Marta sy Maria

Alahady faha-16 mandavantaona (Lk 10, 38-42)

Araka ny Evanjely androany (Lioka 10, 38-42) dia mitantara ny resaka Maria sy Marta ny Evanjely, ka tonga ao an-tsaina ny mety ho fampitahana na ny fisafidianana ny asa amin'ny vavaka : ny fahambonian'ny Fiahainoana ny tenin'i Jesoa, tahaka an'i Maria, ilay nifidy ny tsara indrindra.

Tsy azo adinoina anefa ny lanjan'ìty evanjely ity satria toa tohatra mampitohy ny asa fitiava-namana amin'ny tena vavaka sitrak'Andriamanitra. Tamin'ny alahady heriny (faha-15) dia henontsika ny tantaran'ilay Samaritana (ara-bakiteny = Mpitily) izay nahatsikaritra ka namonjy ny fahorian'ilay navelan'ny Jiolahy. Amin'ny Alahady manaraka kosa, hohenointsika ny Vavaka nampianarin'i Jesoa (Tompo o, ampianaro mivavaka izahay).

Dia eo no hahatsapantsika fa tsy dia resaka fampitahana loatra ny vavaka sy ny asa no tian'i Jesoa ambara, fa kosa, ny antony hanaovantsika ny asa : nifidy ny tsara indrindra i Maria, satria tsy izay mahafinaritra azy no nataony, fa ny tian'ilay "notiaviny"... Aoka tsy ho be herehana toa an'i Marta ary isika, tsy hanao ny asa fitiava-namana loatra mba ho hitan'i Jesoa, ka hangata-maso hanao hoe : "tsy mampaninona anao ve... tsy hitanao ve izaho miasa io???"

Raha tiantsika hahasoa ny asa fitiava-namana dia aoka hanomboka amin'ny anjara tsara indrindra sitrak'i Jesoa : ny mahay mitily ny fahorian'ny mahantra toa ilay samaritana (aza adino fa hoy i Jesoa hoe : manaova tahaka izany koa) ary hahay hijery ny endriny ao amin'ny mahantra sy ny kamboty, hahay hitoetra eo an-tongony, hihaino mandrakariva ny feony, ka tsy hisahirana hanao afa-tsy ny sitrany.

jereo eto

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1821