Alahady faha-3 mandavantaona Taona A

Alahady faha-3 mandavantaona

 


Masoandro be lohataona i Kristy
ka tsy mifidy olona hohasoavina

 

evanjely.jpg

Mivavaka ho an'ny Firaisan'ny Mpino isika tamin'ny herinandro teo ary mbola hamafisin'i Paoly amintsika androany izany firaisam-po amam-panahy tokony hanentana ny Mpino izany tamin'ny vakiteny faharoa teo (1Kor 1, 10-13.17).

Voaantso ho mpaminany, ho apostoly, ho zanaka hitory ny faminjena hatrany am-paravazan-tany isika. Santa-bokatra sahady ho amin'izany famonjena izany no lazain'i Izaia ao amin'ny vakiteny I (Iz 9, 1-3), dia ilay hazavàna hamirapiratra ao anatin'ny haizina, zary hafaliana ho an'ny vahoaka voafidy.

 

Tsy ilàna lahateny kanto izany hoy i paoly, fandrao foanan'izany ny Hazofijalian'i Kristy (Vak II). Tsy midika ho fanaovana tsinontsinona ny asa fanirahana sy ny asa miandry an'ireo voairaka anefa izany. I Paoly rahateo no mahatsapa fa na malemy aza izy, farany sy toy ny tsy tonga volana amin'ny Apostoly. Tsy mamela hipetra-potsiny manko ny fahasoavana fa maniraka hiasa bebe kokoa (1 Kor 15, 8), hany ka mahatsapa i Paoly fa loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy (1 Kor 9, 16). Ny Hazofijalian'i Kristy araka izany no hery sy loharanon-kery hahafahana mitory an'i Kristy tafatsangana ( Fil 4, 13).

 

Maimaim-poana anefa izany fitoriana izany (I Kor 9, 18) ary tsy fahefana fa fanompoana. Ny mahagaga anefa ary mampametra-panontaniana dia ny famalian'ny Apostoly ny antson'ny Tompo, henontsika tamin'ny Evanjely (Mt 4, 12-23). Nandao ny harato niaraka tamin'izay[1] izy ireo ka nanaraka azy! Nahoana ary ireo apostoly ireo no nandao ny fivelomana niaraka tamin'ny vava, raha toa ka maimaim-poana ny asa fitoriana? Dia sanatria ve izy ireo no faran'izay adala na misy fahavoazana?

Heveriko fa tokana ny antony, ary izay ihany no hahafahantsika mamaly an-kahalalahana ny antson'ny Tompo : ny faniriana mameno ny fo. Faniriana inona izany?

Izay noventsoin'ny Mpanao salamo tamintsika : "Zavatra iray loha no angatahiko amin'Iaveh sady iriko fatratra: dia te-honina eo an-tranon'Iaveh aho,amin'ny andro rehetra iainako," (Sal 26 [27], 1.4.14). Raha mandinika amin'ny fo mahitsy tokoa isika dia hahatsapa fa ny faniriana zavatra hafa ankoatra izay no mazàna sakana tsy hahafahantsika mamaly euvqe,wj (tsy misy hatak'andro) ny antson'ny Tompo.

Tsy fihaonana voalohany tamin'ny Tompo araka izany ny an'ireo apostoly lazain'ny Evanjely fa efa fahamatoran'ny finoana, mahatsapa fa fakofako avokoa ny zavatra rehetra raha oharina amin'ny haren'ny lanitra (1 Kor 4, 8-14).

Ndeha ary hiezaka hanamafy izany faniriana ny lanitra izany, araka ny hafatr'i Md François de Sales nankalazaintsika tamin'ny 24 teo : " na inona na inona fiantsoana niantsoana antsika eo anivon'ny fiaraha-monina, afaka manamasin-tena mandrakariva isika, na tsy mitovy aza ny zavatra takiana amin'izany fanamasinan-tena izany."

Aoka isika ho toa an'i Kristy : tsy hifidy olona hohasoavina!



[1] Niaraka tamin'izay : euvqe,wj izany hoe Aussitot, amin'ny italiana subito : niaraka tamin'ny vava. Io adverbe grika io araka ny Mpandinika baiboly sasany dia tsy mamaritra loatra ny fotoana fa ny fomba hamaliana, izany hoe tsy am-pisalasalana, ary ny qe,wj dia azo adika ihany koa hoe manao fifaninanana!!!

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101