ALAHADY FAHA-30 MANDAVANTAONA TAONA B

 INONA NO TIANAO ATAOKO AMINAO?

Miverimberina matetika ity fanontanian’i Jesoa ity : “Inona no tianareo ataoko ho anareo!” Ireo Zanak’i Jebedeo roalahy, nangataka ny ho eo an-kavanana sy ho eo an-kavia any amin’ny Fanjakany (Mk 10, 31-45). Anio kosa indray, ilay Jamba, zanak’i Time, nangataka ny mba hahiratra indray (Mk 10, 46-52). Tsy teraka jamba tahaka ny voalaza ao amin’i Joany (Jn 9,1) anefa i Bartime fa olona manana ny maha-izy azy. Amin’ny fitalahoany amin’ilay zanak’i Davida dia mahalasa ny saina ihany ny kilalaon-teny ataon’i Marka mitantara amintsika ny zava-nitranga.

Raha “olona tsongoin’olom-bolo” no azo andikana malalaka ny hoe Time, dia mazava loatra araka izany fa olona manana ny maha-izy azy i bartime, saingy jamba, tsy  afaka ny hahita izay lalan-kombana. Raha lalaina, malala na notiavina no azontsika andikana ara-bakiteny ny hoe Davida dia mazava loatra izany fa ilay “zanaka notiavina” kosa no tonga nanasitrana. Azo tsoahina main’iznay fa tsy ny vola man-karena na ny laza amam-boninahitra no hahazoana ny famonjena fa ny fitiavana irery ihany. Izany fahambonian’ny fitiavana izany dia mifameno amin’ny finoana enti-miandrandra ny famonjena : “ny finoanao no nahavonjy anao”.

Raha zohiana ny tantara, tsy misy valisoa maimaim-poana tsy akory. Ireo zanak’i Zebede (Nomenjanahary) roalahy, mba hipetraka eo an-kavanana sy an-kavia dia nampiomanin’i Jesoa hisotro ny Kalisy sy hisedra ny batemy… ny zanak’i Time (tsongoinolombolo) kosa toa tsy notakiany na inona na inona! Satria nahoana?

Raha isika samy isika ary no mandinika, miangatra ve Andriamanitra no dia manao toy izany? Samy famonjena ihany no tadiavina. Dia lasa ihany koa ny saina! Sao variana miady hevitra amin’izany, saingy raha mba izaho moa no mahita an’i Jesoa mandalo, inona no mba angatahiko aminy? Inona no faniriana lalina ao anatiko ka iriko fanafahana avy aminy? Na inona no faniriako sy mba vinavinam-piainako tiako hotanterahiny?

Dia eo no hahatsapantsika fa misy amintsika no tahaka an’ireo zanak’i Zebede, misy no tahaka ny zanak’i Time. Ao ireo mbola tsy nisedra ny fiainana ka maniry ny tsaratsara kokoa… mampitandrina Izy Tompo fa misy ny androm-pisedrana… haintsika tsara ny hira Raha tsy miharitra ny fahoriana isika tsy hiditra ny fanjakan’Andriamanitra, saingy tsy mora ny mitadidy izany rehefa sendra ny mangidy tsy telina sy ny mafy tsy laitra. Ao kosa ireo efa niharitra ny tanin’anndro fahavaratra, niandry  hatry ny ela ny fandalovan’ilay zanak’i Davida, ka tsy miambahamba intsony midradradradra vantany vao mandre fa mandalo izy! Indraindray adinontsika fa io fiandrasana io dia mangirifiry, saingy efa noraisin’ny Tompo ho porofon’ny finoana lalina, ka tsy hilana intsony ny fisotroana ny kalisy sy ny sedran’ny batemy!

Anjarantsika tsirairay ary ny mamolavola izay tiantsika marina tokoa hangatahina amin’izy Tompo. Na isika miara-dalana aminy  hiakatra an’i Jerosalema, tahaka ireo  Apostoly Zanak’i Zebede, na isika toa lavitra azy, tsy mahita ny lalan-kombana, ka mamonjy ny sisin-dalana mba handre ny feon’ireo miantsoantso ny fiaviany… Mitaky finoana avokoa izany. Izy no ilay Mpisorombe mahalala ny manjò antsika (Heb 5,1-6) ka afaka mangoraka ny fahalementsika, saingy manavotra antsika kosa ho zary loharanom-pisaorana ho an’ny olon-drehetra (sal 125) fa Ray kosa ho antsika Israely nofinidiny (Jer 31, 7-9).

Iza i Kristy ho antsika? Mazava loatra fa arakaraka izay hieverantsika Azy no hiandrandrantsika ny famonjena avy aminy!

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106