Niakatra any an-danitra Izy

 


 

Didim-pitiavana, fanomezam-piadanana. Ireo no hafatra napetrak’i Jesoa tamin’ny evanjely nandritra ny alahady roa izay. Nanafatra ireo Izy satria tsy ho eo amin’ny mpianany intsony.

Azo eritreritina ho fisarahana ve ny fiakaran’ny Tompo any an-danitra ?

Lasa ny Tompo, dia tsy hitan’ny mpianatra intsony. Tsarovy anefa, fa alohan’ny hiakarany izy, araka ny voalazan’i Lioka, dia nanazava ny soratra masina, sy ny asa izay nanirahan’ny Ray azy. Tsy vitan’izany fa mbola nandefa ny Fanahiny koa izy. Ary mbola nilaza koa aza hoe “ ho eo aminareo mandrakariva aho”.

Eo amintsika mandrakariva ny Tompo amin’ny alalan’ny Soratra Masina sy ny Eokaristia. Miara-dàlana amintsika Izy. Ny votoatin’ny hafatra lehibe napetrany eto, dia ny hanohizana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Tsy inona tsy akory izany fa fijoroana ho vavolombelona. Vavolombelona manambara fa Izy Jesoa no Tompo, Izy no Zanak’Andriamanitra. Izy no nahariana an’izao rehetra, ary ny hamonjy antsika no nanolorany ny tenany ho sorona, mba ho fanalana ny fahotana.

Ny Fiangonana dia manohy ny asan’i Kristy. Ny mpino kristianina rehetra dia voaantso hanohy ny asan’i Kristy amin’ny fiainany andavandro any amin’ny sehetra misy azy avy. Ndao ary hiara-manavao ny tany, hifanampy sy hifampitsimbina ka samy hanandratra avo ny maha-olona dia ho tanteraka tokoa lay Fiadanana nampanantenaina, ary ho tena vavolombelon'i Kristy marina isika amin'izay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105