Alahady faha-4 mandavantaona Taona A

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan'Andriamanitra.

08_luce-regno_di_dio.jpg

Nankalaza ny Fanolorana ny Tompo tao an-tempoly isika ny 2 febroary ka manavao miaraka aminy ny fanolorantsika tena ihany koa hanatanteraka ny sitrapon'ny Ray. Amin'ity herinandro ity koa dia hiditra amin'ny vanimpotoanan'ny Karemy isika ka tsy hiditra amin'ny vanim-potoana andavanandro indray raha tsy amin'ny 12 may [1].

Ny Fankalazana ny tenin'Andriamanitra nataontsika androany dia milaza amintsika ny hasambarana. Iza no sambatra? Ahoana no atao mba hahasambatra? Fanontaniana manitikitika ny saintsika mandrakariva izany, ary na tsy tsaroantsika aza dia miròna amin'ny fikarohana ny fahasambarana ny fontsika.

Ambaran'i Sofonia tamintsika tamin'ny Vakiteny I (Sof 2,3; 3,12-13) fa ny fikarohana ny Tompo no antoky ny fiadanana, satria tsy ny fijaliana amin'izao fiainana mandalo izao no tokony hatahorana fa ny famonjena amin'ny andron'ny fahatezeran'ny Tompo. Izany no mahatonga an'i Paoly hilaza fa tsy miankina amin'ny fahendren'ny nofo, na amin'ny hery aman-tanjaka na amin'ny firazanana no hahafahana mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra (Vakiteny II I Kor. 1, 26-31) fa ny fiombonana amin'i Jesoa Kristy Tompo izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika.

Dia izany no anohizan'i Matio ny fitantarana ny Evanjeliny (Mt 5, 1-12). Ny alahady faharoa isika nilazany fa voairaka hitondra ny famonjen'Andriamanitra hatrany amin'ny faravazan-tany, toy ny Mpaminany sy ny apostoly fa kosa mahatsapa fa zanaka tompon'andraikitra (jereo eto). Izany antso miantefa amintsika izany dia miandry valiny amintsika, valiny tsy mangataka andro toy ireo apostoly nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Kristy (jereo eto).

Loharanom-pahasambarana ny fahafoizana ny haren'ny tany, ny halemem-panahy, ny fizakana ny hazofijaliana na dia amin-dranomaso aza, ny fiaretana ny hetaheta sy ny hanoanana mba hahazoan'ny hafa ny hanina isan'andro, ny famindram-po sy ny hadiovam-po, ny fitandrovana ny fihavanana…

Toa fahasambarana manoha riana anefa satria toa tsy ao anatin'ny programam-piainantsika akory eo am-pikatsahana ny fahasambarana. Araka ny lazain'ny Papa dia fahasambarana eschatologique[2] izany. Tsy hoe tsy azo tanterahina fa mila ny sitrapon'izay vonona hanantona azy. Tsy azontsika adinoina izay nataon'i Jesoa raha nahita ny vahoaka : niakatra teo an-tendrombohitra. Ireo mpianatra nanantona azy no nampianariny ny lalana mankamin'ny fahasambarana.

Ataontsika ezaka ary ny hanantona an'i Kristy eny an-tendrombohitra, ao amin'ny fivavahana, fa indrindra amin'ny fanomezana ny rariny ny ampahoriana, amin'ny fanomezana sakafo ny noana sy ny famahana ny mpifatotra… Isika no tanana andrasan'Andriamanitra hanatanteraka ireo asa soa tiany atao, noventesintsika tao amin'ny salamo setriny (Sal 145), indrindra amin'izao ankatroky ny Karemy izao. Ary aza adinointsika na oviana na oviana fa izany no hitsarana antsika ho mendrika na tsia ny Fanjakan'ny Fahasambarana (Mt 25).



[1] Aorian'ny Pantekoty (herinandro faha-6), noho izany dia voadingana ny alahady faha-5 sy faha-6 mandavan-taona, ary ny faha-7 fankalazana ny Trinite Masina.

[2] Araka ny fanazavan'ny Papa dia io no hahafahana manazava ny Fampianaran'ny Evanjely momba ny fahasambarana : Eschaton : izay hitranga rahatrizay dia efa santarina sahady ankehitriny. Jereo Jesus von Nazareth, ed italiana p. 95

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1476