Efa akaiky ny fanavotana anareo

Alahady Voalohany amin'ny Fiaviana

« Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo »

(Lk. 21: 28)

Miditra amin’ny taona Litorijika vaovao isika androany ka mankalaza ny Alahady voalohany amin’ny Fiaviana izay anomezan’ny Fiangonana ny Evanjely milaza indrindra ny fampiomanan’i Jesoa antsika ho vonona handray azy amin’ny fiaviany amim-boninahitra. Tsara ampahatsiahivina fa manomboka androany dia miditra amin’ny « Taona D » isika satria izany no fandaminana ataon’ny Fiangonana amin’ny fizarazarana ny taona Litorjika. Efa voalazantsika ombieny ombieny fa izao fankalazana ny Fiaviana izao dia fotoan-dehibe tokoa iomanantsika amin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely, izay ahatsiarovana isan-taona ny nahaterahan’i Jesoa Mpamonjy. Izy no ilay zanak’Andriamanitra tonga nofo ary niara-nonina tamintsika. Ny fotoanan’ny Fiaviana tahaka izao ihany koa no anasan’ny Fiangonana antsika manokana mba hanamafy hatrany ny finoantsika fa tena tonga nofo tokoa i Jesoa ary nanonolotra ny tenany ho faty teo amin’ny Hazofijaliana mba ho fanavotana antsika. Mialohan’ny nahafatesany dia nambarany mazava tsara fa mbola ho avy amim-boninahitra izy ka izany no tsy maintsy iomanantsika mandrakariva mba ho vonona handray azy amin’izany fahatongavany fanindroany izany.

Ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany mazava tsara fa « tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe : Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany ; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjo an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo » (Lk. 21: 25 – 28). Raha raisina ara-bakiteny dia mampihorohoro sy mampatahotra tokoa ny teny faminaniana ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely ity. Tsy mahagaga raha misy ireo izany manararaotra ka mandray io tenin’i Jesoa io mba hampatahorana ny olona sy hilazana fa ho tonga tsy ho ela ny faran-dro.

Na eo aza izany dia tsy misy tokony hatahorana satria ho antsika izay miaina ny finoana marina an’i Jesoa Kristy dia efa mahalala sy matoky fa tsy maintsy ho avy amim-boninahitra izy saingy efa nambarany fa : « izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany » (Marka 13: 32). Noho izany ny adidintsika dia ny miomana sy miandry izany fotoana izany amim-paharetana sy amim-pitoniana tanteraka. Mba hahamendrika antsika handray azy tsara amin’ny fotoana hiverenany indray dia mampianatra antsika i Jesoa mba tsy hovariana amin’ny fanaranam-po sy filibana fa hiezaka mandrakariva hiambina sy hivavaka satria tsy fantantsika tokoa izany andro sy ora izany. Hoy indrindra izy hoe : « Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e ! Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona » (Lk. 21: 34 – 36).

Matetika tokoa dia ny fihetsiketsehana ety ivelany no saika mahasarika ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana iomanana amin’ny Noely izao. Maro no efa mieritreritra ny amin’izay hitafiana sy hohanina ary hosotroina. Tena misy tokoa ireo izay vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao rehefa tonga ny Noely ka zary manadino ny tena hevitra fonosin’izany fety lehibe izany. Tsy hoe ratsy ny manomana sakafo sy zava-pisotro isan-karazany iarahan’ny mpianakavy mifaly rehefa tonga ny fety saingy tsy izay no tokony hatao loha-laharana. Ny tena anasana antsika dia ny fiomanam-panahy amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka sy mandray ny Sakramenta samihafa izay manampy antsika hiombona amin’i Jesoa tanteraka. Izany no nilazany hoe « miambena àry, ary mivavaha mandrakariva ». Mazava ho azy fa amin’ny alalan’ny fiambenana, izany hoe amin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Fampihavanana sy fifamelan-keloka ary amin’ny alalan’ny fivavahana tsy tapaka no ahafahantsika miomana tsara amin’ny fiavian’ny Jesoa amim-boninahitra indray fa tsy amin’ny alalan’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao tsy akory araka ny fampianarana omeny antsika amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana androany ity.

Mitalaho ny fahasoavany mandrakariva ary isika amin’izao Alahady voalohany amin’ny Fiaviana izao mba tena hiomana tsara amin’ny fandraisana an’i Jesoa izay tsy maintsy ho avy amim-boninahitra rehefa tonga ny fotoana hahatongavany araka ny efa nandaharan’Andriamanitra Ray azy. Mila miambina isika, ary mila mivavaka mandrakariva ihany koa mba tena hovonona tanteraka amin’izany andro izany. Noho izany, raha sendra nisy ny fahakamoana nivavaka indrindra ny fivavahana Alahady sy famonjena ireo Fety voadidy hohamasinina araka ny fandaharan’ny Fiangonana azy dia fotoana hiovana izao ary fotoana hanarenana izany satria ny fankalazana ny Fiaviana izay iomanantsika amin’ny Noely dia natokana indrindra handinihan-tena bebe kokoa amin’izay fifandraisantsika amin’Andriamanitra izay. Manasa antsika ihany koa izy hahay hifankatia sy hifamela heloka satria ny fotoanan’ny Noely dia natao hifanatonan’ny mpianakavy sy hamitranam-pihavanana ka raha nisy ny olana madinidinika dia fotoana tsara indrindra izao handravonana izany. Amin’izay dia ho tanteraka amintsika ny vavaka ataon’i Md Paoly izay voalaza ao amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « Ry kristianina havana, ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao ! Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olomasiny rehetra. Amen » (1 Tes. 3: 12 – 13)


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0465