1 Novambra 2008

Fankalazana Manetriketrika

ny Olontsambatra rehetra

Ny fetin'ny 1 novambra sy ny fahatsiarovana ireo nodimandry ny 2 novambra dia tsy afa-misaraka.[1] Izay no ventesintsika amin’ny Fiekem-pinoana isan’alahady. Ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana[2] fa Fiombonan’ny olomasina ny Fiangonana satria atambatry ny Eokaristia ho Vatana iray ihany ao amin’i Kristy ka izay ataon’ny tsirairay ao amin’i Kristy sy miaraka Aminy –na vavaka na fiaretana fahoriana – dia mitondra vokatra ho an’ny daholobe. Fiombonan’ireo toko telo mamorona ny Fiangonana ary ireto andro ireto, dia ireo olontsambatra any an-danitra izay midera ny voninahitr’Andriamanitra, ireo fanahy manefa ny sazim-pahotana ka miandry ny vavaka ataontsika ary isika mpivahiny miomana amin’ny fihaonana amin’Ilay Mpampakatra, dia i Kristy Tompo.

Tsy ny 144000 voahisy fitomboka (Vakiteny I 1 nov) ihany akory no hiditra ny vohitry ny Tompo fa izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mba mianiana hahavoa ny namana. Iza no hovonjena? Ireo izay mikaroka ny tavan’ny Tompo (Salamo setriny 23).

Ny fankalazana ny fetin’ny olomasina rehetra dia tokony hampirehitra ao am-pontsika izany fanirìna hitady ny Tavan’Izy Tompo izany, faniriana hahita Azy araka ny tena toetrany (Vakiteny II 1 nov I Jo 3, 1-3) izay hanome hery antsika handio tena mba hadio tahaka Azy, hanomana ilay akanjo fitondra amin’ny fampakarana (jereo Alahady 28 A).

Ny fahatsiarovana ny maty kosa indray, dia sady adidy masina, no tokony hampahatsiaro antsika ny hiafarana. Tsy misy dikany manko ny mivavaka hahazoan’ny havantsika ny fiainana mandrakizay raha isika aza tsy te ho any. Tokony izany faniriana hahita ny Tavan’ilay Andriamanitra Marina (Sal 23) izay no hanentana antsika sy hamelona ny fanantenana hivavaka ho an’ny fialan-tsasatry ny maty. Izay no hamafisin’ny vaikiteny I (2 nov) hoe : “raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty, ny miaramila maty an'ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an'ny maty” (2 Mak 12, 43-46).

Ireo fahasambarana valo tanisain’ny Evanjely (Mt 5, 1-12) no tokony ho fanilo hanazava ny fontsika, hanafaka antsika amin’ny mety ho fahasambarana sandoka hiraiketan’ny fo: ny fahantrana am-panahy, ny fahoriana aman-danomaso[3], ny halemem-panahy, ny hetahetam-pahamarinana, ny famindram-po, ny hadiovam-po, ny fihavanana, ny fiaretana ny enjika sy ny fanendrikendrehana noho ny amin’i Kristy!

Hiezahantsika hatrany anie ny hanadio ny fontsika, hahafahantsika manome ny toerana sahaza an’Andriamanitra, araka ny lazain’i Md Joany hoe : “Amena! An'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery!” (Apok 7, 9-14).



[1] Azonareo jerena eto ny fampizarana taloha sy ny fanazavana tsotsotra ny amin’izany fahastiarovana izany (1 novambra2 novambra sy ny naoty 1)

[2] Jereo ny Katsesizin’ny Fiangonana Katolika (famintinana), lah. 960-962

[3] Ny dikanteny malagasy dia nampifamadika ny and. 4 sy ny 5 ( ampitahao version BJ vs TOB)

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098