Batemin'ny Tompo


I Jesoa natao Batemy, tandindon’ny Batemintsika

06_luce-battesimo.jpg

Mbola ao anatin’ny Fankalazana ny Epifania, Fisehoan’ny Tompo, ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo. Ireo fanomezana nomen’ireo Mpanjaka tatsinanana[1] araka ny nolazaintsika : volamena, emboka manitra sy mira, ankoatra ny maha-famantarana manambara ny Misterin’i Kristy, dia manambara ihany koa ny fiainantsika te-hanara-dia Azy, ka manolotra aminy ny volamena, amin’ny fampanjakantsika ny fitiavana sy ny fiadanana, hanolorantsika ny tena ho sorona velona, masina sy ankasitrahany (Rm 12, 1), ka hitozoantsika am-paharetana amin’ny vavaka asandratra ho toy ny emboka manitra (Sal 141, 2) ka ho mani-pofona hitory ny hatsaran’ilay niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavana mahagaga (1 Pi 2,9), ary ny vokatr’izany hazavana izany dia ny soa, ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina rehetra (Ef 5, 9).

Amin’ity taona B ity, handinihana manokana ny Evanjely nosoratan’i Md Marka, dia mahalasa saina ihany ny amin’ilay kintana nitarika an’ireo Majy ho eo amin’i Kristy. Ao anatin’ny haizina no manjopika ny hazavana, rehefa tsy eo (na takona) ilay masoandro be manazava ny andro. Indraindray anefa adino ny fisian’io masoandro io, ary tsapa bebe kokoa ny fisiany rehefa tsy eo izy... Moa ve tsy izany koa no hoentin’i Marka mampita amintsika ny misterin’i Jesoa, ilay Kristy Zanak’Andriamanitra (Mk 1, 1) ka i Piera, manoloana ny fandaozan’ny olon-drehetra an’i Jesoa no nanambara : “Hankany amin’iza moa izahay ry Tompo?... Ianao no ilay Masin’Andriamanitra” (Jn 6, 69-70) Hianao no Kristy (Mk 8,29)! Ary ilay Tomponjato (Kapiteny), tao anatin’ny haizina nandrakotra ny tany (Lk 23, 45), manoloana ny lakroa, niaiky hoe “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io” (Mk 15, 39).

Raha tandindon’ny Batemintsika ary ny Batemin’i Jesoa, amin’ity alahady hanombohantsika ny andavanandrom-piainana amin’ny taona litorjika ity, dia manasa antsika Izaia hanongilan-tsofina, hihaino ka ho velona (vakiteny I Iz 55, 1-11). Antso ho amin’ny fibebahana marina izany, hihevitra tsy araka ny nofo, fa araka ny Fanahy izay nanaovana batemy antsika (Evanjely Mk 1, 6-11). Ny sarintenin’ny ranon’orana aman’oram-panala mampahazo hanina ho an’ny mpihinana sy voa famafy ho an’ny mpamafy ampiasain’Izaia (and. 10) dia mampianatra antsika fa ny Tenin’Andriamanitra dia tokony ho zary fiainantsika, ho tonga sakafo ivelomantsika... Tsy tokony hohadinoina anefa fa voaantso koa isika hanome masomboly ho an’ny hafa, amin’ny fanatanterahantsika ny “iraka” (missio) takian’ny batemintsika[2], amin'ny fampitana ny finoana, fa indrindra amin'ny fijoroana hoMpaminany, eny fa na dia hanomanantsika ny mira handevenana antsika aza izany.

Tsy misy tokony hatahorantsika anefa, ilay Teny tonga nofo, efa zary Mofo, mamelona antsika, nanonitra ny fahotantsika ka hanaovantsika antso avo fa efa tapitra ny andron’ny fanompoana ... ary efa niseho ny herin’ny Tompo (Salamo setriny Iz 40, 1-11). Izany no ankalazaintsika amin’ny Misterin’ny Eokaristia : ny misterin’ny fijaliany sy ny nandreseny ny fahafatesana. Izany fandresena izany dia ny finoantsika, hoy i Md Joany (Vakiteny II 1 Jo 5, 1-9) ary ireo famantarana telo (ety an-tany)[3], izany hoe ny Fanahy, ny rano sy ny ra, dia maneho amintsika fa asan’ny Fanahy ny Finoana, saingy sitrak’Andriamanitra ny hampiasa ny famantarana hanomezana antsika ny fahasoavana (sakramenta), ka ny rano sy ra, manadio sy manome aina, no tandindona sy loharano hanovozantsika izany fahasoavana izany, eo amin’ny fon’i Kristy nolefonina (Jn 19, 34).

Ny Fitiavantsika an’Andriamanitra dia porofointsika amin’ny fitandremana ny didiny (Vak II), koa hiezahantsika ary ny hifankatia, satria izany no Didy vaovao nomen’i Kristy antsika (Jn 13, 34), ka handinihantsika tsirairay hoe : nanao ahoana no nandraisantsika ny Tenin’Andriamanitra nafafy tamintsika! nampahazo hanina ho antsika ve ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra? Ary inona no mba masomboly hatolotrika ho an’ny mpamafy? (Vak I).



[1] Araka ny mahazatra dia hoe telo, satria telo ny fanomezana, saingy ny tantara sy ny lovantsofina sasany dia milaza fa nisy Majy hafa koa ankoatra ireo namoronana anarana!

[2] Jereo ny Batemy Taona A (jereo eto): Ny Batemy no nanombohan’i Kristy ny Fiainany ankarihary (publique), ka niomanany amin’ny Fijaliana sy ny fahafatesana mba hanambarana ny fetran’ny Fitiavana.... mitia tsy misy fetra hoy Md Augustin.

[3] Jereo naoty 1 Jo 5, 7 Baiboly Masina amin’ny any an-danitra, dia ny Ra sy ny Teny ary ny Fanahy Masina, ary izy telo ireo mifanaraka tsara (and 7) manambara ny misterin’ny Trinite Masina, izay voalaza fa tsy hita ao amin’ny dikan-teny Grika, ka noho izany teny tafasisika...

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099