Alahady Faharoa Taona A Karemy

Voaantso ho an'ny fanantenana isika.

09_luce-trasfigurazione.jpg

 

Eo am-panomanana ny Paka dia aroson'ny Litorjia hodinihintsika anio ny Fiovan'ny Tompo Tarehy (Mt 17, 1-9) izay lazaina ombieny ombieny fa santatr'ilay voninahitry ny Paka, amin'ny Fitsanganany ho velona (prefasy).

Raha dinihintsika tsara ny antony hamakiana ity Evanjely ity amin'ny alahady faharoan'ny Karemy, ka hanampy antsika amin'ny lalan'ny Fibebahana [1], dia hahitantsika ny tena hevitry ny Fibebahana : famaliana ny antson'Andriamanitra.

Tandindona sady ohatra ho antsika amin'ny famaliana ny antso, Abrahama izay nandao ny taniny "araka ny Tenin'ny Tompo" (Jen 12, 1-4), tsy noho ny fahamendrehana sanatria, fandrao hirehareha isika, fa araka ny "fikasàny sy ny fahasoavany" mba "hiankinantsika mandrakariva amin'ny herin'Andriamanitra" izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina" ka tsy ho menatra ho vavolombelony"(VakitenyII 2Tim 1, 8-10).

Mazava loatra araka izany fa tsy azo sarahana ny fitantarana ny fiekem-pinoan'i Piera izay voafidy ho vato anorenana ny Fiangonana (Mt 16, 13-19) sy ny Fiovan'ny Tompo tarehy lazain'i Matio fa afaka henemana taorian'izay. [2] I Moizy sy Elia dia efa nisantatra ny karemy [3] izay efapolo andro hiomanana hihaona amin'ny Tompo.

Natsangana ho zanak'Andriamanitra isika tamin'ny Batemy noraisintsika [4], ary fotoana hanavaozana izany voninahitra maha-zanaka antsika izany ny Karemy. Ambaran'i Kristy fa ilay voninahitra hitan'Israely amin'ny Fahazavan'ny tava sy ny fitafiana (Eks 24, 17 sy naoty) dia misy heviny amin'ny porofom-pitiavana asehony eo ambony Hazofijaliana.

I Kristy no fahatanterahan'ny Lalàna sy ny Mpaminany (Mt 5, 17). Ao aminy no hahafahantsika mitandrina ilay akanjo fotsin'ny nampakarana antsika amin'ireo sakramenta noraisintsika (batemy, komonio…), tsy ho akanjom-boninahitra sy fety ihany, fa fanehoana koa ny fahavononan-kanompo, haneho ny maha-Mpanjaka antsika amin'ny fampanjakana ny Fitiavana, hiaina ny maha-Mpaminany antsika amin'ny Fijoroana ho vavolombelon'ny finoana noraisintsika (na hijaly aza noho ny Evanjely> vak II) ary hivelona ny maha-Mpisorona amin'ny fiainam-bavaka, hahatsapana fa ny fihaonana amin'ny Ray eny an-tendrombohitry ny fivavahana no hany loharanon-kery hahafahana mitondra ny hazofijaliana sy manara-dia an'i Kristy (Lk 9, 23) [5].

 

Alao hery ary ny fitozoana hiomana amin'ny Paka, ka amin'izao efapolo andro (karemy) izao, mety mbola any an'efitra mifady hanina sy mivavaka toa an'i Jesoa isika (Mt 4), mety ho efa eny an-dalana toa an'i Elia mba ho any Oreba (IMpanjaka 19) na efa mitoetra ao anatin'ny rahona eny an-tendrombohitra toa an'i Moizy miandry ny tenin'i YHWH (Eks 24), kanefa mahatsiaro mandrakariva fa zanaka tian'ny Ray, voaantso ho amin'ny fanantenana (toa an'i Abrahama) higoka ny Fiainam-baovao araka ny Evanjely.

 



[1] Tsy azo adino fa ny Karemy dia "signe sacramentelle de la conversion", vavaka amin'ny alahady voalohany Karemy.

[2] Raha te handalina izany fifandraisany izany dia azo vakiana ny Boky nosoratan'ny Papa,ny toko faha-9 izay hitantarany ny Fiekem-pinoan'i Piera sy ny Fiovan'ny Tompo Tarehy. Ao koa manko no hanazavany ny fifandraisan'ny Fiovana Tarehy sy ny Eksaody 24 izay nihaonan'i Moizy tamin'i YHWH tany an-tendrombohitra… mbamin'ireo fety Jody. Ho an'ny Papa, Ny Fiovana tarehy dia manambara amintsika ny tsiambaratelon'ny vavaka (avvenimento di preghiera). Ny voninahitr'i Kristy tafatsangana no hahafahantsika mahazo ny Soratra Masina. Ho an'izay manana andraikitra manokana amin'ny Fitantanana ny andian'ondrin'i Kristy moa dia manan-danja manokana io vavaka io, izay hifotoran'ny fanarahan-dia an'i Kristy : "Ity no Zanako Malalako, henoy Izy", voaantso hiaina aloha ny fiainam-baovao ao amin'i Kristy, mialoha ny hitoriana azy amin'ny hafa.

[3] I Moizy dia nijanona efapolo andro sy efapolo alina tany an-tendrombohitra, tao anatin'ny rahona, mba hihaona amin'YHWH (Eks 24, 18) ary i Elia izay nandeha efapolo andro sy efapolo alina mba hihaona amin'YHWH any an-tendrombohitra (I Mpanjaka 19, 8) ary i Kristy nivavaka sy nifady hanina tany an'efitra efapolo andro sy efapolo halina mialoha ny niantsoany ny Mpianany (Evanjely tamin'ny Alahady I Mt 4). Vakio koa ireo naoty atoron'ny Baiboly.

 

[4] Araka ny Lovam-panahin'ny Fiangonana moa dia fotoana hiomanan'ireo Katekomena handray ny batemy ny halin'ny Paka ny Karemy, ka hanatanterahana ireo dingana telo firosoana amin'ny Batemy (Jereo ao amin'ny vavaka sy Hira batemin'olondehibe pejy 99 sns)

[5] Ny antoka omen'izay te hanara-dia an'i Jesoa nosoratan'i Lioka manelanelana ny Fiekem-pinoan'i Piera sy ny Fiovan'ny Tompo tarehy (Lk 9, 23).

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1435