Raha mety hianao dia mahay manadio ahy

Alahady Fahaenina tsotra Mandavan-taona

Raha mety hianao dia mahay manadio ahy.” (Mk 1, 40-45)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Mbola mitohy ny famakiantsika ny Evanjely nosoratan’i Masindahy Marka, ary ny vakiana amintsika amin’ity andro androany ity dia manohy izay efa novakiana tamin’ny heriny. Resaka fanasitranana le raha. Fa saingy tsy fanasitrana fotsiny fa fanasitrana miavaka mihitsy aza satria aretina anisan’ny natahorana ary mbola atahorana ankehitriny aza no nositranin’i Jesoa. Efa hatramin’izay no efa natahoran’ny olona ny aretina habokana, ary ankehitriny dia anisan’ny aretina mampivarahontsana ny areti-koditra. Eo amin’ny finoana jody, ny areti-koditra dia aretina midika fa “tsy vanona” ilay marary na nanao hadisoana be vava teo amin’ny fiaraha-monina ka mandray vali-kapoka avy amin’Iaveh. Vokany, ahilika tanteraka izay voan’izany aretina izany; tsy noho izy ahiana hamindra amin’ny hafa fotsiny fa noho ilay olona ahiana handoto ny fiaraha-monina amin’ny heloka nataony. Inona no mety ho fampianarana kristianina àry manoloana ity fanasitranana nataon’i Kristy tamin’ilay marary hoditra lazain’ny Evanjely ity?

Niditra tao an-tànana i Kristy. Iny nanatona azy ilay marary hoditra. Azoko an-tsaina mihitsy ny fihetsikin’ny olona tamin’izany; tao ireo tonga dia nilefa nandositra vao nahatazana azy, tao koa ireo niteny azy mba tsy hanatona an’i Jesoa, fa nisy koa anefa zao ireo nitsetra ka nankahery azy hanatona an’i Kristy. Fa toy izany koa ny fiainantsika ankehitriny. Ny habokana tian’i Fiangonana ho haintsika amin’ity Evanjely ity dia tsy ilay aretin-koditra loatra tsy akory fa ny tsy fahasalaman’ny fiainam-panahintsika. Ny maha-izy azy antsika mihitsy no misy fahabokana. Firifiry moa eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny ny olona atao ankilabao sy ahilikin’ny fiaraha-monina satria olona maloto. Olona maloto satria ratsy fitondran-tena, olona maloto satria mpisotro toaka sy mpimamo, olona maloto satria mpivaro-tena sy miletra zava-mahadomelina. Ireny olona ireny, eo anatrehan’ny Fiangonana dia mahatsiaro tena ho voailika. Isika kristianina mihitsy aza no manilika azy ireo. Tsy avelantsika hitsabaka na dia kely akory amin’izay ho raharaham-piangonana fa ataontsika anjorom-bala tanteraka satria olona tsy mendrika ary maloto. Anjarantsika kristianina ny mianatra ny nataon’i Kristy; mandray azy ireo dia mikasika azy. Ny mikasika azy tiana hambara dia tsy hoe resaka tànana loatra fa fihetsika maneho indrafo sy fitiavana. Ny indrafo sy ny fitiavana ihany no hany hanasitrana ireny olona heverintsika ho maloto ireny. Ny fiangonana, amin’ny alalan’ny fihetsikao be indrafo sy mamela heloka, dia mandray ireo olona heverintsika ho fatritra sy maloto ireny. Raha adikako tsotra dia hoe: ny famindram-po sy ny famelana ataon’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny fihetsika feno fitiavana, izay ihany no fomba haingana sy mahomby hahafahan’ireo olona heverina ho maloto ireo, toy ny mpivaro-tena, ny maditra fomba fiainana, hahasarika azy ireo hiroso ao amin’ny Fiangonana. Tsy vahaolana ho amin’ny fibebahan’izy ireo mihitsy ny fanahasohasoana ny maha-maloto azy.

I Jesoa rehefa nanasitrana ilay marary hoditra dia nanantitrantitra azy mba tsy hilaza izany amin’ny olona. I Jesoa rehefa manasitrana, dia tsy hoe ho an’ny laza sy ny voninahitra fa ho famonjena ilay olona. Izay ihany. Ny kristianina ihany koa, rehefa misy asa soa atao dia tsy tokony hampiantso mpanao gazety na hihaohao ho ren’ny vazan-tany fa tokony hiasa mangina. Ao anatin’ny fanetrentena no tokony hisehoan’ny asa maha kristianina; sady angaha moa nohon’ny herin’ny tena no nahavitana ilay asa mahagaga. Tsy tompony isika fa mpindrana; fitaovana hisehoan’ny herin’Andriamanitra fotsiny ny olombelona ary ny Tompo no miasa fa fitaovana ihany isika rehetra.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1228