Mandehana àry ka manaova toy izany koa

Alahady Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

“Mihainoa ny Feon’ny Tompo Andriamanitrao ianao, ka mitandrema ny didy aman-dàlany voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity; miverena amin’ny Tompo Andriamanitrao, amin’ny fonao manontolo sy amin’ny Fanahinao manontolo…” (Det 30, 10-11). Mazava dia mazava ny filazan’ny mpanoratra ny bokin’ny Deoteronomy azy ny amin’ny tokony hataoko, ny hataonao ary ny hataotsika rehetra eo amin’ny andavanandrom-piainantsika. Raha fintinina dia hevitra telo lehibe no azo tsoahina eto: mihaino ny Tenin’ny Tompo, mivelona izany ary miverina amin’ny Tompo raha sanatria misy fahalavoana fa olombelona mety solafaka. Izany fampianaram-pinoana izany no anombohan’ny Eglizy ny hafatrany ho antsika amin’ity alahady faha-15 mandavataona ity.

Io fiverenana amin’ny Tompo io kosa no amboaran-kira atolotrin’ny mpiventy Salamo (Sal.68): “Izaho mivavaka Aminao ry Tompo. Iantrao aho…Valio aho fa be fitiavana Ianao ary marina ny vonjinao… Todiho fa be ny hatsaram-ponao…”. Eo amin’ny vanim-potoana mahalavo ka maharendrika ny Fanahy ao anaty honahonam-pahotana, dia izany Vavaka izany no asain’ny Salamo ho ventesina mba hiverenana amin’ny fo tokoa amin’ny Tompo ary handraisana ny vonjy avy Aminy.

Azo antoka ny Fitiavan’Andriamanitra ary vonona ny handray ny fiverenantsika Aminy Izy; tsy hoe noho isika nifona sy nivalo teo anatrehany fotsiny fa indrindra noho i Kristy zanany efa natolony ho Fampihavanana antsika Aminy (Kol 1,15-20). Ny Fampihavanana nataon’i Kristy ho antsika amin’Andriamanitra Ray dia ny fanolorany ny ainy ho sorona tsy mialon-jafy sy ny Fampianarany ho ohatra ivelomana.

Vakiteny I : Det. 30:10-14,
Tononkira : Sal. 69:14,17,30-31,33-34,36,37,
Vakiteny II : Kol. 1:15-20,
Evanjely : Lk. 10:25-37,

Fampianarany ho antsika ary amin’ity Alahady ity, sy ny herinandro ho diavintsika izao ny hoe: “Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rehefa miverina aho” (Lk 10, 35).

Angamba tsy zoviana amintsika intsony ity andalan-tenin’ny Evanjely momba ilay Samaritana tsara fanahy ity. Ny ankamaroan’ireo fampianarana rehetra miainga amin’ity Evanjely momba ny Samaritana tsara fanahy ity dia manasa ny Kristianina mba hanao toy ny nataon’ilay samaritana avokoa. Fa eto kosa dia fomba fijery hafa no hitondratsika ny fanazavana.

Andeha aloha homentsika dikany sy homentsika endrik’olona tsirairay ireo sarin’olona voatanisan’ny Evanjely ireo. Ilay Samaritanina tsara fanahy dia i Kristy; Izy ihany no Samaritanina tsara fanahy. Ilay lehilahy hoany Jerikao kosa dia izaho, ianao ary isika tsirairay rehefa tojo ny sarotra sy lanahan’ny jiolahim-piainana. Ny jiolahy dia izaho, ianao, isika: jiolahy aho rehefa mitondra anao ho amin’ny faharatsiana ny ataoko sy ny teniko. Jiolahy ho ahy ianao rehefa mandratra ny ati-fanahiko ny endrim-pitondrantenanao. Jiolahy ho an’ny manodidina antsika, izaho sy ianao rehefa mitondra fahakiviam-piainana hoazy ireo ny ataontsika. Ireo mpisorona sy levita nandalo fotsiny dia tsy ny pretra na ny mpitondra fivavahana ihany tsy akory, fa izaho, ianao ary isika rehetra. Ilay tompon-trano ihany koa dia ny iray amitsika ireto ihany. Izany hoe, ireo olona rehetra voalazan’ny Evanjely ireo dia mety ho izaho, mety ho ianao ary tsy misy afaka hanondro tànana fa i ranona na i ranona ihany.

Jiolahy ho anao aho rehefa mandratra ny atifanahinao ny teniko sy ny ataoko; eto dia tsy ny ratra ara-nofo no tiana hasiana tsindrim-peo fa ny ratra am-panahy. Rehefa mitondra anao ho amin’ny fakam-panahy mandratra ny fahambonian’ny maha zanak’Andriamanitra anao aho dia jiolahy hirihiriny mihitsy. Ianao pretra, rehefa tsy mampifanaraka ny teninao sy ny fiainana takian’ny fanoloran-tena niantsoanao ny Fanahy Masina hanatrika sy hanoloana ianao, dia jiolahy raha miteraka fanafintohinana ho an’i kristianina-ondry andrasanao izany. Ianao lahika, rehefa manata-bava sy mahafotsy rora ary maharìtra aina ny pretra miandry anao dia jiolahy mandratra azy sy manimba ny ainy. Ianao relijiozy, rehefa mihatsaravelatsihy sy tia fosa ny rahavavinao na ny rahalahinao ianao dia jiolahy, satria tsy vitan’ny mandratra ny fon’ny iray fikambanana sy trano aminao fa mbola mitondra fanafitohinana ny manodidina anao ihany koa. Ianao zanaka, rehefa mampilatsa-dranomaso ny ray amandreninao amin’ny ditra sy ny herisetra dia jiolahy raindahiny. Ianao ray amandreny, rehefa manao fihetsika sy teny manafintohina ny zanakao dia jiolahy.

Soa fa teo i Jesoa ilay Samaritanina tsara. Izy no mamehy ny ferim-panahinao rehefa mandratra anao ny ataoko; Izy no manisy diloilo sy menaka fahasitranana amin’ny ferim-panahinao rehefa injay aho ka nahatafitohina anao amin’ny teniko.

Fa indrindra indrindra, soa fa teo ianao. Ianao io no ilay tompon-trano nitsabo sy nikarakara ahy. Ankinin’i Jesoa aminao ny fitsaboana ahy; ankininy aminao ny aiko: maty aho dia ianao, velona sy salama tsara aho dia ianao. Tompon-trano tsara fanahy sy mpitsabo ahy ianao io. Aminao ny fahavelomako. Marina fa nomen’ny Tompo denie anakiroa ianao hitsaboana ahy fa saingy tsy hahavita inona akory izany raha ny ho laninao amiko. Ianao io no dokoterako rehefa mamelombelona ny fanantenako ny teninao ka manasitrana ny ratram-poko ny teny mamy ifampizaranao amiko. Fanafodiko ny fiainanao mifanaraka amin’ny didi-pitiavana dradradradrainao isakin’ny alahady rehefa mitory teny ianao; diloilom-pahasitranako ny fahitako ny fihetsikao miara-monina amin’ny rahavavinao tsy misy fihatsaram-belatsihy. Ampy hahasitrana ny ratram-poko ny mahita anareo mivady mifankatia sy mifanaja eo am-panabezana ny zanakareo amin’ny finoana kristianina. Rehefa mitsabo ny ratram-po sy ratram-panahinao amin’ny teniko sy ny ataoko aho dia mankatò Ilay Samaritanina tsara Fanahy ka mamerina anao ho amin’ny fahavelomana noho ny ferim-panahy saika nitondra anao ho amin’ny fahafatesana. Mandehana àry ka manaova toy izany koa: Tsaboy izy fa na hoatrinona na hoatrinona laninao, dia honeran’i Jesoa rehefa miverina Izy.

Mirary alahady finaritra

 

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0917