Didy Vaovao, Tany Vaovao

Didy vaovao no avelako ho anareo... dia ny mba hifankatiavanareo. Ny didy folo izay voarain'i Moizy teny an-tendrombohitr'i Sinai dia efa didim-pitiavana. Manasa ny olona hitia an'Andriamanitra sy ny namana. Nahoana no mbola lazain'i Jesoa ho didy vaovao ny didim-pitiavana? Nandritra ny taonjato maro niainan'ny Jiosy ireo didim-pitiavana ireo dia narahina toa ny Didy fotsiny izany matetika. Mihantra olona satria izay no lalàna. Mitia satria izay no didy. Fa ny didy omen'i Jesoa kosa dia Fitiavana vaovao. Fitiavana tsy vokatry ny didy fa fitiavana vokatry ny fo. Tsy fitiavana mandray fa fitiavana manome. Fitiavana tsy mifantoka amin'ny tena fa fitiavana mitosaka ho an'ny hafa. Amin'izao anio izao dia havaozina indray izany Didy izany. Miandrandra fitiavana vaovao amin'ny kristianina tsirairay izao tontolo izao mba hahafantarana fa Kristianina marina izy ireo. Miandry fitiavana vaovao hanavao ny Tany... Efa nohavaoziny ny zavatra rehetra.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738