Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo, Taona D

Matokia, mifalia fa mpamonjy Andriamanitra

Ny vavaka fangatahana amin'ny Sorona Masina dia manambara ny tebitebintsika amin'ny lalam-pahamasinan-tena : midodododo mitsena an'i Kristy nefa matahotra ho voasakantsakan'ny asa aman-draharaha eto an-tany! Dia mety hilaza isika hoe : fa angaha tsy azo atolotra ho asam-pamonjena ny kenonkenona manahirana isan'andro! Eny saingy araka ny hanazavan'ny prefasy Karemy II hoe : na miondrika mampiasa ny zava-mandalo aza, dia hiraiki-po amin'ny maharitra mandrakizay.

Ireo anarana hiantsoana ny olom-boafidy dia manambara ihany koa ny fomba hiainantsika ny finoana hoenti-mitsena ny Mesia ho avy : "Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka"[1], manambara ny fahatahorana an'Andriamanitra, satria tokoa manko ny fiainantsika ny fahamarinana no mampamokatra ny fiadanana, ary ny fiamboniana tokony hireharehantsika dia ny fitokisana amin'Andriamanitra, aseho amin'ny vavaka.

Amin'ny litorjia anio, dia nosafidiana manokana amin'ny fiangonana misy anay ny labozia mena, harehitra avy amin'ny afon'ny labozia volom-parasy (jereo alahady 1 D Fiaviana) , ho entina manambara ny dingam-piainana tsy maintsy holalovana mba hankalazana ny fahaterahan'ilay Mpamonjy. Loko mena hanehoana ny finoana, araka ny  antso avo nataon'i Jesoa hoe : "Mibebaha ary minoa ny Evanjely" (Mk 1, 15). Araka izany, ny fibebahana dia mitaky finoana, finoana ny Evanjely, finoana izany lazain'i Kristy sy ireo voalaza momba an'i Kristy.  Amin'ny litorjian'ny Fiangonana dia entina mankalaza ny Fanahy Masina, ny ijalian'ny Tompo, ny Martiry ary ny Apostoly ny loko mena, hilazana fa isika, entanin'ny Fanahy Masina dia voaantso haka tahaka an'i Kristy Mijaly sy voafantsika ho  Sorom-panavotana ho antsika, ka hahafoy hatramin'ny aina aza, mba ho Vatofototra hiorenan'ny Fiangonany.

Ny Finoana manko no ilay voatsinapy, lazain'i Jesoa, nafafy ao am-pontsika tamin'ny Fanahy Masina nomena antsika, ka miandry valiny avy amintsika sy manohana antsika amin'ny lalam-pibebahana sy fanamasinan-tena. Raha ny fihaonana tamin'i Jesoa no nanosika antsika hibebaka sy hiroso amin'ny fiainam-pinoana, dia ny finoana kosa indray no manampy antsika hivelona araka ny Evanjely ka handalina momba ny misterin'i Kristy sy hiezaka haka tahaka azy amin'ny zavatra rehetra.

Ilay labozia volom-parasy koa anefa, mitohy mirehitra ihany, manambara amintsika fa voaantso amin'ny fibebahana maharitra isika, mba hadio sy tsy hanan-tsiny mandra-piavin'ny andron'i Kristy (Vak II Fil, 1, 4-11). Izany fibebahana izany dia asehontsika amin'ny fitiavam-bavaka sy ny asa fandavan-tena amam-pitiava-namana isan-karazany, indrindra amin'ny fifampitondrana am-bavaka tahaka ny nataon'i Md Paoly ho an'ny Filipianina, mba ho feno ny vokatry ny Fahamarinana, dia ny Fiadanana, araka ny voalazan'i Baroka Mpaminany (Vak. I).

Ny antso avon'i Joany ho amin'ny Batemim-pibebahana ho famelan-keloka dia manasa antsika hidina ao Jordany, amin'ny fanetren-tena izay tsy fitanisana loatra ny halemen'ny tena, izay tahaka ny ahitra antsaha (Iz 40, 7) fa fiderana kosa ny hatsaram-po amam-pahefan'ilay Manao zava-mahagaga ho antsika (Lk 1, 46-55), satria izy ihany no nandravona ny lalan-kizorantsika mba handehanantsika tsy ho voasembantsembana ho an'ny voninahiny! (Bar 5, 7), satria i Kristy rahateo no Lalana, ka ao aminy ihany no hahafahantsika mizotra mankamin'ny Ray.



[1] Fitiavam-bavaka moa no handikana ny teny Theosebeìas (piété), fahatahorana an'Andriamanitra

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1879