Ny vatana aman-dRan'i Kristy


I Jesoa Zanak'Andriamanitra
no Mofon'ny Fiainana.

 
   
croce_eucaristia.gif

Ny Vavaka Fangatahana amin'ny Sorona Masina androany dia mampahatsiaro antsika ny votoatin'ny fety ankalazaintsika androany : «mahatsiaro ny fijalian'i Kristy izay navelany ho antsika amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny Eokaristia, ka ho fatra-panaja izany Mistery misy ny Vatana aman-dRan'i kristy izany sy handre lalandava ny vokatry ny fanavotany antsika».

Fankalazana ny Misterin'ny Fanavotana araka izany ny Eokaristia, ny olona mahatsiaro fa navotana no afaka misaotra, ny olona mila nanavotana no afaka mangataka, ny olona mahatsiaro ny halemeny no mangata-pamelana. Ilay "Mofon'ny Anjely manjary vatsy ho an'ny olombelona mpivahiny, dia sakafon-janaka ka tsy tokony hatsipy ho an'ny amboa".[1] Isika anefa, na dia efa natsangan'ny Ray ho zanany ao amin'i Kristy tamin'ny Batemy aza, mazàna tsy mendrika ny antsoina ho zanaka akory, ka am-pinoana sy fanetren-tena no hamerenana ny tenin'ilay Reny Samaritana hoe : "Eny fa ny amboakely dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ao ambany latabatra" (Mk 7, 28).

Tsy hoe manambara ny Tenan'i kristy akory ny mofo fa ny Tenan'i Kristy mihitsy. Efa henonareo mazava loatra fa tsy hoe EO i Kristy, na AO i Kristy, fa ho antsika dia IO i Kristy. Izany ny Misterin'ny Finoana mahatonga antsika "higaga ny nataon'Andriamanitra ho antsika"[2]. Tonga antoky ny fiainana mandrakizay ho antsika ny Eokaristia (Evanjely). Tsy mandeha ho azy anefa izany fa mila ny fandraisantsika anjara. Miantso antsika ho amin'ny fanasany ny Zanak'ondry. Na tsy mendrika aza isika ny handray Azy dia miandry antsika Izy, miandry ny fontsika handray Azy mba hovàny hahay hitia.

Tadidiko ny tenin'i Kardinaly[3] isaky ny prossession teny Mahamasina hoe : "Tsy haninkanim-poana ny Eokaristia fa hanin'ny Mpanao zavatra". Dia izany no mahatonga antsika hanomana mandrakariva ny fandraisana ny Eokaristia, mba hammpisy vokany izany amin'ny fiainantsika : hanjary nofo hoenti-miasa, araka ny lazain'i Jesoa ao amin'ny evanjely androany hoe : "Izay mihinana ahy dia velona ho ahy". (jereo eto ny fanomanana sy ny fiainana na eto momba ny fanaovana komonio tsara).

Isika main'ny hetahetan'ny ngidim-piainana na mangetaheta ny rariny sy ny hitsiny dia mahatsapa fa mila tohan'aina avy amin'io Sakafon'ny Anjely io (Antsa), tahaka ireo Jody tany an'efitra nihinana ny mofo tsy fantatra anarana (vakiteny I) ka mahatsapa fa nahazo fanavotana .

Tokony ho loharanom-pisaorana mandrakariva araka izany ny Eokaristia. Eny fa na dia mankalaza ny eokaristia ho an'ny nodimandry aza isika dia "ao aminy no mibaliaka ny fanantenana hitsangan-ko velona sy ho sambatra … ka mino fa miofo ny aina fa tsy levona"[4].

Raha Fisaorana tsara indrindra no dikan'ny teny hoe Eokaristia dia hoezahantsika ary ny hametsovetso ireo zava-mahagaga nataon'Andriamanitra ho antsika. Tsy hilaza isika hoe "niangatra Andriamanitra" satria tsy nomeny ny harena na ny fahaizana sahala amin'ny hafa isika. Tsy fanoharana ny tena amin'ny hafa sanatria no hahalalana sy hahatsapana ny fitiavan'Andriamanitra fa ny fandinihantsika isan'andro isan'ora ny maha-zanany antsika sy ny hitondrantsika tena ho toy ny mpiray tam-po, ho tena iray velomin'ilay Mofo ifanapahana (vakiteny II). Dia nahoana no hifampialona ny Mpiray tam-po?



[1] Antsa fihobiana mialoha ny Evanjely

[2] Lalina sy mahagaga ny nataon'Andriamanitra ho antsika (amin'ny ordo latinina : Mysterium fidei misterin'ny finoana)

[3] Armand Card. Razafindratandra, sady matanjaka re no mikandra!

[4] Prefasy I nodimandry

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097