Alahady fahaefatra amin'ny Karemy Taona B (Laetare)

TIA ANTSIKA MPANOTA NY RAY

Hadalana ho an’ny olombelona, fa ho an’izay voaantso dia fahendren’Andriamanitra ny Hazofijalian’i Kristy” (Vakiteny II I Kor 1,22-25 alahady III Karemy). Dia mandini-tena ihany isika hoe : isan’andro, isaky ny manao famantaran’ny Hazofijaliana, inona no dikan’izany ho antsika, raha toa ka, ny hariva manao jery todika ny andro nodiavina, mahatsapa fa maro ny hazofijaliana natolotra antsika mba hitiavantsika bebe kokoa , saingy nolavintsika.

Ambaran’ny Evanjely amintsika androany kosa anefa fa izay mino ny Zanak’olona voasandratra teo ambonin’ny Hazo dia tsy ho very, fa hanana ny fiainana mandrakizay (Jo 3, 14-21). Dia lasa ny saina mandinika hoe : inona moa ny Finoana? Ahoana no hahalalana fa mino ny olona iray? Ny finoana, hoy i Md Paoly dia tsy misy hireharehantsika satria fanomezana avy amin’Andriamanitra (Efez 2, 4-10), ary izay nandray (samy nahazo izany isika rehetra manko, saingy tsy ny rehetra no nandray azy) izany fanomezana izany dia mizotra amin’ny hazavana.

Samy mahatsapa anefa isika fa indraindray koa maniratsira ireo fananarana azontsika mba hanitsiana ny fiainana araka ny sitrak’Andriamanitra (Vakiteny I 2 Tant 36, 14-23). Mety nandalo lalantsarotra sy sesintany tahaka ny vahoaka voafidy, vokatr’izany. Saingy mahatsapa mandrakariva, fa ny hasambarana dia ny mitoetra an-tanindrazana (Sal 136) ka tsy hahita fahalemana ny fo raha mbola an-tsesintany : atao ahoana no hihira ny hiran’ny Tompo an-tanin’olona?

Saingy na ety an-tsesitany aza isika, eny am-pizorana ho any an-tanindrazana, dia efa misantatra sahady ny fihirana ny Amen! Aleloia!, hoy i Md Augustin, ary entanin’ny Litorjia manokana androany hahatsiaro fa fifaliana (Laetare) ao amin’ny Tompo ny fiainana maha-kristiana.

Izay mino dia mandray ny fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny haizina, ary ambaran’i Md Joany mazava fa izay tia ny rahalahy no mitoetra ao amin’ny fahazavana (1 Jn 2, 10). Mety ho fihaonan’ny hazavan’i Kristy amin’ny rahona maizin’ny fahotantsika anefa izany, saingy tsy mampanahy raha matoky isika fa tonga hamonjy antsika no nahatongavan’i Kristy. Amin’izay dia ho zary avana ny fihaonantsika aminy (alahady I). Mazava loatra fa mifototra amin’ny fiekena fa manankarena amin’ny famindram-po Andriamanitra, noho ny halehiben’ny fitiavana nitiavany antsika mpanotaEfez 2, 4-10). (Vakiteny II

Isika main’ny adim-piainana, reraky ny ady, miaritra ny tsy sarin sy ny hitsiny, mitondra sy mampitondra hazofijaliana ny hafa! Tahaka ireo voakaikitry ny bibilava tany an’efitra, tamin’ny andron’i Moizy, dia hibanjina an’i Kristy mifantsika. Isaky ny mibanjina ny Lakroa isika, fa indrindra isaky ny manao ny famantaran’ny hazofijaliana, dia tokony hampitombo ny fitiavan’ilay maty mba hisolo voina antsika, ka haka tahaka Azy, hitondra ny hazofijaliantsika, hoenti-manaraka Azy, ho enti-mitia araka ny didiny.

Izany no mampisy hasiny ny fijaliana mety tojo antsika ka tsy maintsy hiaretantsika mba hitiavana, eny fa na dia handavana ny tombontsoan’ny tena manokana aza, satria tsy misy manana fitiavana lehibe kokoa noho izay mahafoy ny ainy ho an’izay hotiaviny (Jn 15, 13). Ho zary antso hitiavantsika bebe kokoa hatrany anie ny Lakroa, hanomana antsika ho amin’ny hafalian’ny Paka, hifady hanina, hivavaka sy hihantra ireo osa kokoa noho isika, fa indrindra amin’ny fandraisana anjara amin’ny sorona izay loharanom-panafody maharitra mandrakizay ka tsy hikatsaka afa-tsy izay mendrika sy mahafaly an’Andriamanitra Avo indrindra (Vavaka fanolorana sy aorian’ny Komonio).

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103