Sorona Masina ny Alarobia 14 aogositra 2019

Herinandro faha-19 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 73, 20. 19. 22. 23

 

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain’ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian’ireo mila ady aminao.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 9, 1-7 ; 10, 18-22

 

Asio marika ny handrin’ny olona misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao Jerosalema.

Niantso mafy teo an-tsofiko ny Tompo nanao hoe: “Manatòna ianareo, mpiambina ny tanàna; samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tanany avy.” Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambony mitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehin-kibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina. Ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely, niakatra avy teo ambonin’ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran’ny trano. Ary ny Tompo niantso an’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika sy nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehin-kibony, ka hoy ny Tompo taminy hoe: “Mandehàna mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika ‘Thau’ ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.” Dia hoy koa Izy tamin’iretsy sasany, teo an-tsofiko: “Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo. Na anti-dahy, na zazalahy na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny ‘Thau’ ao aminy kosa aza hatoninareo. Ary eo amin’ny fitoerako masina manomboka.”

Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo. Ary hoy Izy taminy: “Lotoy ny trano, fenoy faty ny kianja. Mivoaha ianareo!” Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo. Niala teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny trano ny voninahitry ny Tompo, dia nijanona teo ambonin’ny Kerobima. Nanainga elatra ny Kerobima sy nisondrotra avy amin’ny tany teo imasoko, ary nony niainga izy, niaraka taminy ny kodiarana. Nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny Tompo izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo aminy teo amboniny.

Izany no ilay zava-manana aina hitako teo ambanin’Andriamanitr’i Israely, teo amin’ny ony Kobara; ary nahalala aho fa Kerobima izany. Samy nanan-tarehy efatra, ary samy nanana elatra efatra avy izy; ary nisy endri-tanan’olona, teo ambany elany. Ary ny amin’ny fijery ny tavany, dia ireo tava hitako teo amoron’ny ony Kobara ihany; sahala ny fijery azy; tena ilay tany ihany izany. Samy nandeha tamin’izay hitsiny avy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-6.

 

Fiv.: Ambonin’ny lanitra ny voninahitry ny Tompo.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo! Derao ny Anaran’ny Tompo! Tsarovy ny Anaran’ny Tompo, na izao na ho mandrakizay!
Tongava marain-tsy hariva hidera ny Anaran’ny Tompo; ambonin’ireo firenena ny lazany avo dia avo!
Moa misy mitovy amin’ny Tompo? Ny Tompo mitoetra any ambony. Ka miondrika Izy mijery na Lanitra izany na tany!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Deteronômy

Det. 34, 1-12

 

Teo amin’ny toerana nandidian’ny Tompo hahafatesany i Môizy no maty; ary tsy nisy mpaminany nitsangana toa azy intsony teo amin’i Israely.

Tamin’izany andro izany, niakatra avy eo an-tany lemak’i Môaba i Môizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao. Ary nasehon’ny Tompo azy avokoa ny tany rehetra, dia Galaada hatrany Dana, Neftali rehetra mbamin’ny tanin’i Efraima sy i Manase, ny tanin’i Jodà rehetra, hatramin’ny Ranomasina andrefana, ny Negeba, ny faritanin’i Jordany, ny lohasahan’i Jerikao, dia ny tanànan’ny rofia hatrany Segôra. Dia hoy ny Tompo taminy: “Io ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba hoe: “Homeko ny taranakao izany.” Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy hiditra eny ianao.” Teo no nahafatesan’i Môizy, mpanompon’ny Tompo, dia teo amin’ny tany Môaba, araka ny didin’ny Tompo. Ary naleviny teo an-dohasaha, amin’ny tanin’i Môaba, tandrifin’i Bet-Fôgôra izy. Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. Efa roapolo amby zato taona i Môizy no maty, nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy. Nisaona an’i Môizy, telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Môaba ny zanak’i Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.

Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy, ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’ny Tompo an’i Môizy. Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin’i Israely intsony sahala amin’i Môizy izay fantatry ny Tompo mifanatrika, na ny amin’ny famantarana amam-pahagagana nanirahan’ny Tompo azy tany Ejipta, hanaovany izany tamin’ny Faraôna, sy ny mpanompony mbamin’ny taniny rehetra, na ny amin’ny tanany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra izay vitan’i Môizy teo imason’i Israely rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 65, 1-3a, 5 sy 8. 16-17

 

Fiv.: Hisaorana anie Andriamanitra, Ilay namelona ny fanahiko.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo! Antsao ny Anarany be voninahitra! Miderà Azy, ka miantsoa hoe: Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.
Tongava hizaha ny Asan’Andriamanitra! Mahatahotra itý nataony ho an’ny zanak’olombelona! Misaora an’Andriamanitra rey vahoaka! Redòny ny feo fiderana Azy!
Tongava avokoa izay matahotra an’Andriamanitra! Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko: dia Izy Ilay fiantsan’ny vavako sy fideran’ny lelako!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 18, 15-20

 

Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy; ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina. Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin’ny tany, dia ho voavaha any an-danitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin’ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan’ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

 

na hoe:

Jo. 6, 52

Ny mofo izay homeko, hoy ny Tompo, dia Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin’ny tena fahazavana marina izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1518