Trinité Masina

Ny alahady manaraka ny pentekôty no ankalazana ny Trinité Masina.
Maro ireo teôlôjianina sy mistika no nanoratra momba ny Trinité Masina. Fototry ny finoantsika kristianina io, satria io Ilay Andriamanitra inoantsika. Andriamanitra tokana, olona telo. Toa sarotra tokoa no mieritreritra Azy. Raha mijanona amin’ny isa fotsiny isika dia toa manana Andriamanitra telo. Mistery anefa ny Trinité !
Ny azo ifampizarana amintsika eto momba ny Trinité dia ny fiombonana ao amin’ireo olona telo ireo. Fiombonan’ny Ray amin’ny Zanaka ary ny Fanahy. Ny famonjena antsika dia noho io fiombonana io. Izay fiombonana izay anefa dia misy fifandraisana koa. Mety azo adika koa hoe serasera izany. Ny maha-Iray azy ireo dia avy amin’io fiombonana sy fifandraisana io. Ary izay fifandraisana izay dia tsy nijanona teo amin’izy ireo ihany, fa nifampizarany tamintsika olombelona ihany koa, efa hatrany amin’ny fahariana, fa ny tena ivon’izany dia ny fahatongavan’ny Zanaka ho nofo toa antsika. Manentana antsika hahay mifandray sy mifanerasera izany eo amintsika samy isika.
Ny tena amintinana ity misterin’ny Trinité Masina ity angamba dia ny fitiavana. Ireo rehetra voalaza eo ambony ireo dia tanteraka noho ny fitiavana. Andriamanitra dia fitiavana !
Farany, ny tantaran’i Masindahy Augustin, mpandinika sy Aban’ny Fiangonana, momba ny Trinité dia manambara tanteraka ny maha mistery Azy ity. Raha teny amoron-dranomasina manko ny lehilahy, dia nahita zaza iray, nitaona ny ranomasina tamin’ny kapsily, ary nieritreritra ny hampiditra io ranomasimbe io ao anaty lavaka kely. Hadalana be izany, hoy i Augustin. Ary dia novalian’ilay zaza izy hoe, ianao no adala kokoa noho izaho, noho ianao mieritreritra ny hiditra tanteraka ao anatin’ny misterin’ny Trinité Masina. Lehibe sy lalina lavitra noho io ranomasina io izany. Mistery ! Mitaky finoana aloha izany rehetra izany.
Bariry

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203