Ny Trinite Masina-

Fianakaviana miaina am-pitiavana lavorary Andriamanitra.

Trinite MAsina

Fianakaviana Andriamanitra, modely idealin'ny Fianakaviana, eny fa na dia mazàna aza tsy hahafahana manohatra tahaka izany intsony ny zava-misy sedraina sy tonga ao an-tsain'ny maro raha vao maheno ny teny hoe Fianakaviana.

Fitiavana Andriamanitra, te haneho antsika ny hakanton'ny fahasamihafana izay manjary harena hifanasoavana sy hanasoavana ny hafa. Mahefa ny Zavatra rehetra Izy saingy mifampizara andraikitra (jereo eto) hampiseho amintsika ny hasarobidin'ny fiaraha-miasa. Amin'ny toerana rehetra Izy ka miara-mitoetra mandrakariva (jereo eto) hampianatra antsika ny firaisam-po sy fihavanana hijoroantsika ho vavolombelona amin'ny maha-mpianatr'i Kristy antsika. Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra nefa manana ny tsiambaratelony hanehoany amintsika fa fitiavana Izy ary manaja ny fahafahana sy ny zon'ny tsirairay (jereo eto).

Fa mampaninona antsika moa ny maha-tokana olona telo (Trinite) an'Andriamanitra? Efa noresahantsika tamin'ny fandalinam-pinona io (jereo eto ) saingy tsara ihany ny manantitrantitra izany satria Mistery fototry ny Finoana kristianina ny Misterin'ny Trinite Masina.

Ireo Vakiteny nentintsika nankalaza ity fety ity dia manambara ny halehibeazan'izany Misterim-pitiavana izany : "Andriamanitra Mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana" (Eks 34, 4-9) na dia eo aza ny hamafin'ny hatoky vahoakany.

I Md Paoly kosa mamporisika mba hiray hevitra sy hihavana satria izany no hitoeran'Andriamanitra eo anivontsika (2 Kor 13, 11-13). I Kristy, ilay Sakramentan'ny Fitiavan'Andriamanitra mitoetra eto anivontsika no manentana antsika hifankatia. Izay mino Azy, hoy Izy dia hitandrina ny teniny.

Porofon'izany fahavononana hitia izany ny "Fikarihana ny Marina sy hampiely ny marina irery ihany", araka ny hafatry ny Papa amin'ity Andro natokana ho andron'ny Fifandraisana ity .

Dia ho an'ny Ray sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina irery anie ny Voninahitra.

------------------------------------------------------------

Tsara raha atao manokana ny Sapilen'ny Trinite Masina androany.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101