Alahady fahaefatra Mandavantaona Taona B

Iza i Kristy ho antsika?

evanjely.jpg

Antsoin’Andriamanitra isika hiombona anjara amin’ny fitoriana ny Evanjelin’ny Fanjakany izay efa akaiky, amin’ny fibebahana sy ny fanarahan-dia an’i Kristy, ary hitaona (hanjono) ny hafa koa hanatevin-daharana ny Fiangonany (jereo Alahady 3A). Manoloana ny toe-java-mitranga mianjady amin’ny firenentsika (jereo eto) izay mampipololòtra vavaka na miaraka na samirery, dia mampahatsiaro antsika izany fiantsoana antsika izany ny Tenin’Andriamanitra.

Ao anatin’izany hafanam-po hivavaka izany dia mampametra-panontaniana ihany hoe : “Aiza ny toerana asiantsika an’Andriamanitra?” Dia ho sanatria ve, any Horeb (Tany efitra) ihany no hahaizantsika miantso Azy ka rehefa mandry fahalemana ny tany dia matoritory miaraka amin’izay koa ny finoantsika?

Marina fa mety hisy hilaza hoe : sakafom-panahy ny vavaka, ka tahaka ny sakafo rehetra, misy ny fotoana hanomanana hanim-pitoloha, misy ny hifadiana ihany koa, na noho ny tsy fisiana na noho ny ara-pahasalamana… Ka nahoana ary no ao anatin’ny tsy fisiana mihitsy isika no mandrobaroba? Tsy hoe sanatria ny mivavaka no ratsy, na misy fotoana tsy tokony hivavahana be loatra, saingy indraindray, ny tsy fahaizana manararaotra ny toe-java-mitranga ho amin’ny fiainam-panahy dia manakana ny fahamatoram-panahy, izay mitondra antsika amin’ny tena fibebahana marina mba ho tonga mpanarato olona.

Adidintsika tsirairay ary ny mandinika ny toerana omena an’Andriamanitra, ka misafidy izay hahafahantsika manome Azy ny fiainantsika manontolo. Lazain’i Paoly fa na ny fanambadiana aza, zavatra mahafaly ny fo sady hahafahana mampifaly ny hafa, ary loharano nipoirantsika rehetra, mety hafohy mba kikambanana amin’ny Tompo tsy amin-tsampona ka hiahy ny momba ny Tompo sy hahafaly Azy (I Kor 7, 32-35) mba tsy ho voazarazara ny fo.

Ilay fanahy maloto nahafantatra an’i Jesoa ho ilay Masin’Andriamanitra, ary naanaiky ny baikony dia tokony hahatonga saina antsika hoe : iza tokoa moa i Kristy ho antsika? Ny fahafantarana azy ho ivon’ny fiainana no hahafahantsika manatanteraka ny Didiny…

Isika tokoa manko no voatsangana ho Mpaminany hitory ny Tenin’Andriamanitra (Det 18, 15-20), hiteny amin’ny anaran’Andriamanitra, tsy ho an’ny fanamelohana antsika sanatria, satria tsy isika intsony no ho velona fa i Kristy no avelantsika ho velona ao amintsika (Ga 2, 20).

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104