Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangana amin'ny maty

Alahady Fahatelo amin'ny Paka

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo,... Ianareo no vavolombelon'izany.” (Lk 24, 35-48)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Fararanon-danonana ny an’ny Fiangonana maneran-tany amin’ity Alahady androany ity fa androany tokoa no andro Ankalazana ny Anandratana ho Olontsambatra an’i Ramose Lucien BOTOVASOA. Teraka tamin’ny taona 1908, lahimatoa amin’izy sivy mianadahy iray tampò, i Ramose BOTOVASOA dia tera-tany malagasy traitrainy avy ao Vohipeno. Lahika tersiera fransiskana nandray andraikitra, Ramose BOTOVASOA dia maty martirin’ny Finoana sy ny Fitandroana ny maha-kristianina azy. Tsy ho ampy hivalaparana hitantarana ny fiainan’ny Ramose akory izao fifampizarana ataontsika eto izao; na izany na tsy izany dia hasiantsika topimaso fohy ny momba ny tantarany vao izay isika no hanatsoaka ny harem-panahy azo raisina amin’ny oha-pinoana navelany, ampifandraisintsika amin’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity alahady ity sy mandritra ny herinandro vaovao izay ho diavintsika.

Teo amin’ny faha-efatra ambin’ny folo taonany vao nandray ny Sakramentan’ny Batemy noho ny fianarana noratoviny tao amin’ny Sekoly ambaratonga fototra katolika izy. Nanohy ny fianarany tao amin’ny sekolindry sefrera tao Fianarantsoa izy ary nahazo ny mari-pahaizana ho mpampianatra tamin’ny taona 1928. Niverina namonjy ny tanindrazany tany Vohipeno izy ary nampianatra tamin’ny Sekoly katolika tany an-toerana. Ny taona 1930 izy no nandray ny sakramentan’ny mariazy tamin-dramatoa Suzanne SOAZANA vadiny ary nanan-janaka valo mianadahy izy roa fa saingy ny dimy ihany no tonga taiza. Nanam-pahaizana i Ramose ary neken-teny sy nankatoavin-kafatra, na teo anatrehan’ireo mpianany na teo anatrehan’ny mpiara-miasa sy mpiara-monina aminy. Tsy ela akory, noho izy nahay niara-nonina tamin’ny rehetra dia lasa fanta-bahoaka ary to-teny tamin’ireo nanodidina azy. Noho izy mamy hoditra toy izany dia niangavy azy ireo manam-pahefana tao an-tanàna mba hirotsaka ho fidiana ho solombavambahoaka, tamin’izany andro izany. Nifanandrify indrindra tamin’ny raharahan’ny taona 1947 indrindra izany vanim-potoana izany. Naroson’ireo mpitondra teo an-toerana ho Mpitarika ny Politika teo an-tanàna i Ramose fa saingy nandà izany hatramin’ny farany. Izany no heloka niampangana azy tsikelikely ary nilàna kisa taminy isan’andro. Tsy hoe sanatria tsy fitiavan-tanindrazana, hoy Ramose, no tsy irotsahako amin’io lafiny io fa tsy afaka hampiara-dia ny Finoaka katolika amin’ny politika mihitsy aho. Nampangaina ho tsy mpiray tolona amin’ny rehetra izy ary noraisina ho toy ny mpamadika tanindrazana tsy miray hina amin’ny tolona atao amin’ny fanjanahan-tany. Ny atoandron’ny 17 avrily, taona 1947 no efa voasambotra sy voatàna halaina am-bavany ary nohelohina ho faty ny andro io ihany. Ny alin’io ihany, teo amoron’ny ranon’ny Vohipeno, no notapahin-doha i Ramose BOTOVASOA ary navalan’ireo mpamono azy ny renirano Matitanana ny vatany; 39 taona izy tamin’izay. Ny Farateniny dia hoe “Andriamanitra ô, mamelà ireto rahalahiko ireto”. Ny 2 May 2017 no neken’ireo Kardinaly sy nankatoavin’ny Papa Fransoà ny maha-Olontsambatra an’i Ramose Lucien BOTOVASOA.

Ny tena ahafantarana ny maha-kristianina ny olona iray dia tsy amin’ny teniny sy izay lazainy loatra; fa indrindra indrindra amin’ny ataony sy amin’ny fananany faharetana mifikitra amin’ny Finoana. Ny “atao” kristianina dia tsy izay fanaraha-drenirano fotsiny fa indrindra koa ny fifikirana amin’ny hevi-pinoana sy ny fampianaran’ny Evanjely. Voaantso ho vavolombelon’i Kristy, maty sy nitsangan-ko velona ny Kristianina: ny fijoroana ho vavolombelona faratapony amin’izany dia ny fanekena ho martirin’ny Finoana fa izany no anehoana fa na maty aza ny nofo, dia hitsangan-ko velona kosa ny Fanahy.

Mirary Alahady finaritra ho antsika rehetra ary miarahaba ny Malagasy tsirairay.

Mompera Nary

 

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.2143 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org