Mba ho iray tahaka Antsika izy

Alahady Fahafito amin'ny Paka

Ray Masina ô, tahirizo amin'ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika izy” (Jn 17, 11b-19)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny toko faha-17 manontolo ao amin’ny Evanjelin’i Masindahy Joany dia Vavaka nataon’i Jesoa talohan’ny hisamborana Azy, izany hoe talohan’ny hijaliany sy ny hamonoana Azy ho faty. Efa fantany mialoha izay hanjo Azy ka mba ory ihany ny fony ary torovana ihany ny sainy mieritreritra ny làlana ho lalovany. Saingy nekeny izany rehetra izany fa izany ts’inona no làlana tokana hahazahoantsika olombelona rehetra ny famonjena ary handraisantsika anjara amin’ny hasambarana mandrakizay miaraka amin’ny Ray. Ny tena mampihetsi-po amin’ity Vavaka nataon’i Jesoa ity dia izy miompana be dia be amintsika olombelona fa tsy amin’ny Tenany loatra: Izy Kristy mihitsy no mangataka amin’Andriamanitra Ray ho antsika rehetra. Fa ny tena mampiavaka an’ity Vavaka ity ihany koa dia ny zavatra nangatahan’i Kristy amin’Andriamanitra Ray ho antsika rehetra. Ireo hevi-dehibe ireo no andeha hifampizarantsika.

Ny fangatahana voalohany nataon’i Kristy tamin’Andriamanitra Ray dia ny mba hitahirizany antsika: “Ray masina ô, tahirizo amin'ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka antsika izy” (11b). Tsy harena be, tsy trano mijoalajoala, tsy tanimbary sy omby be am-pahitra, tsy tanety lava feno fambolena, tsy izany rehetra izany no irian’i Kristy hananantsika fa ny ho “voatahiry” ao amin’Andriamanitra Rainy. Ny tiana ho lazaina amin’ilay ho voatahiry dia tsy inona akory fa ny mba haharetantsika rehetra ao amin’ny Finoana; izany hoe ny haharetan’ny Finoantsika an’Andriamanitra. Hevitra anakiroa eto no tian’i Kristy holazaina: iriny isika rehetra mba ho ao Velona ao amin’Andriamanitra ary hiraiki-po Aminy mandrakariva na inona na inona zavatra mitranga; matoa isika maharitra amin’ny Finoana ary mijoro amin’izany hatramin’ny farany, na eoa za izay mety ho sakantsakana sy fanerena isan-karazany, dia satria tsy nohon’ny herintsika loatra akory fa noho ny herin’Andriamanitra miaro antsika mandrakariva ka aharetantsika mijoro amin’izany finoana izany.

Ny fangatahana faharoa nataon’i Kristy dia ny mba hananantsika hafaliana: “Ankehitriny mankany Aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin'izao tontolo izao, mba hananan'izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy” (13). Tsy ny hafenoan’izay filàna ara-materialy no irin’i Kristy hivelomantsika fa ny hananantsika rehetra hafaliana. Voaantso ho amin’ny hafaliana sy ny hasambarana anaty ny Kristianina tsirairay. Ny hany hiavahantsika kristianina amin’ny olona rehetra dia io hafaliana anaty io; izany no lova irian’i Kristy ho antsika.

Manaraka izany, ny fanirian’i Kristy ho antsika dia ny mba haha-voaaro antsika amin’ny ratsy rehetra: “Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin'ny ratsy” (15). Mazava dia mazava izany Teniny izany; voaantso hiray petsapetsa amin’ny tontolo misy azy ny kristianina rehetra mba hanova ny tontolo iainany ho mamy sy hirindra. Ny Tànan’Andriamanitra no ho fiarovana amin’izany mba tsy ho voasarik’izao tontolo izao hanara-drenirano ny kristianina; isika rehetra tsirairay.

Ny fangatahana farany dia ny mba hahamasina antsika rehetra ao amin’ny Fahamarin’Andriamanitra: “Ankamasino amin'ny fahamarinana izy ireo” (17a). Voaantso ho amin’ny Fahamasinana sy ny Fahamarinana ny Kristianina mba haha-masina sy haha-marina ny fiaraha-monina misy azy ihany koa. Ireo fanomezana ireo no lova miandry antsika rehetra tsirairay. Aiza ho aiza amin’ireo no efa renao sy iainanao amin’izao? Samia mamisavisa.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0782