Alahady faha-enina fankalazana ny Paka

TSY MIFIDY OLON-KO TIAVINA ANDRIAMANITRA

 

 

Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Alahady faha-5: Jn 15). Manoloana izany fiombonana amin’i Kristy tsy azo hodivirana izany dia misalasala ihany ny tena manoloana ny zava-misy hatrehin’ny olona : arakaraka ny fahatsapana ny fahalemena sy ny fiharatsian’ny fiaraha-monina, toa miha-mampatahotra isan’andro, no vao mainka manosika ny olona hanalavitra an’Andriamanitra sy ny Fiangonany… Indraindray koa toa zary fahazarana ihany ny mivavaka, ka na izay tiana hangatahana amin’Andriamanitra aza toa tsy tonga ao an-tsaina akory, mainka moa fa izay valin-teny sy hafatra tian’Andriamanitra ampitaina amintsika.

Ambaran’i Joany amintsika anio fa didy no tokony hifankatiavana (Jn 15, 9-17). Tsy hifankatia araka izay heverin’ny tena anefa na araka ny fomba amam-pmanaon’ny tontolo manodidina, fa araka ny ohatra navelan’i Kristy. “Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra” hoy i Md Joany (Vak II 1 Jo 4, 7-10), ary izay tsy tia dia tsy hanana hafaliana lavorary na oviana! Izay mitandrina ny didim-pitiavana ihany manko no hitoeran’ny Hafalian’i Kristy, izay mandavorary ny hafaliantsika.

Mety hampandinika antsika izany ny amin’izay mety ho loharanon-kafaliana ho antsika. Mazana tokoa manko, araka ny nampahatsiahivin’ny Papa antsika tamin’ny Krismasy lasa teo Jereo eto), mandany vola hanomanam-pety mba hahazoana hafaliana fa tsy hoe tsy akory dibo-kafaliana ka mahafoy hanaovam-pety… Ny tena fitiavana marina, looharanon-kafaliana manko, dia ny fahatsapana ny tsy fahamendrehana sy ny maha-tsinontsinona antsika, saingy notiavina, navela heloka, navotana.

Ny tsy fahatsapana izany indraindray no mahatonga antsika hisalasala amin’ny mety ho fibebahan’ny hafa! Tamin’ny alahady heriny isika nihaino ny tahotr’ireo Mpianatra tao Jerosalema izay nihaihay  ny mety ho fibebahan’i Md Paoly (Asa 9, 26-31). Anio koa naheno ny tantaran’i Kornely sy ny nibebahan’ny Jentily… (Asa 10, 25-48). Raha mahatsiaro ho nohasoavina manko isika dia tsy hisalasala hino fa raha tsy ny fahasoavany, tsy mahefa na inona na inona isika… hany ka tsy misy tokony hireharehana izay soa mba mety ho vita. Kanefa indraindray, na mazàna mihitsy aza, toa zary fitaovana hanebahana azy ny falemen’ny hafa, hany ka mananosarotra ny fandresena ny avonavona mba hahafahana mifaly amin’ny hafa, noho ny soa azony… tahaka ilay zokin’ny zaza mpandany (Lk 15).

Tsy fanaovana ariary zato am-pandriana sanatria na hitadiavana tany malemy hanorenam-pangady ny filàna fahasoavana… Izay voafidy manko dia voairaka koa (Evanjely), hany ka tsy maintsy hampamokatra ny Fitiavana nafafin’ny Fanahy Masina ao am-pony.

Hezahantsika ary ny hiaina araka ny nitiavan’i Kristy antsika. Araraotina amin’izany ny mampahatsiaro ny sakramentan’ny Fanambadiana, hifanoloran’ny Mpivady fitiavana, ho sakramenta, manambara ny fitiavan’i Kristy ny Fiangonana… Ka hisy fanabeazana manjary tokoa moa ve raha sanatria ka ny Fianakaviana no tsizarizary? Mampalahelo anefa fa maro ny fianakaviana no miady kitrana,  ary tsy mahatsiaro intsony fa ny fisian’Andriamanitra eo afovoany ihany no fanafody hivoahana amin’izany : ny fiaraha-mivavaka. Satria Izy Tompo no nilaza fa na aiza na aiza hiangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarany, dia eo afovoany mandrakariva Izy (Mt 18, 20).

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151