Iza no hotiaviko?

Androany isika dia mandre ilay tantara malazan'ilay Samaritanina tsara fanahy. Ny rehetra dia nandalo an'ity olona iray izay maratra sy niantso vonjy, ilay Samaritanina kosa dia niantra sy namonjy ary nahafoy fananana hitsaboana azy. Ny hevi-dehibe dia hoe fantatra fa ny tokony hatao dia ny mitia, ny hany lalàna dia ny fitiavana, fa ahoana kosa no fomba entina mitia? Ahoana ny tena fitiavana, dia iza no hotiavina? Matetika mantsy rehefa mitia dia miandry hatrany valim-pitia... na eto an-tany na any an-danitra. Ny fampianarana androany kosa mampiseho fa maimaim-poana ny Fitiavana. I Jesoa no modelin'ny Fitiavana voalohany indrindra. Izy no tahaka ilay Samaritanina izay namonjy ity olona tsy mitovy firazanana aminy sy tsy fantany akory. Izy no ilay namonjy maimaimpoana ary nahafoy ny ainy ho fitiavana. Koa raha tena hitia dia azo atomboka amin'ny fitiavana ireo olona izay hita fa tsy hahavaly ny fitiavantsika akory izany. Ireo mahantra, ireo any amin'ny hopitaly, ireo any am-ponja. Manampy ireo olona mila fanampiana tokoa na dia tsy olom-pantatra sy tsy afaka mamaly aza. Omeo fitiavana izahay, Tompo, hitiavanay tahaka ny nitiavanao anay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0874