Zoma Manaraka ny Alahady Faharoa Pantekoty : Fankalazana manetriketrika ny Fo Masin'i Jesoa

sacro_cuore.jpg
Ry Fo Masin'i Jesoa o!
Matoky Anao izahay.

Ny Fankalazana ny Fitiavan'Andriamanitra nasehon'ny Fo Masin'i Jesoa antsika dia andro tsy manampaharoa ho antsika hanavaozana ny zoto-po hanamasin-tena ary tsy hoe kisendrasendra no nanokanana ity andro ity ho fanamasinan-tenan'ny Pretra.

"Ry Fon'i Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po, ataovy manahaka ny fonao ny fonay". Izany no vavaka ataontsika matetika ho fanajana sy fangataham-pahasoavana amin'ny Fo Masin'i Jesoa. Tsy vokatry ny sentosentom-po anefa izany fa araka ny hafany ho antsika ihany : "Nomeko ohatra ianareo mba hanaovanareo tahaka ny nataoko taminareo" (Jn 13, 15).

Tsy mihanona amin'ny fahendren'ny Ntaolo fotsiny araka izany ny fifankatiavana Kristiana. Tsy mihanona amin'ny hoe tia ny namana tahaka ny tena. Mihoatra izany satria ho tia ny namana tahaka ny "hitiavan'i Jesoa". Tsy ny tena sy izay mety ho fanendreny araka izany no handanjalanja izay tokony hatao. Ao amin'ny Fon'i Jesoa no hakantsika ny oha-pitiavana. Ao no higohantsika ny fitiavan'Andriamanitra, indrindra amin'ireo Sakramenta nomeny antsika hanamasinantsika tena, araka ny lazain'ny Prefasy hoe " niboiboika avy amin'ny Fon'i Jesoa, ny rano sy Ra, loharanon'izany Sakramenta izany."

Sady miarahaba ireo Fikambanan-dRelijiozy mitondra manokana ny anarana sy ny Fanajana ny Fo Masin'i Jesoa ary isika androany, no hanavao ihany koa ny fitokisantsika ny fitiavan'Andriamanitra, izay miantso antsika hanankina ny Fijaliantsika eo am-pelatanany ka hahaizantsika hitondra izany tahaka ny nitondran'i Kristy ny Jioga nentiny nanavotany antsika. Ny fanolorantsika ny fahoriantsika sy ny fahorian'ny olombelona rehetra ho sorom-panavotana miaraka amin'ny Soron'i Kristy no manamaivana ny Jioga entintsika satria tsapantsika amin'izany ny hasarobidin'ny hoe mitia ary izany no manamafy orina ny finoantsika.

Mampahatsiaro ny maha-olom-boafidin'Andriamanitra antsika ny Vakiteny I, ka raha avy amin'Andriamanitra isika, hoy i Joany (Vakiteny II), dia ny "fitiavana" no hitsarana antsika, satria izay mitoetra ao amin'ny Fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra. Didy iray mahafoaka be anefa ny Fitiavana, ka tsara ny hametsoventsointsika ny antsan'ny Fitiavana navelan'i Md Paoly ho antsika : Ilay fanomezana ambony indrindra (I Kor 13), mba hamelombelomantsika isan'andro ny Fitiavan'Andriamanitra asehony amintsika.

Azo atao ireo vavaka Fampodian-kaja ny Fo Masin'i Jesoa .


Ny salamo setriny sy ny hevitry ny teny hoe fo (cardis) dia manambara fa ny loharano sy vimiaina manamafy sy mampateza ny fitiavana dia ny fahatsiarovana (ricordare)... Ny fo, araka ny sarisary sy ny fomba fiheverana mahazatra, no hipoiran'ny sentosento, ary anehoana ny fitiavana, saingy miohatra noho iznay ao amin'ny baiboly sy ny kolotsaina latinina indrindra indrindra : ricordare (tsaroana, entina ao am-po), tahaka an'i Maria, nitahiry izany rehetra izany tao am-pony. Izay no ahazoantsika ny tenin'i Jesoa hoe : Izay be ao am-po no hitenenan'ny vava.
Ny salamo 102 dia manafatra antsika hoe : "Ny soa avy aminy, aza misy adinoina". Raha ny Fitiavan'Andriamanitra ary no ho e ao am-pontsika dia mazàva loatra fa ho fiderana azy no hipololoitra avy ao am-bavantsika.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328