Alahady fahatelo amin’ny Fiavian’ny Tompo

 

Mifalia Mandrakariva ao amin'ny Tompo!

 

 

 

Mampandini-tena ihany ny Alahady anio, antsoina hoe Gaudete, izany hoe “Mifalia”, noho ny tononkira fidirana manentana hifaly, satria akaiky ny Tompo. Isaky ny Fankalazana ny Sorona Masina dia vakiana amintsika ny Evanjely : Vaovao Mahafaly. Fa miteraka hafaliana ho antsika tokoa ve?

Ambaran’ny Vakiteny I (Iz 61, 1-11) fa ny “teny soa mahafaly” (Evanjely) dia ho an’ny mahantra, ny torotoro fo, ny babo, ny ao an-tranomaizina… Angamba aho tsy mba anisan’ireo, hany ka tsy mahita ny famonjena sy ny fanafahana avy amin’Andriamanitra. Raha tahaka ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy ary no ampanirian’ny Tompo Andriamanitra ny fahamarinana sy ny Fiderana, eo anatrehan’ny firenena rehetra, dia mazàva loatra fa ny olon’afaka ihany no afaka migòka ny fahamarinana sy afa-manadratra fiderana.

Tsy fahafahana araka ny heverin’ny sasany anefa izany, ka hihevitra ny hanao izay mahafinaritra ny fo sy hironan’ny saina… Andevon’izay mamatotra antsika isika, tsy voatery ho ny lalàna apetraky ny hafa ihany no hamatotra, fa ao ny fahazarana, na ny ratsy na ny tsy heverina ho ratsy intsony satria mahazatra kanefa manakana antsika tsy hivelatra sy hahavita izay tokony hatao.

Ireny fahababoaba ireny, raha jerentsika amin’ny masom-pinoana dia mahatorotoro fo, ka tsy ho fahazarana no hamerimberenantsika hoe : “Tompo o, tsy mendrika ny hidiranao ato amiko aho, fa manonòna teny iray, dia ho afaka aho” fa ho vokatry ny fo tokoa, ka hanjary Vaovao Mahafaly ny Fiombonan’aina amin’i Kristy amin’ny Komonio Masina.

Izay no hahafahantsika, hatramin’ny hariva (Vêpres), hanandratra ny antsam-piderana (Magnificat) niloatra avy ao am-pon’i Masina Maria, izay noventesintsika ho setrin’ny vakiteny teo (Lk 1, 46-54) satria nanao zava-dehibe ho antsika ilay Mahefa, ilay antsoina hoe : Masina.

Ny Fifaliana lavorary anefa dia tsy afa-misaraka amin’ny fisaorana sy ny vavaka (Vak II 1Tes 5, 16-24) satria hafaliana tsy vokatry ny ezaky ny samirery na sanatria hafaliana miserana noh ny fahombiazana azo hieboeboana. Noho izy hafaliana vokatry ny fahafahana, azo avy amin’ny Famonjen’ilay Mahefa sy Masina dia mapisaotra lalandava. Ary satria mahatsapa isika fa raha tsy Izy (YHWH) dia tsy mahefa na inona na inona (Jn 15, 5) ka izay no hampipololotra ny vavaka mba tsy hialan’ny Tanany Mahery hiaro antsika.

Ny Fitokisana ilay niantso antsika, ilay tsy mivadika (Vak II) dia manampy antsika hifady na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza. Akaiky antsika mandrakariva Izy, na dia mazàna aza isika no manalavitra Azy! Izay no hahatsiarovantsika ny adidy miandry antsika, hialoha lalana ny Mesia, hiandry ny Fiaviany, hanomana ny Noely, ka hahatsiarovantsika mandrakariva fa “tsy isika no Kristy”, miasa ho Azy isika ka hosanatriavina ny fietsika amam-pitondrantenantsika hanakana ny hafa handray ny Hazavana avy aminy! Tokony ho “Feo miantso mafy any an’efitra” ny fiainantsika (Evanjely Jn 1, 6-28) ho fambara hanitikitika ny feon’ny fieritreretana mba hanitsy ny lalan’ny Tompo.

Tsy ho ela dia ho tonga ny Noely, koa hiezahantsika mba tsy ho hafaliana mandalo sy manodoka no hiomanantsika fa hafaliana maharitra marina tokoa… Mampandinika ity tenin’ny Pretra iray ity hoe : “Raha tsy fointsika homena ny mahantra ny vola mety ho lanintsika amin’ny fanamboarana ny tranon’omby sy ny fanaingoana ny trano fiangonana, Noely inona no tiantsika hankalazaina? Hanampy antsika hahita an’i Kristy ao amin’ilay zaza teraka anatin’ny hatsiakan’ny lavabato ve izany?” Asa re! Asa raha mba ho fantatsika ilay anankiray eo afovoantsika!

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096