Mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay

Alahady Fahaefatra amin'ny Karemy

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao:

nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay” (Jn 2, 13-25)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Herinandro roa sisa dia higadona tanteraka ny fankalazana ny Paka izay fototrin’ny finoantsika Kristianina. Ny tsirairay anefa dia tokony mametra-panontanina mandrakariva raha toa ka efa vonona sy mba tsindrian-daona amin’izany fankalazana izany. Eny e, ny vonona ve moa tsy ho vonona fa tsaratsara kokoa ny hoe mba olona voaomana no hankalaza ny Paka fa tsy hoe olona lanahan’ny fahazaran-dratsy sy ny fiainana rimorimo anaty fahalemena no mankalaza izany vanim-potoana lehibe izany.

Mba hahatsapana fa hoe vonona na tsia amin’ny fankalazana ny Paka, ny tsy maintsy hataon’ny tsirairay dia ny manao fanadihadiana ny feon’ny fieritreretana sy manontany tena mandrakariva ny amin’izay mety ho toetra sy lokom-panahy. Adidy ary tokony hataon’ny kristianina rehetra izany. Fa ny tena manahirana manko rehefa manao izany dia mahatsapa mandrakariva fa tsy lavorary ny tena, ary na iza na iza mijery momba ny tenany dia mahatsapa an’izany avokoa. Rariny izany, olombelona isika fa tsy anjely; mandia tany ka solafaka ary miloloha lanitra ka lena. Misy karazana fihetseham-po anankiroa mety hitranga eo amin’ny tsirairay manoloana izany fahatsapana fa tsy lavorary izany: na ilay olona vao mainka mieritreritra hoe “tena fatritran’olona sy faikam-boto aho ary tsy mendrika ka aleo tsy manatona ny Tompo ary manalavitra ny Endriny”, na koa ilay olona mihevitra hoe “tena olona faran’izay tsy mendrika aho ary tsy lavorary ka handeha hanatona ny Tompo hitalaho ny indrafony sy ny famelany mba hahazahoako ny fiainana mandrakizay”. Eto indrindra no mihatra sy miteny amintsika ny Evanjely sy ny Fampianaran’i Masindahy Joany amin’ny Evanjely aroso sy vakiana amintsika amin’ity andro ity ary hiezahantsika hiainana sy hivelomana mandritra ity herinandro diavintsika ity.

Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay”. Ny antony naneken’i Kristy ny hofantsihana amin’ny hazofijaliana dia tsy hoe akory ho fanekena ny sitrapon’ny Ray fotsiny fa ny mba hahazahoan’ny rehetra tsy misy avakavaka ny famonjena. Izay rehetra mibanjina Azy ka manaiky fa Izy no mpamonjy dia manana antoka fa hahazo ny famonjena. Marina fa tsy lavorary isika hoy aho tery am-piandohana. Ka ny tokony hatao dia tsy hoe akory hihataka indray ny Tompo fa ao anatin’izany fahatsapan-tena fa tsy lavorary sy be fahotana izany indrindra aza no vao maika tokony hanakaikezana ny Tompo ka hibanjinana Azy eo ambony hazofijaliana mba hahazahoana ny famonjena. Satria: “toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay”. Tsy hoe sanatrian’ny vava haladin’ny lela hahavery ny olombelona mpanota no nanomezan’ny Ray ny ain’ny Zanany lahitokana; tsia. Fa ny hahazahoan’ny rehetra ny famonjena aza. Ny hany takian’ny Tompo mba handraisantsika izany famonjena izany dia ny finoana ny Zanany ho antoka amin’ny hahazahoana ny fiainana mandrakizay. Andriamanitra manko tsy naniraka ny Zanaka tamin'izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao ka hahafahan’ny tsirairay, indrindra isika mahatsiaro tena fa mpanota, ny fiainana mandrakizay ao Aminy. Ny hany takiana amintsika, ary izay ihany, dia ny finoana ny Zanak’Andriamanitra ho Mpamonjy satria “zay mino azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra tokana”.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101