Alahady faha-2 mandavantaona Taona A

I Kristy no Zanak'Andriamanitra velona.

06_luce-battesimo.jpg

Ao anatin'ny herinandro hivavahana manokana ho an'ny Firaisan'ny Mpino isika izao. Adidy ankinina amintsika izany araka ny hafatr'i Paoly hoe mivavaha lalandava (1Tes 5,17). Izany asa fanirahana izany no iompanan'ny Vakiteny ifampizarantsika anio. My fahatontosan'ny iraka anefa dia miankina amin'ny maha-izy azy ilay voaantso. Izany no antsointsika hoe vocation na fiantsoan'Andriamanitra.

 

Ao amin'ny vakiteny I (Iz 49, 3.5-6) dia ambaran'Izaia fa mpanompon'Iahveh Israely. Mpanompo [1] satria miasa ho an'Iahveh. Voairaka mba hanangana ny firenen'i Jakoba sy hampody ireo akanga sisa nanamborana ao amin'i Israely, mba hitaran'ny famonjena hatramin'ny faravazan-tany. Ny hery ho entina manatontosa izany dia efa nomen'ilay niantso hatrany am-bohoka, saingy zava-dehibe ny fahatsapan'ilay voaatso ny fitahian'ilay niantso azy ka hilazany hoe "Andriamanitra no heriko". Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany. Manaporofo izany ny salamo setriny (Sal 39, 2-10) izay milaza ny fitokisana an'Iahveh ho fototry ny fahasambarana.

 

Izany no mampirehareha an'i Paoly amin'ny maha-Apostoly [2] azy (vak II I Kor 1, 1-3) : voaantso ho masina sy hitahiry izany fahamasinana izany. Adidin'ny Apostoly araka izany ny mirary fahasoavana sy fiadanana ho an'ny vahoaka nankinina aminy, satria izany no heveriny ho harena miavosa na ara-batana na ara-tsaina fa tsy ara-panahy ihany (1Kor1,5).

Ao amin'i Kristy anefa, tsy mijanona ho Apostoly isika fa natsangana ho zanaka (Evanjely Jn 1, 29-34). Efa nandray ilay Fanahy fananganan-janaka. Tsy ho sanatria anefa manamaivana ny asa aman'andraikitra izany. Na mpanompo toa an'i Izaia, na Apostoly toa an'i Paoly na Zanaka toa an'i Jesoa dia iray ihany ny iraka anirahana antsika : ny hitaran'ny famonjena hatrany amin'ny fara-vazan-tany, araka ny hafatr'i Jesoa rahateo : hampianatra ny firenena rehetra hitandrina ny fampianaran'i Jesoa, hanao batemy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina (Mt 28, 19-20).

Tsy ny hamafin'ny asa araka izany no hampitaraina. Miaraka amintsika mandrakariva rahateo i Kristy araka ny fampanantenany (Mt 28, 20). Miantso antsika ho zanany Andriamanitra, mihoatra ny nambombany an'ilay Mpanompony Izaia sy ny nankaherezany an'i Paoly Apostoliny. Ny fahatsapana ny fitiavany araka izany no tokony hanentana antsika hiasa fa tsy sanatria ny tahotry ny mpanompo na ny filan-deran'ny iraka [3]. Izany no anekentsika ho Zanak'ondry manaiky atao sorona ho onitry ny otan'ny hafa.

Hoezahantsika ary ny hanao izay adidy tandrify antsika eo am-pandinihana sy am-pandalinana ny Batemy noraisintsika, Batemy izay nananganana antsika ho zanaka malalan'Andriamanitra.

 

Raha te handova fanjakana be olona isika dia hiezaka hiasa ho an'i Dada mba ho maro no ho voavonjy: ho maro no mety hanjakàny. Dia ho ataontsika ambanin-javatra ve ny fanitarana ny fanjakan'ny Raintsika?



[1] db,[, ßdb;[' dia midika hoe miasa, manatanteraka iraka iray. Amin'ny dikanteny andavan'andro dia hoe miasa ho an-dRainilezafy! Miasa maina.

 

[2] avpo,stoloj ß ste,llw : midika ho iraka mialoha lalana any amin'ny toerana iray : ny apostoly dia mahalala mazava ao antsainy ny iraka nampanaovina azy!

 

[3] Apostoly manko raha ara-bakiteny dia azo adika ho ambasadaoro…

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0576