Alahady faha-5 Karemy taona A (lava)

Alahady faha-5 A Karemy

 

I Kristy no Fiainana sy Fananganana ho velona.

 

"Ampio izahay, ry Tompo, hizotra faingana ho any amin'i Kristy Zanakao!". Izany vavaka anombohana ny Sorona Masina izany, raha vokatry ny fo, dia mamintina ny fampianarana ampitain'ny vakiteny anio : "Mpivahiny isika no ety an-tany, tany fandalovana no ety."

Ambaran'i Ezekiela Mpaminany (Vakiteny I) fa "ny Fanahin'Andriamanitra ataony ao anatintsika no loharanon-kavelomana", ka hamoaka antsika hiala amin'ny fasana. Io ilay Fahany nanangana an'i Kristy ho velona (Vakiteny II) sady manadio ny fahotantsika [1]. Ny fanavotana andrasan'ny olombelona manko dia izay nodradradradraintsika tamin'ny salamo 129 : "Ny famelàn-kelona angatahina amin'ny Tompo" [2].

Ny Evanjely (Jn 11, 1-45) izay mitantara ny nanaganan'i Jesoa tamin'ny maty an'i Lazara sakaizany, dia mametraka antsika ao anatin'ny Lovam-panahin'ny Karemy, amin'ireo Alahady dimy izay nanomanana ireo Katekomena [3] amin'ny sakramenta Firosoana ho Kristiana. Tsara ny fampatsiahivana fohy ireo dingam-piofanana ireo, satria hahafahantsika manavao koa ny maha-Mpino antsika izany.

Ny firosoana ho kristianina dia miainga avy amin'ny hetahetam-po te hihaona amin'ny Tompo, izany no anasiana tsindrim-peo amin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana izay manamafy ny ezaka hiova fo (Fibebahana jereo eto). Hanamafisana izany dia novakiana evanjely mitantara ny 40 andro nifadian'i Kristy hanina sy ny Fakampanahy tany an'efitra (jereo eto). Izay ezaka ataontsika izay anefa dia tsy fisehosehoana ivelany ihany fa tolona mandritra ny Fiainana. Voaantso ho amin'ny fanantenana manko ny Kristiana, hanatanteraka ny Lalàna sy ny Mpaminany, hany ka mila manovo hery ao amin'ny hazavan'i Kristy mba hankahery amin'ny andro sarotra (Ny fiovan'ny Tompo tarehy, jereo eto).

Ny fahatapahan-kevitra hiroso amin'ny batemy dia fiekem-pinonana lalina. Io ilay "rano omen'i Kristy, izay tonga loharano miboiboika ao anaty, hatrany amin'ny fiainana mandrakizay" (alahady fahatelo eto). Na mety ho antony hafa aza no nahafantarantsika an'i Jesoa[4] dia voaantso isika mba hanamafy izany fitokisana an'Andriamanitra izany, ka hitory izany amin'ny hafa.

Izany iraka (farihin'i Siloè) izany anefa tsy mandeha ho azy ihany koa. Mila mandrakariva ny fanilovan'ny Fanahy isika. Io ny Fankaherezana[5] ijoroantsika ho vavolombelon'i Kristy, tsy sanatria hatahotra tahaka ireo raiamandrenin'ilay teraka jamba fa hiaiky ny marina, hahatsapa ny fitiavany[6] ka hanambara izany amin-kerim-po.

Ny fahotana sy ny heloka vitantsika anefa dia tsy hahafahantsika mitraka, indraindray aza, hitsaran'ny fiaraha-monina antsika tsy ho mendrika ny velona intsony [7]. Tsy fahataperam-piainana anefa ny fahafatesana. Manova ny fomba fiainana manontolo ny fanantenana ny Fiainan-ko avy. Ny fahafatesan'i Lazara ve no tena nampitomany an'i Jesoa sa ny tsy finoan'ny mpianany sy ny tahotra nameno ny fon'izy ireo. Henontsika teo ny vava'i Tomà : " Andeha koa isika mba hiara-maty aminy" (and. 16). Ny fanetren-tena hitalaho mandrakariva ny famindrampon'Andriamanitra dia anisan'ny maha-kristianina ny kristianina[8]. Ambaran'ireo fanompoam-pivavahanana amin'ny firosoana ho kristianina izany, fa ambaran'ny Litorjian'ny Lamesa ihany koa, indrindra moa manoloana ny tsiambaratelon'ny fahafatesana[9] izay mampivaraontsana mandrakariva ny fon'ny olombelona (GS 18)

Alao hery ary ny fiomanantsika amin'izao Paka izao satria fiainantsika isan'andro no tian'i Jesoa hazavaina amin'ny misterin'ny Fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona. Dia samia manokana fotoana handinihana izay fiezahana natao nandritra izay karemy izay, indrindra amin'ny lafin'ny fivavahana, ny famolahan-tena ary ny asa fiantrana.



[1] Ny alahadin'ny Paka dia io Fanahy io no nomen'i Jesoa ny Apostoly hahafahan'izy ireo mamela heloka (Jn 20, 22-23)

[2] Maimaim-poana ny famelan-keloka saingy tsy ny rehetra no mahatsapa ny hasarobidiny sy ny lanjany. Izany no mahatonga ny Mpanao salamo milaza hoe . sambatra ny olona voavela heloka (Sal 32).

[3] Ny Katekomena dia nanavahana ireo kristiana tsy mbola vita batemy nefa efa voaray am-pahibemaso teo anivon'ny fiangonana; ireo efa vita batemy dia nantsoina ho "fidèle", Mpino. Raha atao dikanteny malalaka moa ny katekomena (sy katesizy) dia manambara ny fianarana izay mitaky fampiharana eo amin'ny fiainana (Kata= avy any ambony/tenin'Andriamanitra sy echo = misy akony/eo amin'ny fiainana).

[4] Ilay Vehivavy samaritana dia mazava loatra fa handeha haka rano (na tsy dia izany loatra aza araka ny fomban-tany satria ny fatsakana dia ambohi-pihaonan'ny mpitady vady) no nihaonany tamin'i Jesoa, saingy voaantso koa hitory azy aminny mpiray tanàna.

[5] Ny sakramentan'ny firosoana ho kristiana sy ny famelan-keloka sy fibebahana (konfesy) dia efa santarin'ny katekomena amin'ny dingana telo atao mialoha ny batemy. Izany no iantsoana ireo mpiroso amin'ny dingana ho voafidy, ary anaovana ny fombam-pivavahana fanadiovana sy fanazavana, hilazana ny hamafin'ny fon'ny olombelona amin'ny fibebahana ka mila ny fanampian'ny fahasoavana. Jereo ireo dinika telo ao amin'ny Vavaka sy hira izay mizara roa : fivavahana sy fandroahana demony (p. 108… batemin'olondehibe).

[6] Amin'ny taona D dia ny Evanjelin'ny Zaza mpandany no vakiana eto (Lk 15)

[7] Jn 8, 1-11 : ilay vehivavy tratra nijangajanga. (Alahady 5 taona D)

[8] Jereo eto : ilaina ve ny mikonfesy?

[9] Jereo eto

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0955