Alahady faha-29 TAona A Mandavantaona

Ny Andriamanitsika : Mizana be tsy miangatra

Izay mahita ny hatsaran'ny zava-boahary tsy hanadino ny Mpahary azy

Voaantso ho amin’ny Fanasan’ny Tompo isika ka miezaka ny hitondra ny akanjo mendrika izany amin’ny fitondran-tena araka ny Evanjely (Alahady 28 A). Ny famakiana ny taratasin'i Md Paoly Apostoly ho an’ny Tesalonisiana[1] dia manambara sahady fa eo am-pamaranana ny vanimpotoana litorjika isika. Io Taratasy io dia mirakitra ny fanazavan’i Md Paoly ny amin’ny Parousie, ny fihavian’ny Tompo (Fisehoan’ny Tompo amin’ny voninahiny), mba hiomanantsika amin’izany fa indrindra mba tsy hampalahelo antsika tahaka ny olona tsy manam-panantenana, manoloana ny fahafatesana (I Tes 4, 13-18). Tsy misy mahafantatra izany andro sy fotoana izany manko ka izany no hiomanantsika, tsy hatoritory fa hivavaka sy hifady hanina, hitafy ny finoana ho fiarovan-tratra (I Tes 5).

Olom-boafidy isika hoy i Md Paoly, ary mampisaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny maheno izany (2Tes 1, 1-5), izy rahateo no namporisika ny Tesalonisiana mba hisaotra an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra (I Tes 5, 18). Tsy zavatra natao hiambòna anefa izany maha-olon’Andriamanitra izany. Manaporofo izany ny vakiteny I (Iz 45, 1-6) dia ny nifidianan’YHWH an’i Sirosa mba hanangana an’i Jerosalema sy ny Tempoly. Henatra ho an’Israely ny fifidianan’YHWH ny Mpanjakan’i Persa, ka iantsoan’Izaia azy ho “ilay voahosotry ny Tompo”, mitovy fenitra amin’i Davida : ilay Messia (Kristy)[2]. Manaporofo ny maha YHWH (ilay misy) an’Andriamanitra izany, ka tsy ny fizahozahoana amin’ny anaram-boninahitra (maha-kristianina na maha-mpitondra fiangonana na…) no inona fa ny fikatsahana ny rariny sy ny hitsiny, sy ny fizorana amin-kitsim-po.

Izay fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra izany no ambaran’Izaia, ka tsy hizahana tavan’olona izany. Isika tsirairay avy dia nahazo fahasoavana avy amin’izy Tompo, ka izay nahazo be no ho takiana be koa (Lk 12, 48), indrindra amin’ny fisaorana an’Andriamanitra sy ny fiekena ny fisiany, ka tsy sanatria “ny tanimanga indray no haneso ny mpamolavola hoe : inona ity ataonao!” (Izaia 45, 9).

Izany fametrahana an’Andriamanitra amin’ny toerana tokony hisy azy izany no amafisin’i Jesoa amin’ny mba tsy hanafintohinana ny olona eo am-panatanterahana ny lalàna : “Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ary an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra” (Mt 22, 15-21). Tsy nilaza mihitsy i Jesoa fa tsy tokony handoa hetra, na dia izany aza no niampangana Azy (Lk, 23, 2); “sao manafintohina ny olona” hoy Izy tamin’i Piera dia aloavy ny hetra ho ahy sy ho anao (Mt 17, 27).

Tsy dia ny henatr’olona sy ny mba ho hitan’ny mpiara-belona ihany anefa no hevitr’izany. Ambaran’i Jesoa mazava fa “zanaka” Izy, Andriamanitra, tsy izy no tokony handoa hetra fa isika. Ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina dia adidy masina , na dia mazàna aza no araraotin’ny maty eritreritra ny fahalalaham-pon’ny maro hanodikodinana ny volam-bahoaka. Adidintsika kristianina ny mitondra izany am-bavaka, ary isika tsirairay avy no miezaka hametraka an’Andriamanitra amin’ny toerany, mba tsy zary fitaovana hitakiana hetra sy atao antom-pivelomana Andriamanitra sanatria![3]

Noariana hitovy endrika amin’Andriamanitra isika (Jen 1, 26-27), hiezahantsika isan’andro ny mampiseho izay endrik’Andriamanitra izany na amin’ny toe-piainantsika na eo amin’ny hafa ka hifanampy mba homena an’Andriamanitra tokoa izay misy ny sariny, ary hitondra tena ho an’i Kristy izay mitondra ny anarany! Sady olombelona vita amin’ny tany anefa isika no nohamasin’ny Fanahy koa angatahontsika amin’Andriamanitra ary mba “hambinina amin’ny zava-mandalo isika, no hahay hankafy ny soa mandrakizay”[4]



[1] 1 Tes no vakiana mandrapahatongan’ny Fetin’i Kristy Mpanjaka (alahady 34A)

[2] Is 61, 1 : ilay voahosotry ny Tompo, manambara an’i Kristy

 

[3] Ny Farisiana, antoko mpiaro ny lalàna (Moizy) sy ny fanatanterahana azy! Mety ho fitadiava,-pivelomana sy tombontsoa manokana ihany anefa izany, satria ho azy ireo tsy mampaninona ny fanjakazakan’i Sezara (vahiny) rehefa mandeha tsara ny tantana sy ny varotra ao an-tempoly; ny Zelota kosa niandry ny messia, hanafaka an’Israely eo an-tanan’ny hafa firenena!

[4] Vavaka aorian’ny komonio.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0878