Sorona Masina ny Alahady 18 aogositra 2019

ALAHADY FAHA-20 mandavantaona — D

«Tolona ambony vatolampy ny fiainana, izay manao tan-tsy vinitra no vaky loha»

Tononkira fidirana

Sal. 83, 10-11

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay, todiho ny Tavan’i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an’izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao, hitiavanay Anao ao amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 38, 4-6. 8-10

Naterakao aho, mba ho olona filàna ady amam-pifandirana amin’ny tany rehetra.

Tamin’ny andro nanaovana fahirano an’i Jerosalema dia niteny tamin’i Sedesiasa mpanjaka ireo lehibe nitana an’i Jeremia tao amin’ny kianjan’ny tranomaizina nanao hoe: “Aoka hovonoina io lehilahy io fa mampiraviravy tanana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin’ny vahoaka rehetra izy, amin’ny teny lazainy aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.” Ka hoy i Sedesiasa mpanjaka: “Anananareo fahefana izy, fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakanana anareo”. Dia noraisin’izy ireo i Jeremia, ka nampidininy tao an-davak’i Melkiasa, zanak’andriana, ao an-kianjan’ny fiambenana; mahazaka no nampidinana an’i Jeremia tao an-davaka izay tsy nisy rano, fa fotaka ihany, ka nilentika tanaty fotaka i Jeremia; dia nivoaka avy tao an-tranon’ny mpanjaka i Abdemeleka, ka niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: “Ry mpanjaka tompo ô, ratsy ny nataon’ireo olona ireo tamin’ny nitondrany toy izany an’i Jeremia mpaminany, fa nampidininy ao an-davaka izy; ho faty mosary ao ihany izy, satria tsy misy mofo intsony eto an-tanàna”. Dia nanome teny an’i Abdemeleka etiopianina ny mpanjaka nanao hoe: “Mangalà olona telopolo lahy etoana, hiaraka aminao, ka ampakaro i Jeremia mpaminany avy ao an-davaka dieny mbola tsy maty izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 39, 24. 18.

 

Fiv.: Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.

Niandry ny Tompo aho ka niandry, niondrika Izy, nihaino talaho, nanala tamin’ny hady mamono sy tamin’ny fota-mandrevo:
Ny tongotro najorony am-batolampy, ny diako nataony matotra; hira vao no nataony teo am-bavako, fiderana an’ilay Tompontsika. Maro no hahita ka hatahotra ary dia hifefy amin’ny Tompo.
Ory sy mahantra ity izaho, Tompo ô, faingàna ho eto amiko! Ianao Mpitahy sy Mpanafaka ahy, aza ela, ry Andriamanitro!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 12, 1-4

 

Hihazahazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao isika.

Ry kristianina havana, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay nanarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, mibanjina an’i Jesoa Filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, Izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy Izy, mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo. Ianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota hatramin’ny fahalatsahan’ny ranareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 49-53

Tsy tonga hitondra fihavanana Aho, fa fampisarahana aza.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho, ka akory ity faniriako mba hirehetan’izany sahady! Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanteraka izany! Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza. Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray, dia hifanao andaniny, ka hifanohitra ny telo amin’ny roa, ary ny roa amin’ny telo; ny ray amin’ny zanany lahy, ary ny zanaka lahy amin’ny rainy; ny reny amin’ny zanany vavy, ary ny zanaka vavy amin’ny reniny; ny rafozambavy amin’ny vinantony vavy, ary ny vinanto vavy amin’ny rafozany vavy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy fahasambarana otazana eo no ho eo no nampanantenain’i Kristy homena an’izao tontolo izao; koa enga anie ny fahoriana iaretantsika sy hitantsika iaretan’ny olona, handrisika antsika hivavaka bebe kokoa anio.

Valy: Tompo ô, mba ekeo ny vavakay.

* Efa nambaran’i Jesoa ny Apôstôly fa tsy hitovy hevitra ny olona hitoriana ny Evanjely, koa mivavaha mba tsy hahakivy ny mpitory, ny fifandirana mety ho vokatry ny tenin’Andriamanitra torîny.
* Kristy teto an-tany dia sady tsy natahotra ny hijaly no naniry ny Hazofijaliany; koa mivavaha ho an’ny mpiandraiki-bahoaka rehetra eto an-tany mba haharesy ny tahotra, hahery fo lalandava hanatontosa ny adidiny, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana.
* Ny fanatontosantsika ny adidy maha-kristianina dia mety ho nahasosotra olona na tsy nitiavany antsika; koa mivavaha ho an’ireo tsy mahazoazo antsika na nahazo alahelo tamintsika.
* Indraindray izay tsy mitovy finoana na hevitra amintsika dia mila hataontsika hoe mpanohitra sy fahavalo; koa mivavaha mba hahay hihavana amin’izay tsy mitovy fisainana amintsika isika sy hahay miara-miasa amin’ny olona rehetra hampijoro ny fiadanana marina.
* Maro ny sambatra mahazo andro ka miala sasatra ankehitriny; fa mivavaha ho an’ireo voatery hihafy sy hiasa ary hisasatra eny ambanivohitra amin’ny fiompiana sy ny fambolena.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, tonga tety an-tany Ianao hanome fiadanana anay, nefa fiadanana tsy maintsy isahiranana; tonga tety Ianao hitondra ny fahamarinana; koa ampio izahay ho apôstôly mpitory sy mpampanjaka ny Fiadananao sy Fahamarinanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra IV, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo.

 

na hoe:

Jo. 6, 51-52

Izaho no Mofo velona nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; raha misy mihinana izany Mofo izany, dia ho velona mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin’i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy ety an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081