Alahady faha-20 Taona A Mandavantaona

Ny olombelona rehetra
no kendren'Andriamanitra
hiditra ao amin'ny Fanjakany.

Manoloana ilay "kely finoana" ka nisalasala (Alahady 19 A) dia ambaran'i Jesoa ny halehibeazan'ny finoan'ity vehivavy kananeana[1] (Evanjely). Atao inona anefa izany Finoana izany? Ny tsy Finoana, hoy i Md Paoly (Rm 11) no nanapahana ireo "rantsana mpandova ny fampanantenana" (Israely) ka nahazoan'ny Jentily miombon'anjara amin'ny famonjena. Tsy misy ireharehana izany sanatria, fa tokony hampatahotra aza (and 21).

Ny finoana no hahazoana izay iriana! "Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irianao"!(Evanjely Mt 15, 21-28) Dia tsy manam-pinoana ve araka izany ireo mivavaka kanefa tsy mahita mangirana amin'izay mba faniriany? Ny fankalazana ny nampiakarana an'i Masina Maria any an-danitra ny 15 aogositra dia mampahatsiaro antsika fa an-dalam-pivahiniana isika, mizotra ho any amin'ilay mandrakizay. Izany fizorana any amin'ny mandrakizay izany dia tsy hoe manampy antsika handalina ny finoana fotsiny fa hanadio ny fontsika koa, tsy hifikitra amin'ny zava-mandalo fa haniry lalan-dava ny zavatry ny lanitra[2]. Tsy ho faniriana hiolonolonana samirery anefa izany, na ho an'olom-bitsy ihany, na ho an'ireo nahazo fahasoavana manokana toy ny Israelita,[3] fa ho an'ny olombelona tsy an-kanavaka.

"Ny tranoko hatao hoe : Tranom-pivavahana ho an'ny firenena rehetra" (Vak I Iz 56, 1. 6-7). Ilay «antso "loloha lanitra" ho amin'ny fahamasinana» lazain'ny toko V ao amin'ny Lalam-panorenan'ny Konsily Vatikana II momba ny Fiangonana (Lumen Gentium 39ss) dia mampahatsiaro antsika fa samy voaantso ho amin'ny fahalavorariana ny olombelona rehetra na dia samihafa aza ny lalan-kizorana hahatratràrana izany. Lohalaharana amin'ny famaliana izany antso izany isika Kristiana. Ny hafatr'i Kristy, zary iraka (sy fanirahana) [mission] ho antsika (Mt 28, 19) dia ampatsiahivin'ny Salamo setriny (66) antsika : isika nahazo fiantrana sy tso-drano avy amin'Andriamanitra dia ho tonga vavolombelon'ny Fitiavany amin'ny manodidina antsika ary ireo kosa indray ho zary Fanasina ho an'ny foko amam-pirenena rehetra.

"Ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana no lalan-kiraisana hahatongavana amin'ny fahamasinana"[4], izany no manentana antsika hitandrina ny hitsiny sy hanaraka ny rariny, ary tsy hanadino ny sabata sy hanompo ny Tompo (Vak I). Tsy tokony ho fialonana amin'ny zava-mandalo no hifaninanantsika fa "fialonana masina" hifaninanana hidera ny Famindrampon'Andriamanitra miseho ao amin'i Kristy Jesoa (Vak II Rm 11, 13-32). Ny finoana araka izany, dia ny fandraisana io fitiavan'Andriamanitra io ka hampanakoako azy eo amin'ny fiainana[5].

Hiezahantsika ary, araka ny vavaka fangatahana, ny ho henik'ilay afom-pitiavana avy amin'Izy Tompo, ka hitia an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka tsy hialona ny fahasoavana mirotsaka amin'ny hafa, na tahaka ny Apostoly, mba tsy hanelingelenan'ny hafa fotsiny fa tsy noho ny fitiavana loatra, (ny dikanteny hoe roahy any fa mikiakiaka manaraka antsika [apolyw] dia azo adika koa hoe afaho amin'izay mamatotra azy... ) fa hanetry tena kosa, na dia hinonona amin'ny "sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany aza", satria mahatsapa fa ao amin'i Jesoa irery ihany no famonjena, Izy no "Kristy, ilay voahosotr'Andriamanitra".

Alaintsika tahaka anie i Masina Maria, naheno ny maha-Renin'Andriamanitra azy dia lasa nilatsa-tena hanompo an'i Elizabeta, satria nahatsapa fa ny fahamboniana dia tsy fireharehana, ny fahasambarana dia tsy miankina amin'izay anaram-boninahitra ananatsika (ho azy : Renin'Andriamanitra) fa amin'ny fihainoana sy fitandremana ny Tenin'Andriamanitra (Lk 11, 27-28)[6]. Ny Fitiavana anie no hifaninanantsika.



[1] Vehivavy Kananeana, entina milaza ny maha-tsinontsinona ilay ramatoa, izay noharin'i Jesoa tamin'ny amboakely aza (ara-bakiteny : nalikaina). Kanaàna dia midika ara-bakiteny hoe "bas-quartier".

[2] Vavaka fangatahana ny 15 aogositra

[3] Jereo Vak II Alahady 19 A Rm 9, 1-5

[4] Lumen Gentium 42

[5] Mbola holazaina bebe kokoa amin'ny alahady faha-21 A mitantara ny fiekem-pinoan'i Piera, tamin'ity taona ity efa novakiana ny alahady 29 Jona (Fetin'i Md Piera sy Paoly)

[6] Evanjely andro mialoha ny 15 Aogositra

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181