6 Janoary : Epifania

Izao Tontolo izao no irin’Andriamanitra ho Eglizy Fianakaviany.

 

 

Ny fisehoan’ny Tompo (EPIFANIA jereo tsy eto fa eto ) amin’ny Majy tatsinanana ambaran’ny Evanjely anio (Mt 2, 1-12) dia maneho amintsika ny halehiben’ny Fitiavan’ilay maninry hiantso ny firenena rehetra hankalazana ny anarany. Faminaniana efa nambaran’i Izaia dimanjato taona mialoha izany, dia ny amin’ilay fanantenana hamelombelona an’i Jerosalema, rehefa hiposaka ilay hazavana hitarika ny firenen-drehetra ho eo aminy (Iz 60, 1-6).

Izay fanantonana ny hazavana izany no famantaram-pibebahana lazain’Izaia fa hany loharanom-pamonjena ho an’Israely. Mialoha io filazana ny famirapiratan’i Jerosalema io manko (Iz 59), dia ambaran’Izaia mazava tsara fa ny fahotana no nampisy efitra mampisaraka amin’Andriamanitra ka nanafenantsika ny tavantsika tsy hihaino ny feony (and. 2),[1] ary ny hazavan’ilay tonga handrava ny haizina (Jn 1, 1-18) no iantsoany antsika hiala amin’ny fahotana ka amindrany fo (1 Pi 2, 9-10).

Ny olombelona rehetra tsy ankanavaka no antsoina handova ny fiainana. Izay firaisan-dova izany dia tsy hahavelom-pialonana sanatria na hampitsanga-menatra ho toy ny zanak’ikalahafa (Efez 3, 2-6), satria atambatry ny Evanjelin’i Kristy ho iray. Isika tsirairay ary no samy mandini-tena amin’izay ataony raha toa ka noho ny evanjely na noho ny tombon-tsoa manokana no hiasana ao am-piangonana. Mampalahelo manko indraindray ny fiadivan-tseza sy fifampialonana na dia amin’izay hanitarana ny evanjely aza.

I Paoly dia nampahatsiaro ny efeziana fa ny fandraharahana[2] nankinin’Andriamanitra taminy dia ho entina hanasoa ny besinimaro (and. 2-3), tsy misy hireharehana satria fanilovan’ny Fanahy fa tsy fahendren’olombelona (and. 5).

Fa izay mahatsiaro ho nasoavina dia hanatitra izay mba kely ananana ho fanomezana, ho fankasitrahana. Ny Salamo 71 milaza amintsika ny antony anateran’ireo Mpanjaka vahiny (Seba sy Saba) ny hasina sy ny hetra ho an’YHWH satria manafaka ny mahantra mitaraina aminy, hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana ary mamonjy ny ain’ny mahantra.

Isika no tanana sitrak’Andriamanitra hanatanteraka izany asa soa izany, ary ny fanatanterahana izany didim-pitiavana izany no hitsarana antsika (Mt 25). Izany no hanehoantsika ny endrik’Andriamanitra tsy hita maso (Jn 1, 18//Kol 1, 15) amin’ny olombelona rehetra ka hahatonga azy ireo hanao voady mandrakizay sy hisaotra Azy isan’andro (Sal 71 tohiny and 15).

Isika kosa hanokatra ny rakitry ny fontsika ka hanohy hanolotra ny Volamenan’ny Fitiavana, maha-Mpanjaka antsika, ny Emboky ny Fivavahana maha-mpisorona antsika ary ny miran’ny fitolomana maha-mpaminany antsika ka hijoroantsika ho vavolombelon’ny Tenin’Andriamanitra, izay Fanilo ho amin’ny Fiainana. Hotsaroantsika manokana ilay zary kintana nitondra an’i Jesoa ho eo anivontsika ka inoantsika hitondra antsika koa hahita an’i Jesoa eo am-pizarana ny mofo, dia ny mofon’ny Eokaristia sy ny mofo hany mba ananantsika mba hivelomana. Tsy iza iznay fa i Masina Maria, ilay Kintan’ny Ranomasina, hitarika antsika ho eo an-tseranana na dia manonja aza ny adim-piainana.



[1] Azo jerena koa ny hevitry ny and. 6 amin’ny toko 60 , (na dia hoe taranak’i Abrahama aza ireo araka ny naoty ao amin’ny Biaboly) hoe rakotry ny angamenavava mbamin’ny rameva avy any Madiana (ara-bakiteny = adikitrana) sy Efa (ara-bakiteny Haizina). Na mitambesatra aza ny tsiahin’ny fahotana sesehena, ny famindram-po koa manome fanantenana (Seba ara-bakiteny tsimoka) ho amin’ny fiainana voavao, hahafahana mitondra volamena sy emboka manitra ho an’ny Tompo.

[2] Adikan’ny Baiboly hoe fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra (Charis) : fanomezam-pahasoavana

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103