Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany

Alahady Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona

“Raha misy ta-hanaraka Ahy,

aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliana ka hanaraka Ahy”

(Mk 8, 27-35)

    

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Misy hevi-dehibe roa ao anatin’ny Evanjely vakiana amintsika androany amin’ity Alahady faha-24 mandavataona ity ary aroson’ny Fiangonana ho sakafom-panahintsika mandritra ity herinandro diavintsika ity. Ny hevi-dehibe voalohany dia ny maha-Kristy an’i Jesoa ary ny faharoa kosa dia ny Famonjena atolony ao anatin’ny fahafoizany ny Ainy. Eto am-piandohan’izao fifampizarana izao dia marihiko etoana fa mitondra hevi-pinoana lalina dia lalina ity ampahan’Evanjelin’i Masindahy Marka vakiana amintsika ity.

Ny fizarana voalohany, izany hoe ny andininy faha-27 ka hatramin’ny faha-30 dia fiekem-Pinoana lalina, nataon’ireo olona nihaino ny fampianaran’i Jesoa sy nahita ny zava-mahagaga maro nataony ary ny tena lalina indrindra dia ilay fiekem-Pinoana nataon’i Apôstôly izay nosoloin’i Piera vava. Ny fanontaniana nataon’i Jesoa dia fisakana am-bavany ny amin’ny iheveran’ny olona momba ny tenany. “iza aho ho anao?”, hoy Izy. Dia samy nanana ny famaritany moa ireo olona nihaino azy; ny sasany nilaza hoe i Joany Batista izay efa maty no niseho indray, ny sasany niteny hoe i Elia izay efa fahagolan-tany no mitranga hita maso indray ary ny sasany nilaza hoe iray amin’ireo mpaminany taloha no tonga nofo hita maso ka miriaria amin’ny velona. Tsy dia mifanalavitra amin’ny finoantsika malagasy loatra izany. Na isika ihany koa aza, na ireo sasany amintsika malagasy dia mino ny fiverenan’ny fanahin’ireo “olo-masina” ao anatin’ny vatan’olona aty afara. Ohatra amin’izany ny “tromba” izay tsy inona akory fa fanahin’ireo razana-masina fahagola ka miverina ao anatin’ny olona iray mba “hanasitrana” sy “hanao fahagagana” ary “hilaza ny hoavy” rehefa avy romboina sy ankalazaina. Dia toy izany ihany koa no niheveran’ny olona an’i Jesoa. Fa ny lalina indrindra amin’ity fiekem-Pinoana ity dia ny an’i Masindahy Piera rehefa nilaza izy fa “Kristy” i Jesoa. Ny teny hoe Kristy dia midika hoe “ilay voahosotra”. Ny olona voahosotra dia izay ho mpanjaka sy ho mpifehy ary hitondra fanavaozana ho an’izay vahoaka eo ambany fiahiany sy fiadidiany ary fanjakany. Dia izany tokoa: Mpanjaka voahosotron’i Ray i Jesoa. Ary ho anao, mba iza i Kristy? Ny tsirairay amintsika dia (tokony) samy hanana valinteny momba an’izany. Ho an’ireo mpandalina dia Filozofa i Jesoa, ho an’ny sasany dia Mpampianatra ikoizana izy, ho an’i Bodista ohatra dia mpaminany sy mpitoriteny ikoizana izy, dimbaka avy any Nazareta hoy i Lolo sy ny tariny, Zanakin’ny tena henjana hoy Princio sy Rahckiky ary Samoela.  Fa ho anao, ho antsika kristianina, iza i Jesoa ho anao? Namana, rahalahy,… Samia mamisavisa.

Raha ny fiheveran’i Piera azy, ny Olona voahosotra, izany hoe ny Mpanjaka dia tsy natao hijaly na koa handalo fisedrana fa natao handresy mandrakariva; tsy natao ho mpanompo fa natao ho tompoina sy ho hajaina ary ho lolohavina. Misy maha-marina azy ny fiheverany izany saingy mifototra loatra amin’ny maha-olona ny fijeriny ka mivaona. Nahitsin’i Jesoa fa ny maha-Mpanjaka Azy dia ao anatin’ny Fanetren-tena sy ny Fanompoana ary ny Fahaoizan-tena hatramin’ny Fahafoizana ny Aina aza. Izany no Kristy tian’i Jesoa ho lazaina, izany no Kristin’Andriamanitra, izany no Kristy ho an’ny Famonjena. Hanolotra ny ainy ho famonjena antsika rehetra no maha-Kristy an’i Jesoa ary mampianatra antsika kristianina Izy fa izay te-ho “Voahosotra” dia tsy maintsy milafika ho ambanin’ny rehetra mba hahazoan’ireo tompoiny famonjena. Voaantso ho mpanompon’ny fiaraha-monina misy azy ho Mpanompon’ny rehetra ny Kristianina fa tsy ho tompoina sy lolohavina sanatria.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009