Alahady faha-10 mandavantsaona Taona A

Tonga hanavotra ny mpanota i Kristy
Sorona

Manamafy orina ny Finoana sy ny fiainam-pinoana ny fihainoana sy fitandremana ny Tenin'Andriamanitra. Tsy ny mba ho hitan'ny olona na ho fisehosehoana ivelany na mba hikendrena tombontsoa manokana anefa izany fa ho fikatsahana ny Fanjakan'Andriamanitra[1]. Voaantso ho amin'izany lalam-pahamasinana izany avokoa isika. Tsy miankina amin'izay mety ho anton'asa na izay toe-piainana. Tantarain'i Matio antsika ny nandraisany ny antson'ny Tompo teo am-pamorian-ketra (Evanjely) sy ny nahatarihany ireo poblikana sy mpanota namany hanatona an'i Jesoa.

Ambaran'i Jesoa fa tsy ny fahotana no "Areti-mifindra"[2] fa ny finoana. Manaloka fa tsy mahafoana ilay endrik'Andriamanitra nahariana ny olombelona tokoa manko ny fahotana. Fantatsika fa manapaka ny rohim-pahasoavana hifandraisana amin'Andriamanitra ny filatsahana amin'ny fahotana, saingy mahavaka ny saina ny filazan'i Jesoa ho "sakaizan'ny Mpanota".

Marina izany satria tsy azo ampitoviana amin'ny fahotana vitany ny olona nanota! Ambetin-teny indraindray ny mivavaka ho fibebahan'ny mpanota, saingy manamafy fa "ny tanana zatra mitsotra tsy afaka hivonkona intsony", izany hoe tsy mino akory fa azon'ny Fanahin'Andriamanitra atao ny mampibebaka ny fon'ny olona. Izany anefa no vavaka ataontsika dia ny mba hahita ny marina sy hahazo hery hanatontosa azy, satria mino fa ny Eokaristia dia hanafaka antsika amin'ny ratsy rehetra sy hitarika antsika hizotra amin'ny lala-mahitsy (vavaka aorian'ny kominio). Dia mahalasa saina ary mampanontany tena hoe tena mino ny fibebahana ve isika?

Ho porofon'ny fibebahana sy ho fangatahana famelàna no nanolorana ny sorom-pifonana sy ny fampijalian-tena. Nentina hanaporofoana fahafoizana, izany hoe takalo ho an'ny sazy tokony ho efaina. I Kristy no solo voina noho ny hadisoantsika hoy i Paoly (Vakiteny II) satria raha ny fahotantsika dia mendrika ho faty isika, saingy novidiany lafo tamin'ny rany. Raha araka ny lalàn'ny sorona dia manam-pahefana amin'ny fahavelomantsika izany i Kristy nisolo heloka! Ary izany tokoa satria Izy no hitsarana antsika.

Tsy ny Sorona amin'ny maha-sorona azy anefa no inona, fa ny heviny sy ny antony hanolorana azy : ny Famindram-po asehon'ilay anaovana ny Sorona. Ny fikelezana aina hahalala ny Tompo (Vakiteny I) dia tsy inona fa fikelezana aina hanana ny Fiainana mandrakizay (Jn 17, 3).

Ny Famindrampon'Andriamanitra dia tsy voavidim-bola nefa maimaim-poana. Ny Sorom-panonerana atolontsika aminy, ny Mofo sy Divay atolontsika, dia ambaran'ny Salamo setriny (Sal 49) fa Azy avokoa. Sitrak'i Kristy anefa ny hampianatra antsika ny tena sorona ankasitrahan'Andriamanitra dia ny "fanoloran-tenantsika" hanao ny sitrapon'ny Ray (Sal 40, 7-9). Izany no asehontsika ankariary amin'ny Sakramenta sy sakramentaly (Voady...) izay ataontsika eo anatrehan'ny Fiangonana na ao am-pontsika samirery.

Andeha ary samy hiezaka hahatsapa izany halehibeazan'ny Fitiavan'Andriamanitra izany, fa izany no namindrany fo tamintsika mba hanatonantsika azy fa hitaomantsika ny hafa koa[3], tahaka an'i Matio, hiombona, hifampizara ny mofo manodidina ny latabatry ny Tompo.



[1] Alahady faha-8 (jereo eto)

[2] Contagieuse

[3] satria voairaka hiantso ny Mpanota koa isika, araka ny ohatra navelan'i Kristy, ary izany no maha-firenena Mpisorona antsika (alahady heriny 11A)


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0673