ALAHADY FAHA-29 MANDAVANTAONA TAONA B

 FANAHAFANA AN'I JESOA NO MAHA-KRISTIANINA
 
 
"Izay te ho lehibe aminareo, aoka izy hanompo ny rehetra, ary izay te ho voalohany, aoka izy ho andevon'ny rehetra". Tsy Didy tsy akory izany fa sori-dalana, natao ho an'ireo nisafy an-tsitra-po ny hanaraka an'i Kristy. Ho an'ny tena Kristianina manko dia tsy ny fahafahana manao zavatra no inona fa ny fahaizana mitia... Ny fitiavana no hitsarana antsika. Ny  batemy horaisina dia lalana mitondra amin'ny fitiavana, ny Kalisy hosotroina  dia sedram-pitia ihany, saingy ambaran'i Jesoa mazava fa fahasoavan'Andriamanitra izany, mialoha ny zavatra rehetra.
Tsy misy afaka mirehareha amin'izay zava-bitany araka izany. Izay mahafantatra ny tenany dia mazàva loatra hahafantatra ilay hery miboika ao anaty ka manome hery ilay "Mpanompo mijaly", nanaiky hatramin'ny fara-fofonaina, lazain'i Izaia Mpaminany. Niaritra ny mafy tamin'ny zavatra rehetra, mba ho tonga Mpisorombe mangoraka ho antsika.
Ilana fitokisana anefa izany, mba ahazoana ny famonjena amin'ny fotoana hilana izany, hoy ny Taratasy ho an'ny Hebrio. Izany fitikisana iznay no mila havaozintsika isan'andro, satria miankina main'ny fahafantarantsika an'i Kristy sy ny antony hanarahantsika dia Azy.
Ny tsirairay ary no manontany tena ny antony maha-kristianina azy, samy hametraka fanontaniana amin'ny tenany hoe: raha mba izaho no tamin'ny toeran'i Jakoba sy Joany, inona no mba nangatahiko tamin'i Jesoa, ary inona no antony hangatahako iznay???
Moramora manko ny manome tsiny ny hafa, sahy mamboraka ny ao am-pony, na dia samy mieritreritra sy mikatsaka izany daholo ihany aza ny tsirairay avy.
Alaontsika tahaka ary i Kristy, ary hiezahontsika ny handini-tena marina tokoa raha fanarahan-dia azy no mameno ny fontsika na fikatsahana tombontsoa hafa ankoatra ny hitia bebe kokoa, ka hampanjaka ny fitiavana.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017