Alahady Fahaefatra fankalazana ny Paka

I Jesoa Mpiandry ondry tsara

http://farm4.static.flickr.com/3662/3494567623_8d00df359a.jpg

I Kristy nitsangan-ko velona no fototry ny finoantsika (I Kor 15, 14) sy ifotoran’ny fitoriana kristiania. Izany no Vaovao Mahafaly, mandrehidrehitra ny fo, mamelona ny fanantenana. Ny hahafantatra Azy no tanjona. Nambaran’i Md Lioka fa teo am-pamakiana ny Mofo no nahafantaran’ireo Mpianatra roalahy ny Tompo tafatsangan-ko velona (Alahady faha-telo Paka). Mampiseho amintsika ny Mistery fonosin’ny Eokaristia ankalazaintsika izany : – Ny faniriantsika hahita ny Tompo tafatsangana, eny fa na dia sembanan’ny hakiviana sy ny fahadisoam-panantenana aza izany, – ny finoantsika ny teniny sy ny fahatsapantsika fa mamy ny miara-monina mainy, na dia olona misary vahiny maniry hiara-dalana amintsika aza; – ny fitiavana mameno ny fo rehefa avy nihaona aminy ka maimay fo hitory Azy amin’ny mpiara-belona.

Ny fiekem-pinoana nambaran’i Md Piera dia mametraka an’i Kristy ho fototry ny famonjena, ka hiekentsika fa ny soa vitantsika dia tsy misy ireharehantsika. Ny fahatsapana ny herin’i Kristy miasa sy mambomba antsika no vokatry ny Paka. Ny fahatsapantsika fa zanak’Andriamanitra isika no tokony ho faratampon’ny fahasambarantsika, eny fa na dia tsy mbola naseho aza izay tena toetrantsika. Ny fiainantsika araka ny maha-zanak’Andriamanitra antsika manko dia miankina amin’ny fahafantarantsika an’Andriamanitra.

Iza i Kristy ho antsika? Aiza no toerana asiantsika an’Andriamanitra amin’ny fiainantsika? Ambaran’ny Evanjely fa “maneho ny tenany ho mpiandry ondry tsara” i Kristy. Mazàna isika no mitsikera ny Mpiandry ondry nanankinan’i Kristy ny Fiangonany (jereo eto sy eto) ka tsy mahatsiaro akory ny mivavaka ho azy ireo, fa indrindra ny mivavaka mba ho maro no vonona hahafoy ny zavatra rehetra ka hanaraka an’i Kristy amin’ny Fiainana voatokana fa indrindra amin’ny laharana maha-pretra.

Ampahatsiahivin’ny Papa amin’ny hafatra nosoratany ho amin’ny andro hivavahana ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra (jereo eto amin’ny teny Frantsay) fa adidy masina ny mivavaka mba hatoky Azy Tompo ny Mpino, ka ilay Tompom-bokatra hiantso olona hiara-miasa aminy ho famonjena izao tontolo izao. Tsy misy afaka hiambo hamaly izany antso izany amin’ny herin’ny tenany manokana koa anefa, na dia an-kahalalahana sy am-pitiavana aza no hamaliana ny antso, ka mila mitoky tanteraka amin’i Kristy isika, mahatsiaro ho navotany, hivavaka ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra, hanohana ireo voaantso ary hanampy ny tanora haheno ka hamaly tsy amin-tahotra ny antso, ho vonona hanolo-tena tanteraka ho an’i Kristy, ao amin’i Kristy sy miaraka amin’i Kristy.

Miantso antsika manko i Kristy, mahalala antsika tsirairay Izy, saingy isika indraindray no tsy mahalala na tsy te hihaino ny feony. Lalàm-pahamasinana ny famaliana ny antso, ka isika tsirairay no hifanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra, tsy hitady tany malemy hanorenam-pangady sanatria, fa hisikim-ponitra hitory an’i Kristy tafatsangana…

Saingy tsy azontsika hadinoina fa tsy afaka hitory an’i Kristy izay tsy mbola tafahaona taminy!!! Ho fihaonantsika aminy ho antsika tokoa anie Eokaristia.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011