Alahady tsotra faha-32 D Mandavantaona

Hitsangan-ko velona ny maty

pques2.jpg

Manamafy ny finoana ny fiainana mandrakizay ireo Vakiteny sy Fety nankalazaintsika tao ho ato. [1] Ny hamafin'ny tolona atrehana kosa mampanontany tena ihany sao sanatria tsy misy izao lanitra izao. [2] Antitranterin'ny vakiteny anio anefa ny traikefam-piainan'ireo Mpino nialoha lalana antsika : finoana naharesy ny tahotra ka nananana hery niatrehana ny fampijaliana sy ny habibian'ny tsy mataho-tody (Vakiteny I).

"Ny lanitra no nahazoako ny zavatra rehetra[3],... ka vonona ny ho faty aho noho ny Lalàny". Izany no herim-po nananan'ireo Martirin'ny Finoana izany dia tokony hampandinika antsika manokana amin'ny fiainantsika ny Lalàn'ny fitiavana nomen'i Kristy antsika mpanara-dia Azy. Izy ireo noterena mba HANDIKA ny lalàna kanefa naleony maty toy izay hanota. Impiry anefa isika no amporisihina na terena mihitsy aza mba HITANDRINA ny Lalàna kanefa dia aleo milomano amin'ny mahazatra ihany... na himenomanona amin'izay manampy antsika hizotra amin'ny Lalan'ny Fiainana.

Amin'ny Evanjely ankalazaintsika androany, momba ireo Sadoseana [4] (Lk 20, 27-38) nampiasa ny Lalàna lévirat[5] hanaporofoana ny tsy fisian'ny fitsanganan-ko velona, dia ambaran'i Jesoa mazàva fa Andriamanitry ny Velona ny Andriamanitsika. Manamafy ny iraka (mission) nahatongavany ihany koa izany : Tonga aho mba hanananareo ny fiainana, ary hanananareo azy amin'ny hafenoana (jereo Jn 10,10).

Raha tsy misy ny Fiainana mandrakizay, dia atao izay hameloma-maso ny rahalahy mba haharetan'ny aina ao amin'ny taranany. Mazava loatra araka izany, ho an'ny Sadoseana, fa izay maha-metimety ny fiainana eto an-tany no atao, tsy ilaina ny mampitombo Lalàna sy ny forongony. Ho an'i Jesoa anefa, tsy tokony hihanona fotsiny amin'ny fitandremanana ny Didy mba hananana ny fiainana mandrakizay, antsoiny isika mba hizotra ny fiainam-pahalavorariana (Lk, 18, 18-27).

Mifototra amin'ny fandalinana ny Tenin'Andriamanitra anefa izany rehetra izany. Aza adino ny nolazain'i Jesoa tamin'ireo Sadoseana ireo : "Moa tsy diso hevitra ve ianareo ny amin'ny tsy fahafantaranareo ny Soratra masina sy ny Fahefan'Andriamanitra?" (Mk 12, 24). Tsy hataontsika antsirambina araka izany ny hivavaka mba handroso faingana ny Tenin'Andriamanitra ary hankalazaina hatraiza hatraiza araka ny nanafaran'i Md Paoly antsika (Vakiteny II).

Izay tsy mahalala ny Soratra Masina, tsy mahalala an'i Kristy hoy i Md Jerome[6], mamporisika antsika izany hankafy ny famakiana sy ny fandalinana ny Soratra Masina, hampitombo ny Finoantsika Azy, ilay loharanon'ny fiainana (Jn 11, 25). Ny fihaonana aminy, hoy isika[7], dia tokony hitondra fiovana eo amin'ny fìtondran-tena.

Tsy fandaminan-tsaina ny amin'ny tahotra ny fahafatesana sanatria ny finoantsika ny Fitsangana-ko velona, fa kosa vokatry ny faniriana hanohy ny Fiainana miaraka amin'Andriamanitra izay efa santarintsika sahady ao amin'ny Eokaristia ankalazaintsika, izay manambara ny Misterin'ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan'i Kristy ho velona.

è



 

[1] Alahady faha-26D mandavan-taona, novakiana Lk, 16, 19-31 momba an'ilay Mpanan-karena sy Lazara ferena, vao tamin'ny herinandro indray, ny fetin'ny olomasina sy ny Fahatsiarovana ny nodimandry...)

[2] Jereo eto

[3] Anio (11 nov) dia Androm-pisaorana (Giornata di ringraziamento) ho an'Italia, ka hamisavisana manokana ny loharano nahazoantsika ny soa : Andriamanitra nanome ny TANY (Madre terra).

[4] Mifanohitra amin'ny Farisiana, mitsipaka ny fitandremanana ny Lalàna ankoatra izay voasoratra ao amin'ny Boky dimin'i Moizy izy ireo, nannaa anjara manokana main'ny Fikarakarana ny Tempoly ary niavaka amin'ny tsy finoany ny momba ny zavatry ny lanitra : fitsangana-ko velona, fanahy, anjely...

[5] Avy amin'ny teny latinina levir izay nandikana ny teny ebrio jabam (zaodahy), natao indrindra mba tsy hahafaty taranaka ny fianakaviana, mba hamelo-maso ny anaran-dray. Ho an'ny Sadoseana dia porofo hilazana ny tsy fisian'ny fiainana aorian'ny fahafatesana, ankoatra ny taranaka...(jereo Det, 25, 5-10/ na Jen 38 momba an'i Tamar na Rt 4 izay nitatra ho an'ny olona ivelan'ny fianakaviana aza)

[6] (347-419/20) jereo eto ny audience générale tamin'ny 7 novambra lasa teo, nanazavan'ny Papa ny fiainan'i Md Jerome

[7] Alahady faha-31D momba an'i Zake

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095