Hay teo foana i Kristy

320px-the_incredulity_of_saint_thomas_by_caravaggio.jpg
Nony nitsangana tamin'ny maty ny Tompo dia resiny niaraka tamin'ny fahafatesana ireo fefy izay mametra ny olombelona toy ny fotoana sy ny toerana. Tsy voafetran'ny fotoana sy ny toerana intsony izy. Nivelatra tanteraka izany ny fahafahan'ny olona mifandray sy mihaona aminy. Tsy ireo mpianatra nanodidina azy fotsiny intsony no afaka mihaino ny feony fa izay rehetra manokatra ny fony ka vonona ny handray izany.
Ny harivan'ny Paka mantsy dia tonga teo anivon'ny mpianatra izay nivory i Jesoa na dia nihidy aza ny varavarana... toa manamafy ilay hoe "raha misy roa na telo mivory amin'ny anarako dia eo anivon'izy ireo aho". Ary valo andro taorian'izay, izany hoe ny alahady manaraka, dia mbola nivory ihany ny mpianatra, niaraka tamin'i Tomà, dia mbola tonga teo anivon'izy ireo koa i Jesoa. Ary ny teniny tamin'i Tomà izay tsy nino dia hoe "Sambatra ireo tsy mahita nefa mino".
Na tsy mahita azy aza isika dia miaraka amintsika izy. Na tsy mino azy aza isika dia eo anilantsika izy... fa sambatra kokoa isika raha mahatsapa izany fisiany eo anilantsika izany.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776