Alahady faha-34 Mandavantaona Taona A

I Kristy
Mpanjakan’izao tontolo izao

 

Xristos Pantokrator

Azo jerena eto ny Tatitry ny Evekantsika (Teny Malagasy /Teny Frantsay )

 

Mifarana ny taona litorjika[1] fa mitohy kosa ny fiainana. Tamin’ity taona A ity, namakiantsika manokana ny Evanjely nosoratan’i Md Matio dia nandinika ny firosoana ho kristianina isika. Isaky ny faran’ny Taona dia mahasoa ny manao jery todika ny lasa, mba hamakivakiana ny ho avy. Amin’izany ary no handinihintsika ny maha-Mpanjaka an’i Kristy. Nanao ahoana no nampanjakantsika azy, raha toa ka fanarahan-dia azy no atao hoe Fiainana Kristianina.

Mpanjaka i Kristy, ambaran’ny Prefasy amintsika ny Fanjakany mandrakizay : manerana izao tontolo izao,[2] fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiainana, fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana. Tamin’ny hafatra ho amin’ny andro natokana ho an’ny fiadanana, Taombaovao 2003[3] dia nampahatsiahivin’ny Mpanompon’Andriamanitra Joany Paoly II tamintsika ny fampianaran’ny olontsambatra Papa Joany XXIII momba ireo andry efatra hiorenan’ny fiadanana : ny fahamarinana (ny marina) izay fototra iorenan’ny zo sy ny andraikitra; ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny izay enti-manorina ny fiadanana amin’ny fanajana ny zo aman’andraikitra; ny fitiavana izay lalivay mampitombo ny ezaka amin’ny fifanomezan-tanana, satria asa vadi-drano ny fanorenana ny fiadanana; ny fahafahana izany vimiaina satria manome herim-po sy mampitsiry finiavana mampamokatra ny fiadanana[4].

Ny fanajana ireo soatoavina eo amin’ny fiaraha-monina araka izany dia manampy antsika handavorary ny fiainan’ny tena ihany koa, ary ampian’ny fahasoavana dia hizotra ho amin’ny fahamasinana. Izany no tsy maintsy handanjalanjantsika ny toerana omentsika an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana. Ireo dingana entintsika miaina ny fitiavana izay hitsarana antsika (jereo Alahady 32 A) dia ampahatsiavin’ny evanjely amintsika ny maha-endrik’Andriamanitra ny olombelona. Nohariana mitovy endrika aminy isika, na dia nolotoin’ny fahotana aza izany fitovizana endrika aminy izany. Izany hasina ananan’ny tsirairay izany no fototra hiorenan’ny tena fitiava-namana. “Isaky ny manao izany amin’ny anankiray amin’ireo havako kely indrindra ireo ianareo dia nanao izany tamiko koa” (Mt 25, 31-46).

Ny Batemy noraisintsika dia nanamafy izany endrik’Andriamanitra ao amintsika izany, fa sady nanangana antsika ho zanany no nanosotra antsika ho mpisorona, mpaminany ary ho Mpanjaka miaraka amin’i Kristy Zanany. Ny fanjakan’i Kristy manko tsy misy tanjona afa-tsy ny hivondronantsika ao amin’Andriamanitra Ray (Vak II 1 Kor 15, 20-28) mba ho fanjakana mandrakizay sy maneran-tany tahaka ny nolazaintsika momba ny Prefasy teo aloha. Ny fahavalon’ny fanjakany dia ny fahafatesana izay efa noreseny ka hanantenantsika koa ny hitsangan-ko velona miaraka aminy.

Isika kosa, miantso ny Rainy mandrakariva mba “ho tonga ny Fanjakany” ary matoky fa tantanany eny an-dalam-pamakivakiana ny fiainana, satria izy no ilay Mpiandry ondry tsara (Vak I Ez 34, 11-17 sy Sal 22). Ny tsirairay ary no manao jery todina ny taona litorjika, hamolavola sahady ireo lafim-piainana izay mila hanaovana ezaka bebe kokoa amin’ny vanimpotoana manokan’ny Fiaviana mba ho teraka sy hatao sorona (Krismasy= lamesan'i Kristy) ao am-pontsika tokoa ilay tiantsika hanjaka amintsika.



[1] Jereo eto ny famintinana ny taona telo (naoty 1)

[2] Katolika/ tsimialonjafy

[3] 1 janoary 2003 (en français)

[4] Io no hompanan’ny Sinaodin’i Afrika izany hankalazaina amin’ny taona miditra io (fihavanana Fahamarinana, fiadanana) (jereo koa ny hafatry ny Eveka)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712