Dia nandeha izy ireo

Alahady Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

“Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin'ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy” (Mk 6, 7-13)

    

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Raha fintinina amin’ny teny fohy dia fohy ny Vakiteny henointsika amin’ity alahady androany ity dia manoritsoritra ny momba ny adidy sy andraikitra maha-mpaminany sy iraka eo anivon’ny fiaraha-monina; adidy sy andraikitra raisina sy atao, tsy noho ny sitra-po samy irery fa noho ny fanirahana raisina avy amin’ny Tompo ary tontosaina noho ny fahasoavana sy ny hery avy Aminy. Indray andro tokoa manko, rehefa hitan’i Jesoa fa efa nahazo fampianarana maromaro avy Aminy ireo Apôstôly, dia nirahiny tsiroaroa mba hampianatra tahaka Azy eo anivon’ny vahoaka ary hanasitrana ireo marary sy marofy. Ny fampianarana tian’i Jesoa hataon’izy ireo dia tsy inona akory fa ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ary fananarana ny olona hiverina amin’ny Tompo sy hanitsy ny fomba amam-panao hifanitsy amin’ny fianandrandrana ny lanitra. Izany no andraikitrin’ny Apôstôly, ny Mpaminany eo anivon’ny fiaraha-monina misy sy anirahana azy.

Rehefa mandre ity Evanjely vakiana amintsika androany ity, ny sarisary tonga an-tsaina voalohany dia ireo misionera irahina sy omena tsio-drano handeha hitory ny Finoana any an-tany lavitra. Tonga an-tsaina ihany koa ireo voahosotra ho amin’ny asa fanompoana eo anivon’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina. Vitsy dia vitsy no tonga saina fa ny misionera irahina dia tsy hoe olona voatokana ihany akory fa ny tsirairay amin’ny kristianina rehetra. Ny Kristianina dia izay manara-dia an’i Kristy. Roambinifolo ny isan’izy ireo. Ny isa roambinifolo, arakan’ny Soratra Masina dia tsy raisina ara-bakiteny ny dikany; fa ny tiany hambara dia ny “hafenoana”. Noho izany, ny rehetra, isika kristianina rehetra mifameno dia antsoina sy irahina avokoa ho misionera. Ny vita Batemy rehetra dia voahosotra ho Mpanjaka, Mpaminany ary Mpisorona. Dia anefa ihany koa, mitebiteby irery sy miteny irery hoe: ahoana no hahavitako an’izany andraikitra lehibe amin’ny asa misionera izany? Tsy misy tsy maha-marina izany eritreritra izany ary rariny sy hitsiny izany satria bitika loatra isika eo anatrehan’ny adidy iantsoana sy anirahana antsika. Dia tsarovy ary fa eritreritra sy fihambahambana tahaka an’izany ihany koa no nandrohy an’i Amosy mpaminany fony izy voairaka voalohany. Fa ny tmpo namaly tsotra: tsy izy ary tsy isika no hiteny eo anatrehan’ny vahoaka, rehefa mitory ny Vaovao Mahafaly, fa ny Tompo mihitsy no ho eo am-bavantsika ary hampiteny sy hiteny amin’ny alalantsika. Tsy isika mihitsy no hiatrika izany adidy goavana izany fa ny Tompo no homba antsika. Fitaovana ihany isika rehetra amin’ny maha-mpaminany antsika eo anatrehan’ny Fiaraha-monina fa ny Tompo no hiasa.

Ny fampianarana anisan’ny goavana ihany koa ao amin’ny Evanjely vakiana amintsika androany dia ny momba ny toe-tsaina sy toe-panahy miatrika izany andraikitra sy adidy maha-misionera izany. Averiko ihany, isika rehetra vita Batemy dia voairaka ho misionera avokoa. Ny iraka ampanaovina sy anirahana antsika rehetra dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Fiaraha-monina misy antsika. Lazain’i Jesoa fa ny voairaka dia tsy tokony hivatsy afa-tsy tehina ary afoy avokoa ireo karazam-pitaovana sisa hafa. Ny tiany ho lazaina amin’ny “tehina” dia tsy inona tsy akory fa ny “hery” sy ny “fikirizana” ao anaty herim-po tsy mety kivy; fa sady fiarovan-tena amin’izay mety hanembatsembana amin’ny andraikitra atao izany no ihany koa hitohanana sy hianteherana eo am-panatontosana ny andraikitra. Manampy an’ireo rehetra ireo dia ny fahatokisana ny Fitondran’Andriamanitra. Ny Misionera, isika rehetra, rehefa hiatrika ny fiaraha-monina izay misy antsika, ka manoro azy ireo izay tsy mety ataony, dia manefa izany adidy izany, tsy miantehitra amin’ny “fananana” fa amin’ny hery sy fiarovan’ny Tompo.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086