Ny anjara tsara indrindra ?

Tsy maha-vahiny ny maro intsony angamba ity evanjelin’i Lioka momba an’i Marta sy Maria izay mandray an’i Jesoa ity. Voalaza fa i Maria ny nofidy ny anjara tsara indrindra, noho izy nifidy ny nihaino an’i Jesoa, Ilay Tenin’ny fiainana. I Marta kosa, noheverina fa sahirana amin’ny zavatra ivelany fotsiny : « maro herehina sy be heverina » !

Taratry ny fianantsika andavanandro ireo. Ny hifampizarako amintsika eto, dia somary hafa kely noho ireo famakafakana efa mahazatra hatramin’izay ny amin’ity evanjely androany alahady ity. Tsy hoe akory i Marta tsy nahay nifidy ny tokony hatao, na koa i Maria no nahalala ny tokony hatao. Raha ny fiainan-drelijiozy ohatra no jerena, dia taratry ny fomba firehana roa i Maria sy i Marta. I Maria taratr’ireo fikambanana “mihiboka” (contemplative), ary i Marta kosa taratr’ireo fikambanana apostôlika. Ny contemplative fotsiny, na koa ny apôtsôlika fotsiny, dia tsy ampy raha mandeha irery, raha eo amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy roa miaraka no mahavita azy.

Eo amin’ny fiainantsika andavanandro koa matetika dia sahirana amin’ireo izay hahatomombana ny fiainantsika, na fianam-pianakavina isika (Ekôlazy, sakafo, jiro, fiara…). Hany ka lasa hadino ny fiainam-panahy. Tsarovy anefa, fa rehefa mahavita tsara ny adidinao amin’ny olona, amin’ny aankohonana, amin’ny namana ianao, dia efa fanitarana goavana ny Fanjakan’Andriamnitra izay! Mahaiza misaotra sy mitodika aminy ! Ny olona voavonjy manko, hoy i Md Irénée izay, no voninahitr’Andriamanitra.

Alao hery, àry moa, fa tsy mora ny mahay mampiaraka, mba hampirindra ireo toetra roa ireo eo amin’ny fiainana. Satria manko, izy roa vavy no niara-nandray an'i Jesoa, fa tsy hoe akory i Maria ihany, na koa hoe i Marta ihany !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0616