Aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona

Alahady Fahafito amby roapolo tsotra Mandavan-taona

“Aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona”

(Mk 10,2-16)

    

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny Vakiteny aroson’ny Fiangonana ho antsika anio ary atolony ho vatsim-panahintsika indray mandritra ity herinandro vaovao diavintsika androany ity dia miompana manokana momba ny “Fanambadiana”. Noho izany, ny hatolotro eto izany dia ny fivoasana ny momba ny atao hoe “Fanambadiana” arakin’ny ilazan’ny Soratra Masina azy amintsika androany. Satria moa izy ity, araka ny efa lazaiko ombieny ombieny, dia tsy toriteny na fampianarana fa “fifampizarana” dia hataoko ihany. Fa raha ny tokony ho izy dia tsy mendrika ny hampianatra momba an’izany hoe “fanambadiana” izany aho; olona tsy manambady ve no hampianatra ny olona hanambady? Tonga amin’ny fitenindrazantsika hoe “Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena”. Marina fa Sakramenta no resahana, saingy inona moa ny maha-Sakramenta ny Fanambadiana raha tsy ny Fitiavana. Ary inona no maha-Fitiavana ny Fitiavana raha tsy olon-droa, lehilahy sy vehivavy mifanome toky fa hiara-dia mandramaty. Ka tsy “resaka” na “zavatra hay” tany an-tsekoly ny tontolon’ny sakramentan’ny Fanambadiana fa tena “Aina” sy “Fiainana” mihitsy. Raha olona tsy miaina izany, sarotra ny hahaizany ny momba izany. Ny hany azo atao angaha dia ny manao ambangovango izay “mety” ho zava-misy iainan’ny mpivady; miainga amin’ny fihainoana ireo zavatra iainan’ny mpanambady, fa indrindra indrindra miainga amin’ny zavatra iainana sy hita maso eo amin’ny fiainan’ny dada sy mama. Ny ankoatr’izay, raha pretra no manao ilay fampianarana dia fantazia sy eritreritra manidina fotsiny fa tsy mitombina satria aingam-panahy fotsiny. Fiainana ny Fanambadiana fa tsy Fahaizana an-taratasy sanatria. Koa averiko ihany, fifampizarana no ataoko fa tsy fampianarana momba ny fanambadiana fa tsy mendrika hampianatra izany aho na dia pretra aza.

Ny fanambadiana, fifanoloran-tenan’ny olona roa, lehilahy sy vehivavy, eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana ary ny Fianakaviana sy ny ankohonana dia Fifanomezan-tokim-pitiavana ataon’izy roa fa hiara-dia mandramaty, ao anatin’ny tsara ary ao anatin’ny ratsy, ka tsy hisaraka intsony na inona hidona na inona hihatra, fa hifankatia ary indrindra koa hifanaja. Ny androany ihany anefa no zavatra azo antoka fa ny ampitso tsy hay; ny olona roa mifanolo-pitiavana ho mandrakizay dia toy ny olona mitsambiki-mikipy. Mitsambiki-mikipy, saingy kosa efa mahazo toky ary efa mifanome toky fa ny ankilany dia hanohana ny andaniny ary ny andaniny ho mpitaty ny ankilany. Lazaina fa tsy misy mahalala ny ampitso ary tsy misy mahay maminany ny hoavy; saingy, ho ahy, ny olona roa mifanolotra fitiavana ka mifanakaiky fa hiara-dia mandramaty ao anatin’ny Fifankatiavana dia mahay maminany ny ampitso ary mahalala ny hoavy. Efa fantatr’izy ireo fa ny ampitso dia toy ny androany raha ny momba ny fifankatiavan’izy ireo. Saingy tsy fahalalana fe fahalalana fotsiny ny azy ireo fa fahalalana mifototra amin’ny fandavan-tena sy fahafoizana ny maha-izy azy ny tsirairay ary ny fampandeferana ny tena mba haha-tonga lafatra ny fiombonana sy ny firaisana. Tsy misy fifankatiavana ary tsy mify fiombonana mandeha araka ny tokony ho izy raha tsy misy ny fampandeferana ny maha-izy azy ny tena; raha tsy manaiky ny haha-ankilany ny andaniny ary ny andaniny ho tonga ankilany dia tsy hisy ny fifamenoana sy fitovian-tadin-dokanga. Izay fitoviana ao anatin’ny fahasamihafana izay no mitondra amin’ny fifamenoana ary ny fifamenoana no maha-iray ny olona roa. Rehefa tonga iray ny olona roa dia izay no Fanambadiana. Mirary tokantrano ho anareo rehetra manambady ary Mirary alahady finaritra ho an’ny rehetra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087