Fetin'ny Sakramenta Masina

saint-sacrement.jpg

Mifampitohy, mifanesy ireo fety nakalazaina tato ho ato. Anio dia ny fetin’ny Sakramenta Masina. Fety ankalazana ny Vatana sy Rà Masin’i Jesoa. Ny evanlelin’ny Lioka ho antsika amin’ity alahady ity dia mitantara ny fampitomboana mofo, fa tsy ny namoronan’i Jesoa ny Eokaristia tamin’ny alakamisy masina akory. Misy dikany lalina izany.

Raha mahatsikaritra isika, dia hita ao amin’ny evanjely efatra ny fitantantarana ny fampitomboan’i Jesoa ny mofo ity, saingy ny fomba fitantarana azy no samihafa, arakaraky ny olona nanoratra azy, sy ny olona nanambarany azy tamin’izay.

Mofo dimy sy hazandrano roa, lasa naha-voky olona anarivony maro (ny lehilahy ihany no efa 5 arivo, ankoatran’ireo zaza amim-behivavy izay mihoatra lavitra an’io !)

Mampitolagaga tokoa izany. Ny azontsika raisina ankehitriny amin’io evanjely io, dia tsy hoe akory hiandry mofo sy trondro hitombo! Ny mihoatra lavitra an’izany no tena katsahina. Dia tsy inona tsy akory fa ny hetahetan’ny olona izay maniry mafy hahazo famonjena amin’ny lafiny maro isankarazany. Ny mpiasa madinika mangetaheta fahamarinana, ny tany miady te-hiaina ao anaty fandriam-pahalemana. Ny manirery mila olona hifampizarana, ny sahirana ara-panahy mila fanamaivanana…. Ireny rehetra ireny no fampitomboana mofo ankehitriny.

Ny tena lesona lehibe tian’io evanjely io hambara manko dia ny hananantsika kristianina tsirairay avy ny toe-panahy lehibe iray dia ny fifampizarana.

Io toe-panahy io no iezaho hiainana isanandro ! Alao hery ary fa tsy mora izany, kanefa tsarovy fa sambatra kokoa izay manome noho izay mandray Eny fan a dia ny Apôstôly aza, nony nilazan’i Jesoa hoe “omeonareo hanina izy ireo”, dia niala, ary nilaza fa tsy manana na inona na inona hafa tsy mofo dimy hazandrano roa. Ireo kely nanany anefa nony nozaraina, dia lasa nitombo be !

Bariry

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0689