"Tonga aho hitondra afo ary akory ny faniriako hirehetany..."

Somary manahirana ny tenin’i Jesoa amin’ny evanjely anio raha jerena maimaika sy raisina ara-bakiteny. Ambetin-teniny amin’ny fampianarany mantsy ny Fiadanana, ary io no teny lazainy voalohany ho fiarahabana ny mpianany ary asainy torin’izy ireo (Mt 10,12ss; Lk 10,5ss...sns), ka ahoana eto Izy milaza fa tsy hitondra Fiadanana fa kosa fisarahana?

Mino aho fa tian’i Jesoa hahitsy ny fomba fahazahoantsika ny teny hoe Fiadanana. Tsy hoe tsy fisian’ady ihany akory na koa irony “paix” lazaina fa nosoniavina tetsy sy teroa ireny (signature ataon’ny diplomaty handaminana olana ara-politika) no “PAIX” tiany homena antsika. “Omeko anareo ny Fiadanako,..tsy toy ny fanomen’izao tontola izao...” (Jn 14, 27). Ny Fiadanana omen’i Kristy antsika dia fahasambarana anaty ateraky ny firaisana aina aminy sy ny fanaovana ny sitrapony; hany ka na dia mety hisedra zavatra miendrika ady ety ivelany aza isika dia tsy voakasika izany Fiadanana izany satria toetra (état) fa tsy zavatra miova arakaraky ny zava-misy ety ivelany akory.

Raha ny tsy fisian’ady sy olana no heverina fa fiadanana, dia mazava fa raha te-hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika dia mety ho foana izany fiadanana izany satria mety samy hanana ny fahareseny lahatra sy ny halehiben’ny finoany ny tsirairay : ny reny hisaraka amin’ny zananany vavy, ny ray amin’ny zanaka lahy sy ny sisa... Ny tena Fiadanana entin’i Kristy anefa dia mitoetra mandrakariva na dia mety hisy aza ireo olana sy ady ivelany ireo. Ny fototra iorenanay dia ny faharesen-dahatra fa manao ny sitrapony. Mino aho fa nahazo tsara an’io i Md François d’Assise raha niteny hoe “ Ny Andriamanintsika dia tsy mba afa-po mora foana. Manome ny Fiadanana Izy, saingy tsy mamela antsika hiadana (ilay fiadanana araka ny famaritantsika tsotsotra azy no tiany hambara eto)”. Amin’ny teny italiana moa izy mazavazava kokoa sady miady rima kely: “Dio ci dà la pace ma non ci lascia in pace.”

Raha mifamaly amin’ny ray na ny reny ny zanaka noho ny fikasana hanao ny sitrapon’Andriamanitra dia mety ho endrik’ilay afo lazain’i Kristy fa nentiny ka tiany hirehitra izany. Tiany hirehim-pitiavana Azy sy ny Fanjakany isika ka na mety hiteraka ady ety ivelany aza izany dia tsy hanala ilay Fiadanana apetrany ao am-pontsika.

Mba hirehitra lalan-dava ao am-pontsika anie io Afo io ka honenan’ny Fiadanan’i Kristy isika na dia mety hisy fifanolanana ami{mosimage}n’ny olona eo am-pitadiavana ny sitrapoNy aza.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01