, fa maninona no tsy ho any!) Izay fahamatoram-panahy izay no manampy antsika hizotra amin'ny tena fibebahana marina.

Ny faharoa manaraka izany dia ny fanadiovantsika ny tenantsika, izay natokantsika ho Tempoly honenan'Andriamanitra tamin'ireo Sakramenta noraisintsika. Tsy mila enina amby efa-polo taona ny handrafetana azy fa telo andro monja, satria tsy tempoly harafitry ny fahaiza-manao amim-pahalalan'olombelona no sitrak'Andriamanitra fa Tempoly mirafitra araka ny Fanahy, ary miandrandra ny Famonjena eo am-pibanjinana ilay nasandratra teo amin'ny hazo (alahady IV), mba ho araka ny nolazain'i Md Paoly hoe "Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany (I Kor 1, 31) satria tsy tokony hanana rehereha hafa afa-tsy ny hazofijalian'i Kristy isika (Gal 6, 14), fa raha samy mandini-tena marina dia ny fahalemena no hireharehana (2Kor 12,5).

Tsy midika fialangalanana amin'izay mety ho andraikitry ny tsirairay amin'ny fanamasinan-tena anefa izany sanatria, na ho fanivaivana ny asan'ny Fanahy mampamokatra ny fanomezam-pahasoavana raisin'ny tsirairay, ka hanomezan-tsiny an'Andriamanitra ho tsy nanome fahasoavana sahaza ho an'ny tena. "Efa narotsaka ao am-pontsika tamin'ny Fanahy Masina nomena antsika ny Fitiavana" (Rom 5,5) ka adidintsika ny mampamokatra izany. Izy ilay mahalala ny ao am-pontsika ary nanaiky ny hirafetantsika eo aminy, hiforona ho Tempoly Masina ho an'ny Tompo (Ef 2, 21).

Izao Fotoanan'ny Karemy izao ary, izay fotoana fihavaozana ara-panahy, hanararaotantsika hanomezana hasina ireo toky nomentsika tamin'ny Sakramenta isan-karazany, ka hitokisantsika ilay Herin'i Kristy tafatsangana izay afa-mandrafitra antsika anatin'ny hateloana ho Tempoly hankalazana ny Anarany, raha manaiky hiara-maty aminy ny amin'ny fahotana isika ka hiaraka handresy aminy (Vakio Kolosiana 3 : Ny Fiainam-baovao mendrika ny maha-Kristiana)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106